Toko Faha 7

1 Ary mahakasiky reo olagna zay nisoroatanareo mbomban'ny zao: "Tsara amin'ny lalahy ny tsy mikasiky vaiavy." 2 Naifa noho ireo fakam-pagnahy amin'ny fahavaitavaitagna maro isankarazany, dia tôkony hanagna ny vadiny manaokagna aby ny lalahy tsiaraikiaraiky, aveo ny vaiavy tsiaraikiaraiky dia tôkony hanagna vadiny manaokagna aby. 3 Ny lalahy dia tôkony hagnamia reo zo ara-panambadiagna ho nihin'ny vadiny, aveo hotra zany koa ny vaiavy ho nihin'ny vadiny. 4 Tsy ny vaiavy no managna fahefagna amin'ny haignigny manaokagna, fao ny vadiny. Hotra zany koa, tsy ny lalahy no managna fahefagna amin'ny haigniny manaokagna, fao ny vadiny no managna. 5 Aza mifanakatsakagna areo tsiaraikiaraiky, afa-tsy amin'ny fifagnarahagna nifanaovagna aveo amin'ny fotoagna voataokagna. Atôvy zany mbô hafahanareo manaokan-taigna amin'ny vavaka. Aveo dia tôkony hiaraka mandry ndraiky areo, mbô tsy hafahan'ny satana mangala fagnahy areo nohon'ny tsy fanagnanareo fifihaizan-taigna. 6 Kanaifa zaho dia mivaolagna reo raha reo aminareo am-pahalalagna fao tsy didy aby. 7 Iriky ny ôlogno jiaby ho hotra zaho. Fao ny tsiaraikiaraiky dia samy managna ny fagnomaizam-pahasoavany manaokagna avy amin-Jagnahary. Ny araiky managna tô karazam-pagnomaizam-pahasoavagna tô, aveo ny araiky hafa managna karazany hafa koa. 8 Hoan'ny reo zay tsy manambady ndraiky reo mpitondra taigna dia mivaolagna zaho fao tsara aminjareo raha mijanogno tsy manambady zareo, hotra zaho. 9 Kanaifa zareo raha tsy afaka mamehy haigny, dia tôkony hanambady. Satria tegna tsara aminjareo ny manambady hotra zay ampirihaitan'ny filagna ara-nôfo. 10 Avakeo hoa'ny reo zay manambady dia magnamia zao didy zao zaho—tsy zaho, fao ny Tompo—ny vaiavy dia tsy tôkony hisaraka amin'ny vadiny, 11 (Fao raha aohatra izy kay misaraka amin'ny vadiny, dia tôkony hijanogno tsy hanambady na koa mimpôdy mihavagna amin'ny vadiny) —aveo ny lalahy dia tsy tôkony hisaraka amin'ny vadiny. 12 Fao amin'ny sasany dia mivaolagna—zaho, fao tsy ny Tompo—hoe raha misy rahalahy araiky managna vady tsy mpino, avakeo raha maharavo azy ny miara-miaigny aminazy, dia tsy tôkony hisaraka amin'ny vadiny izy. 13 Raha ny vaiavy araiky no managna vady tsy mpino, aveo raha maharavo azy ny miara-miaigny aminazy, dia tsy tôkony hisaraka amin'ny vadiny izy. 14 Satria ny lalahy tsy mpino dia nataokagna noho ny amin'ny vadiny, avakeo vaiavy tsy mpino dia nataokagna nohon'ny amin'ny rahalahy. Fao raha tsy zany dia ho maloto ny zanaka zareo, naifa raha ny marigny dia afa voataokagna zareo. 15 Fao raha ny vady tsy Kristiana no miala, ambailao izy andaiha. Amin'ny karazan-draha hotra zany, ny rahalahiny na rahavavy dia tsy voafehin-jareo voadin-jareo. Zagnahary dia nagnantso atsika mbô hiaigny am-piadanagna. 16 Fao amin'ny fomba manankôry no ahaizanao, vaiavy, raha ho voavonjinao ny vadinao, lalahy, raha voavonjinao ny vadinao? Na amin'ny fomba manankôry no ahaizanao, lalahy, raha voavonjinao ny vadinao? 17 Fao ambilao faogna ny tsiaraikiaraiky aby hiaigny ny fiainagna zay afa nanindrian'ny Tompo azy, aveo araka ny afa nagnantsaovan-Jagnahary azy. Io no fitsipiky ao amin'ny fiangonagna jiaby. 18 Afa voafora moa ny ôlogno araiky koafa nantsôvigny mbô hino? Izy dia tsy tôkony hiaizaka ny hiboaboaka hotra ny tsy voafora. Tsy voafora moa araiky koafa nantsôvigny ho amin'ny finoagna? Tsy tôkony ho foraigny izy. 19 Satria tsy ny famoragna na ny tsy famoragna no ilaigny. Ny ilaigny dia ny fagnikaihagna reo didin-Jagnahary. 20 Ny tsiaraikiaraiky aby dia tôkony hijanogno amin'ny fagnantsaovagna zay nisy azy koafa nantsôvin-Jagnahary mbô hagneky izy. 21 Andevo moa anao taminy Zagnahary nagnantso anao? Aza misalasala ny amin'ny zany. Fao raha mety ho afaka anao, dia ararôty zany. 22 Satria ny ôlogno araiky zay nantsôvin'ny Tompo ho andevo dia ôlogno afaky ny Tompo. Mitôvy zany koa ny ôlogno zay afaka tamin'ny izy nantsôvigny mbô hino dia andevon'i Kristy. 23 Areo dia voavidy, noho zany dia aza tonga hotra reo andevon'ôlogno. 24 Ô rahalahy, na ino na ino fiainagna nisy atsika tsiaraikiaraiky tamin'ny atsika nantsôvigny mbô hino, dia aoka atsika hijanogno hotra zany. 25 Ary momba zareo zay tsary nanambady, zaho dia tsy managna didy avy agny amin'ny Tompo. Kanaifa zaho dia magnamia ny hevitry naha hotra ny araiky zay, amin'ny alalan'ny famindram-pôn'ny Tompo, dia mendri-patokisagna. 26 Noho zany, mieritreritry zaho fao nohon'ny loza zay hoavy, dia tsara ho amin'ny lalahy ny mijanogno amin'ny maha izy azy. 27 Voafehy amin'ny vaiavy moa areo? Aza mitady ny hoafaka aminazy. Afaka amin'ny vadinao moa anao? Aza mitady vady. Naifa raha manambady areo, dia tsy nanota. 28 Raha ny vaiavy tsy manambady no manambady, dia tsy nanota izy. Naifa reo zay manambady dia hanagna karazan'ôlagna maro raha mbôla velogno, aveo zaho dia tihangala areo amin'ny zany. 29 Fao zao no volagniky, rahalahy: Fohy ny fotoagna. Manomboko zao, aleo reo zay afa manam-bady hiaigny hotra ny tsy managna. 30 Reo zay mitomoagny dia tôkony hagnano hotra ny tsy mitomoagny, reo zay ravoravo hotra ny tsy ravoravo, avakeo reo zay mividy hotra ny tsy managna na ino na ino; 31 aveo reo zay mampiasa zao tontolo zao dia tsy tôkony hagnano hotra ny mampiasa zany tantairaka. Satria izao tontolo zao amin'ny bikany amizeo dia ho tonga amin'ny fiafaragna. 32 Tiako areo hoafaka amin'ny reo fisalasalagna. Ny lalahy tsy manambady dia misalasala ny amin'ny reo raha ny Tompo, ny amin'ny fomba hampiravoagna Azy. 33 Fao ny lalahy manambady dia misalasala ny amin'ny rahan'ny zao tontolo zao, ny amin'ny fomba hampiravoravoagna ny vadiny— 34 mizarazara izy. Ny vaiavy tsy manambady na virijiny dia misalasala ny amin'ny raha ny Tompo, ny amin'ny fomba hanokanagna amin'ny haigny ndraiky ny fagnahy. Fao ny vaiavy manambady dia misalasala ny amin'ny rahan'ny zao tontolo zao, ny amin'ny fomba hampifaliagna ny vadiny. 35 Volagniky zany ho tombotsoanareo manaokagna, fao tsy hamaitraka zay jiaby sakantsakagna eo aminareo. Mivaolagna zany zaho noho zay marigny, amin'ny zay areo mbô hanolo-taigna ho amin'ny Tompo tsisy fagningilaignagna. 36 Naifa raha misy ôlogno araiky mihevitry fao tsy mitondra ny fofom-bady am-pagnajagna—raha mihoatra ny tagnan'ny fanambadiagna lehy vaiavy avakeo tsy maitsy hotra zany—dia tôkony hagnano zay tiany izy. Tsy manota izy. Tôkony hivady zareo. 37 Naifa raha nikasa tsara tao am-pôny izy, raha aohatra ka tsy ambany faniritiriagna fao afaka mifehy ny sitrapôny manaokagna, aveo raha nanapakevitry tam-pôny izy ny hagnano zany, mbô hitanagna ny fofombadiny ho virijiny, dia tsara ny atany. 38 Koa zay manambady ny fofombadiny dia magnano tsara, aveo zay misafidy ny tsy hanambady dia hagnano ny tsaratsara koa. 39 Ny vaiavy dia voafehin'ny vadiny raha mbôla velogno ralehilahy. Fao raha maty ny vadiny, dia malalaka tsara izy ny hanambady zay tiany ho vadigny, naifa ao amin'ny Tompo faogna. 40 Naifa amin'ny fitsarako dia tôkony ho taigna ravo izy raha miaigny amizeo faogna. Ary heveriky fao zaho faogna koa dia managna ny Fagnahin-Jagnahary.