Toko 1

1 Paoly, Silasy, ave Timoty nandaiha akagny amin'ny fiangonan'ny reo Tesaloniana aka amin'ny Zagnahary Baba ndraiky Jesôsy Kristy Tômpo. Ho aminareo anie ny fahasoavagna sindraiky fiadanagna. [Fagnamarihagna reo dikan-teny sasany talôha dia mivaky:" Ho aminareo anie fahasoavagna ndraiky fiadanagna avy amin'ny Zagnahary Baba ndraiky Jesôsy Kristy Tômpo."] 2 Magnomia fisaoragna an'i Zagnahary lalandava zahay ny aminare jiaby, kay magnomagna areo amim'ny vavakay. 3 Zahay dia tsy mijanogno ny mahatsiaro areo akeo alôhaka Zagnahary Babantsika ny asan'ny finoagnanareo, ny asan'ny fitiavagna, avakeo fahatokisagna mahadigny aila hoan' ny hoavy akao amin'ny Jesôsy Kristy Tompotsika. 4 Oà rahalahy tian-Jagnahary, hainay fao Izy dia afa nifidy are, 5 Satria filazantsaranay dia avy taminare tsy vôlagna fôgna, fao tamin'ny angôvo fôgna koa, tamin'ny Fagnahy Masigny, ary fahatahoragna fôntry. Mitovy amin-jany, are fôgna koa dia mahay hoe ôlogno karaha ino zahay akeo aminareo noho ny aminareo. 6 Nanjary tôrotôro zahay ndraiky Tômpo areo, tamin'ny nangalanare ny vôlagna tamin'ny ady sarotro gaida ndraiky fihavanagna avy amin'ny Fagnahy Masigny. 7 vokatra zany, tonga ohatra hoan'ny jiaby lehy mankatô tagny Makedonia ndraiky Akaia koa. 8 Fao avy tamin-jareo no nagnenoan'ny vôlagn'i Tômpo, aveo tsy Makedonia ndraiky Akaia fôgna. Fao naifa, vôlagna amin'ny toeragna jiaby no iparitahan'ny finoagna an'i Zagnahary. Vokatra zany, dia tsy mila mivôlagna na ino na ino atsika. 9 Fao zare fôgna hivôlagna zay fandraisagna azonay teo aminareo. Zare dia nivôlagna fomba nitodiahanare tamin'i Zagnahary kay afaka taminjare ny sampy mbô hanompo an'i Zagnahary velogno ndraiky marigny. 10 Zare dia nitatitry fao areo dia nandigny ny zanany avy agny andagnitry, zay natsangana tamin'ireo maty. Jesôsy zany, lehy nagnala atsika amim' ny fahavigniragna ho avy.