Toko faha 2

1 Fao ny taignanareo dia mahay, ry rahalahy, fao ny favignanay teto aminareo dia tsy foagna. 2 Hainareo fao teo alôha dia nijaly aveo nalaim-baraka tagny Filipy zahay. Zahay dia nahasaiky tao amin-Jagnahary hagnambara taminareo ny vaovao mahafalin-Jagnahary tao agnatin'ny fanohairagna be. 3 Satria ny fagnanaranay dia tsy avy tamin'ny fahadisoagna, na avy tamin'ny fahalotoagna, na avy tamin'ny vandy. 4 Fao naifa, araka ny fagnikaihan-Jagnahary zahay mbô hatokisagna amin'ny vaovao maharavoravo, noho zany dia mivolagna zahay. Mivolagna zahay, tsy mampiravoravo ny ologno, fao mampiravoravo an-Jagnahary. Izy lay mahay ny fônay. 5 Satria dia tsy nampiasa na aforiagna na aforiagna regny teny rahôtagna zahay, araka ny hainareo, na koa ho fialan-tsigny amin'ny fagniriagna, satria Zagnahary no tomoanay. 6 Na koa nizaha ny vogninahitry avy aminy ologno zahay, na koa avy aminareo na avy amin-jareo hafa. Zahay dia afaka nitaky reo tombotsoa karaha reo apostolin'i Kristy. 7 Fao naifa, zahay dia maora teo aminareo karaha niny mankahery ny zanany natairany. [ Fagnamarihagna: Reo dikan-teny hafa sanany dia mivaky magnan-tô: " Fao naifa, zahay dia mitôvy zazamadiniky teo aminareo, koafa mankahery ny zanany natairany ny nininy."] 8 Dia mitôvy zany ny nanagnanay fitiavagna ho anareo. Ravo zahay mirasa aminareo, tsy ny vaovao maharavoravo an-Jgnahary foagna, fao ny fiaignanay manôkagna foagna koa. Satria areo dia nanjary taigna tiànay. 9 Satria tsaroanareo, ry rahalahiky, ny asanay ndraiky ny fijalianay. Andro aman'aligny no niasanay mbô tsy ahavitanay mampitonga mavaisatra ny araiky aminareo. Tamin-jany fotoagna zany, dia nitôry ny vaovao maharavoravon-Jagnahary taminareo zahay. 10 Areo no tomoa, aveo Zagnahary ndraiky koa, fao masigny, ndraiky marigny, avekeo tsy manan-tsigny ny fitondran-taignanay teo aminareo zay mino. 11 Mitôvy zany ndraiky koa dia hainareo hoe nanankory no natanay taminareo tsiraikiraiky karaha ny atan'ny baba amin'ny zanany natairany, 12 nangavigny ndraiky nankahery aveo namporisiky areo zahay, mbô handaiha amin'ny fomba zay magnaiva an-Jagnahary, zay magnantso areo handaiha akao amin'ny fanjakagnany ndraiky ny voninahitrinazy manôkagna. 13 Fao zany antony zany no isaoranay indraiky koa an-Jagnahary lalan-dava. Fao areo koafa nahazo avy taminay ny hafatran-Jagnahary zay regninareo, dia niraisinareo zany tsy karaha ny volagn'ologno. Fao naifa, niraisinareo zany araka zay marigny, dia ny volagnan-Jagnahary. Zany volagna zany ndraiky koa no miasa akeo aminareo zay mino. 14 Satria areo, ry rahalahiky, dia nanjary karaha reo fiangonan-Jagnahary akagny Jodia zay amin'i Jesôsy Kristy. Fao areo ndraiky koa dia nijaly tamin'ny reo raha reo koa nohiny natan'ny reo tanindrazagna araiky aminareo, mitôvy ny nahazo zareo koa noho ny natan'ny Jiosy taminazy. 15 Zareo Jiosy no namono na an'i Jesôsy Kristy na zareo mpagnazary. Zareo Jiosy no nandroaka zahay. Tsy nisaotra an-Jagnahary zareo. Fao naifa, zareo dia fahavalon'ologno jiaby. 16 Zareo dia nagnadraova zahay tsy hivolagna amin-jareo Jentilisa mbô tsy hamonjiagna zareo regny. Vokatra zany dia mamano ny fahotan'ny aigniny lalan-dava zareo. Na fahavigniragna dia tsy maintsy avy akeo amin-jareo amin'ny farany. 17 Tafisaraka taminareo zahay, ry rahalahiky, nandritra ny fotoagna fohy, tamin'ny fagna traihagna fao tsy tamin'ny fô. Taigna nazôto fatatra zahay, nagniry mafy, ny hahita ny sôranareo. 18 Satria nagniry ny handaiha aminareo zahay, zaho, Paoly, mazagna, naifa nanakagna zahay i Masantôko. 19 Fao ino moa fanantenagnanay hy ho avy, na aravoagna, na satro-bogninahitry ny fandrisiagna akeo agnatraihan'i Jesôsy Tompontsika amin'ny fiaviagnany? Moa tsy areo karaha zareo hafa koa moa? 20 Fao areo no vogninahitrinay ndraiky aravoagnanay.