Toko Faha 6

1 Kofa misy araiky aminareo managna ady amin'ny araiky hafa, mahasaky handaiha akagny amin'ny fitsaragna eo agnatraihan'ny mpitsara tsy mpino moa izy, fao tsy akeo agnatraihan'ny mpino? 2 Moa tsy hainareo moa fao reo mpino no hitsara izao tontolo zao? Raha zany, areo no hitsara izao tontolo zao, moa tsy mahavita mandamigny raharaha madiniky moa areo? 3 Moa tsy hainareo moa fa hitsara reo anjely atsika? Hotra ny ino, noho zany, ny fihoaran'ny fahafahantsika mitsara reo raharaha amin'ny tô fiainagna tô? 4 Raha aohatra kay afaka mitsara raha zay miboaka amin'ny andavan'androm-piainagna anao, nagnino anao no mamaitraka karazagna tranga hotra zany akeo agnatraihan'ny reo zay tsinotsinona akao amin'ny fiangonagna? 5 Hahamaingatra areo no hivolagnako zany. Moa tsy mbô misy ampy fahindriagna na dia araiky aby eo aminareo handamigny ny adiady eo amin'ny mpirahalahy? 6 Fao naifa, misy mino araiky mandaiha mifagnatriky amin'ny mpino hafa eo amin'ny fitsaragna, avakeo zany raharaha zany dia hapaitraka akeo agnatraihan'ny mpitsara zay tsy mino! 7 Ny fisian'ny ady akeo aminareo Kristiana jiaby dia afa faharesiagna aminareo faogna. Fao tsy aleo moa mijaly amin'ny fahadisoagna? Fao tsy aleo moa ambaila ho voafitaka ny haigninareo? 8 Fao areo dia nandiso ndraiky navandy reo hafa, avakeo dia rahalahinareo faogna zareo! 9 Moa tsy hainareo fao ny tsy marigny dia tsy handaova ny fanjakan-Jagnahary? Aza mino vandy. Ireo vaitavaita, reo mpanompo sampy, reo mpijangajanga, reo lalahy mpivaro-taigna, reo zay miaraka mandry amin'ny samy lalahy, 10 reo mpangalatra, reo tsy mahay onogno, reo mpimamo, reo mpagnaratsy, reo mpagnano an-keriny—tsisy araiky aminjareo handaova ny fanjakan-Jagnahary. 11 Hotra zany ny sasany aminareo. Fao afa voadio areo, nihamasinigny areo, aveo voamarigny teo amin-Jagnahary areo tamin'ny agnaran'i Tompo Jesôsy Kristy ndraiky tamin'ny Fagnahin-Jagnaharintsika. 12 "Ny raha jiaby dia ara-dalagna aminaha," fao tsy ny raha jiaby no mahatsara. "Ny raha jiaby ara-dalagna aminaha," fao tsy ho andevozin'ny araiky amin'ny reo zaho. 13 "Ny hanigny dia nihin'ny kibo, aveo ny kibo natao ho nihin'ny hanigny," fao Zagnahary dia hagnafoagna zareo roa reo. Ny vatagna dia tsy natao ho nihin'ny fijangajangagna. Fao ndraiky, ny vatagna dia natao ho nihin'ny Tompo, ary ny Tompo dia hagnamia nihin'ny vatagna. 14 Zagnahary dia afa nanangagna ny Tompo salakady hanangagna atsika amin'ny ngôvony koa. 15 Moa tsy hainareo moa fao ny haigninareo dia ratsam-batagnan'i Kristy kay ho ndesiky moa zany reo ratsam-batagnan'i Kristy aveo hampikambagna zareo amin'ny mpivaro-taigna? Tsy hisy anie zany! 16 Moa Tsy hainareo moa fao zay mikambagna amin'ny mpivaro-taigna dia manjary nôfo araiky aminazy? Hotra ny nambaran'ny Saoratra Masigny magnanjao: "Ho nôfo araiky faogna zareo roa." 17 Fao izy zay mikambagna amin'ny Tompo dia manjary araiky aminazy. 18 Ialao ny fijangajangagna! Ny fahotagna jiaby hafa zay tsabon'ny ôlogno dia ambailan'ny haigny, fao ny ôlogno mijangajanga dia manota amin'ny haigniny faogna. 19 Moa tsy hainareo fao ny haigninareo dia tempolin'ny Fagnahy Masigny, zay mibidôko akao agnatinareo, zay azonareo avy amin-Jagnahary? Moa tsy hainareo moa fa tsy nihinareo ny haigninareo? 20 Fao ôlom-boavidy areo. Noho zany dia mankalazao Zagnahary amin'ny haigninareo. [Fagnamarihagna: Reo dika-teny talaoha sasany dia mivaky magnanjao: "Noho zany mankalazao Zagnahary amin'ny haigninareo ndraiky amin'ny fagnahinareo, zay nihin-Jagnahary." Fao ny dika-teny taigna tsara dia tsy mivaky karaha io.]