Toko 1

1 Paoly, apostolin'i Kristy Jesôsy araka ny didin-Jagnahary mpagnavotro atsika ndraiky Kristy Jesôsy tokintsika, 2 hoan'i Timoty, zanaka lahy marigny amin'ny finoagna: Fahatsaragna, famindram-pô, aveo fiadanagna avy amin-Jagnahary Iada ndraiky Kristy Jesôsy Tompontsika. 3 Araka ny nangatahiky mafy ho tsabonao koafa niala tao Makedonia zaho, mibidôha ao Efesosy mbô hahafahanao mibeko reo ôlogno sasany tsy hampianatra foto-pampianaragna hafa. 4 tsy tokony hitandrigny reo tantara ndraiky tetiarana tsisy fahatapairany zareo. Reo dia nitairaka adi-hevitry fao tsy magnapy drafitry Zagnahary, zay amin'ny alalan'ny finoagna. 5 Avakeo ny tanjon'didy dia fitiavagna amin'ny fô madio, avy amn'ny feon'ny fieritreretagna tsara, ary avy amin'finoagna tsy miatsaravelatsihy. 6 Ny ôlogno sanany dia tsy nahatakatra ny tanjogno aveo niala tamin'ny reo raha reo hoagny amin'ny lahateny laifadaifaka. 7 Zareo dia te ho mpampianan-dàlagna, kanaifa zareo tsy mahazo zay koragniny ndraiky hizingizin-jareo. 8 Fao atsika ndraiky mahay fao ny lalàgna dia tsara raha misy araiky mampiasa azy amin'ny ara-dalàgna. 9 Atsika dia mahay zany, fao ny lalàgna dia tsy natao hoan'ôlogno marigny, fao hoan'ny mpandika lalàgna ndraiky ôlogno mpikomy, hoan-jareo ratsy fagnahy ndraiky mpanota, avakeo hoan'ny reo zagnaharin-diso ndraiky tsy masigny. Zany dia natao hoan'ny reo mpamono ôlogno, 10 hoan'ny reo ratsy fitondran-taigna ara-nôfo, hoan'ny reo Sodomita, hoan'ny reo mpangala ankeriny ôlogno mbô hoandevozigny, hoan'ny reo mpavandy, hoan'ny reo antomoa tsy marigny, aveo na ino na ino hafa manohitry ny fampianaragna mahatoky. 11 Io fampianaragna io mifagnaraka amin'ny vava mahafalin'ny vogninahitry Zagnahary voatahy zay nankignigny taminaha. 12 Isaorako Kristy Jesôsy Tompontsika. Nampahery zaho Izy, fao natany mahatoky zaho, aveo nanendry zaho hoamin'ny fanompoagna Izy. 13 Zaho dia mpivaolgna ratsy, mpagnenjiky, avake lalahy mahery setra. kanaifa nahazo famindram-pô zaho satria tamin'ny tsy fahaizagna no nitsaboako zany noho ny tsy finoagna. 14 Fao ny fahasoavan'ny Tompontsika no nandrakotro tamin'ny finoagna ndraiky zay ao amin'i Kristy Jesôsy. 15 Zao hafatra zao dia azo antoko ndraiky magnaiva ny fangnikiagna jiaby, fao Kristy Jesôsy dia tonga teto antany hagnavotro reo mpanota. Zaho no taigna ratsy tamin'ny reo. 16 Fao nohony zany antony zany no namindragna fô taminaha, mbô amin'ny alalako, ny taigna lehibe, Kristy Jesôsy dia mety hagnaboaka ny fahiraitany jiaby. Nitsabo zany Izy ho aohatra hoan'ny reo zay magniry hatoky Azy hoamin'ny fiainagna bariky dintany. 17 Aveo hoan'ny mpanjakan'ny tagno, tsy mety maty, tsy hita maso, ny Zagnahary taokagna, anie ny laza ndraiky vogninahitry bariky dintany doria. Amena. 18 Zao didy zao no amiako anao, Timoty, zanako, araka reo faminaniagna natao mahakasiky anao tagny alaoha, fao anao mety hiady ny ady tsara, 19 ny fitanagna ny finoagna ndraiky ny feon'ny fieritreraitagna tsara. Tamin'ny fandavagna zany, misy ny nagnano sambo vaky ny finoany. 20 Rango tamin'i Hymeneo ndraiky Aleksandro, zay natôlotro hoan'i Satana mbô ampianarigny zareo tsy hivaolagna ratsy.