Toko Faha 2

1 Zanaka, manaoratra reto raha reto zaho mbô tsy hanotanare. Naifa raha misy manota, dia managna mpisolo vava atsika miaraka amin'ny Iada, Jesôsy Kristy, lehy marigny. 2 Izy no fagnavaotagna reo fahotangnantsika, ave tsy nihintsika faogna, fao nihin'ny zao tontolo zao jiaby koa. 3 Amin'ny zany no ahaizantsika fao mahay Azy atsika: raha mitandrigny reo didiny atsika. 4 Lehy mivaolagna: "Mahay Zagnahary zaho," fao tsy mitandrigny reo didiny, dia mpavandy, ave ny marigny tsy ao aminazy. 5 Fao na zôvy na zôvy mitandregny koragnanazy, marigny tatô be, dia ao amin'ny zany ôlogno zany no nagnatantirahagna ny fitiavan-Jagnahary. Amin'ny zany no ahaizantsika fao ao Amizay atsika. 6 Lehy araiky zay mivaolagna fao midôko ao amin-Jagnahary dia tôkony andaiha faogna koa izy karaha ny andihanan'i Jesôsy Kristy. 7 Ry tiagna, tsy manaoratra didy vava aminare zaho, fao didy talaoha zay afa nanagnanare rango voalaohany. Ny didy talaoha dia ny vaolagna zay regninare. 8 Fao manaoratra didy vava ho nihinare zaho, zay marigny ao amin'i Kristy ndraiky ao aminare, satria ny hizigny dia mandalo, fao ny fahazavagna marigny dia afa mangilatra. 9 Lehy araiky zay mivaolagna fao amin'ny mazava izy ave malaigny rahalahiny dia ao agnaty hizigny zizisky aminjeke. 10 Lehy araiky zay mitia rahalahiny dia midôko ao amin'ny mazava ave tsy hoisy fotoagna hagnafintohinagna azy. 11 Fao lehy araiky zay malaigny rahalahiny ao amin'ny hizigny dia mandaiha ao amin'ny hizigny; izy dia tsy mahay zay andihanany, satria ny hizigny dia afa naha gila masony. 12 Manaoratra aminare zaho, ry zanaka tiagna, satria reo fahotagnanare dia navotsotro nohon'ny agnarany. 13 Manaoratra aminare zaho, ry iada, satria hainare lehy araiky avy amin'ny voalaohany. Manaoratra aminare zaho, ry zatovo, satria nirisenare lehy ratsy. Afa nanaoratra aminare zaho, ry zaza madiniky, satria are dia mahay ny Iada. 14 Afa nanaoratra aminare zaho, ry iada, satria, hainare lehy avy amin'ny voalaohany. Afa nanaoratra aminare zaho, ry zatovo, satria mafy are, ary ny koragnan-Jagnahary dia midôko ao aminare, ave are afa nandresy lehy ratsy. 15 Aza mitia na izao tontolo zao na reo raha aminazy. Raha misy mitia zao tontolo zao, dia tsy ao aminazy ny fitiavan'ny Iada. 16 Fao ny raha jiaby zay ao amin'ny zao tontolo zao—dia ny filan'ny nôfo, ny filan'ny maso, ave ny fiebohebon'ny fiainagna—zay tsy avy amin'ny Iada fao avy amin'ny zao tontolo zao. 17 Zao tontolo zao ndraiky fagniriany dia mandalo. Fao na zôvy na zôvy magnano sitrapôn-Jagnahary dia hidôko bariko dintany. 18 Zaza madiniky, tô no fotoagna farany. Karaha afa regninare fao hoavy ny antiKristy, avaizo maro reo antiKristy zay afa tonga. Amin'ny zany no ahaizantsika fao tô no fotoagna farany. 19 Niala tamintsika zare, kanaifa tsy avy amintsika. Fao raha tamintsika zare dia nidôko niaraka tamintsika. Fao koafa niala zare, dia nagnaboaka fao tsy tamintsika. 20 Fao managna fagnosaoragna avy amin'ny lehy Araiky Masigny are, ave hainare jiaby ny marigny. [Fagnamarihagna: misy dikanteny hafa sasany vava zay mivaky magnanjao: ''managna ny fahaizagna jiaby are." Ny dikanteny sasany talaoha dia mivaky magnanjao: "ary hainare raha jiaby."] 21 Tsy nanaoratra aminare zaho satria are dia tsy mahay ny marigny, fao satria are dia tsy mahay ny marigny, fao satria hainare zany avake tsisy vandy avy amin'ny marigny. 22 Zôvy no mpavandy fao tsy lehy araiky zay tsy magneky fao Jesôsy no Kristy? Zay ôlogno zay dia lehy antiKristy, koafa tsy magneky ny Iada ndraiky ny Zanaka izy. 23 Tsisy ôlogno zay tsy magneky Zanaka kay hanagna ny Iada. Na zôvy na zôvy magneky Zanaka faogna koa dia managna Iada. 24 Fao are, aoka zay regninare rango tamin'ny voalaohany hidôko ao aminare. Raha zay reginare rango tamin'ny nanombaohagna no midôko ao aminare, dia hidôko ao amin'ny Zanaka ndraiky ao amin'ny Iada faogna koa are. 25 Zany no fampanantenagna namiany atsika: dia ny fiainagna bariko dintany. 26 Afa nanaoratra zany raha zany aminare zaho mahakasiky reo zay hinday are amin'ny lalan-diso. 27 Fao are, lehy higiaka zay niraisinare avy taminazy dia hidôko ao aminare, ary are tsy mila ôlogno mampianatra are. Fao karaha zay nampianarin'ny fagnosaoragna are ny raha jiaby dia marigny ave tsy vandy, ary mitôvy zay afa nampianarigny zany are, dia midôko ao Aminazy. 28 Avaizo, ry zanaka tiagna, midôha ao aminazy, mbô koafa miboaka Izy, dia hanagna fahasakiagna atsika ave tsy ho maingatra eo agnatraihany amin'ny fiaviany. 29 Raha hainare fao izy no marigny hainare fao zay jiaby magnano raha manjary dia tairaka taminazy.