Toko faha 3

1 Loza ho an'gny tana feno lio! Feno vandy vo fanagna hakasy aby zay; ao aminazy mandrakariva reo babo. 2 Fa amizao dra misy feon'gny karavasy vo gny feon'gny firodorodon'ireo kodiara, fikatrokatrok'ireo sovaly, vo gny firaondraon'ireo kalesy. 3 MIsy fanafihan'ireo pitikisy sovaly, selasy gny mesa, famirapirasy gny lefo, korotam-paty, faty mitandahasy. Sy misy fiafarany reo faty; voafinga eo ambon'ereo gny panafiky anazy. 4 Mitranga zay noho gny filan'gny zanga soa tarehy, gny matihany amin'gny sikily, ze mivarosy firene amin'gny alalan'gny fivarotam-batany, vo gny vahoaky amin'gny alalan'gny fanaovaby sikily. 5 " Ingo, halemy aniha Zaho--- zay gny fagnambaran'i Yaveh Tompon'gny maro--- hapienga gny lambaniha eo amin'gny tarehiniha Zaho dra hapiseho reo farisy mamoafadiniha amin'ireo firene, gny hegnasiniha amin'ireo fanzaka. 6 Hanoraky fahalotoa mapadikidiky aminiha Zaho sady hanao aniha ho rasy; hahiko ho olo fagnetihetin'gny olon'aby hanao. 7 Vo gny olon'eby ze magnety aniha dra hilefa aniha sady hizaka ho: " Rava i Ninive; ia gny mbo hitomagny anazy?" eza gny ahitako olo hakahery aniha?" 8 Nao ra Ninive, sa ra hanao soa noho i Teba, ze naory eo amin'gny Renirano Neily, ze nisy rano magnodidy anazy, dra ranomasimbe gny arony, gny ranomasy avo gny fefiny? 9 Etiopia vo Egypta gny tazakiny, dra sy nisy fiafarany gny amin'izay; Pota vo Lybia gny pindray mialy taminazy. 10 Fe nandesy i Teba; lasa agny amin'gny fahababoa izy; voatorotoro tegny an-dohan'gny lala reo zanany tanora; nanoraky filoka ho an'ireo lelahy manam-boninahisy reo fahavalony, dra voafatosy tamin'ireo rozo vy reo lelahiny mahery. 11 Ho avy mamo avo koa hanao; hiezaky hivony hano, sady hitalia felofa amin'ireo fahavaloniha avo koa hanao. 12 Reo ferovaniha fatrasy dra manahaky reo hazon'aviavy mindray amin'gny aviavy masaky alohan'gny fotoa: no ahozongozo ereo, dra hihinsa eo am-bavan'gny pihina. 13 Ingo, gny vahoaky ao aminiha dra apela; reo vavahadin'gny taniniha dra nosokafa midagnadagna ho an'ireo fahavaloniha; nandevo gny hiliny gny afo. 14 Mandehana mangala rano ho amin'gny fahirani; hamafiso reo ferovaniha mafiniha; mandehana amin'gny tanimanga dra hosihoseo gny feta; alao ho an'ireo biriky gny tavy. 15 Handevo aniha agny gny afo, dra handringa aniha gny mesa. Handevo aniha manahaky gny fandevognan'gny valala gny raha aby zay. Ahivo maro an'isa manahaky reo valala vao gny vatandrareo, dra ho maro manahaky reo valala. 16 Napitombo reo pandrantoniha mihoasy gny vasia egny amin'gny lagnisy hanao; fe manahaky gny valala vao izy regny; mandroba gny tany ereo dra boakeo dra lasa mitily. 17 Maro manahaky reo valala gny andriandahiniha, vo gny zeneraliniha dra manahaky gny andian'ereo ze mitoby ao amin'ireo fefy amin'gny andro manara. Fa nofa miposaky gny masoandro dra mitiky agny amin'gny toera sy fatan'olo reo. 18 Ry Pazakan'i Asyria, resin-tory reo piaraky agnondriniha; mandry amin'gny fizanognany reo panapakiniha. Niely egny an-tendrombohisy gny oloniha, dra sy misy ndre ia ndre ia hamory andreo. 19 Sy hisy fagnasitragna hay ahy ho an'ireo ratriniha. Fatrasy loasy reo ratriniha. Ze iaby mahare gny vaovao mahakasiky aniha dra hiteha-pifalia eo aminiha. Ia gny afaky nilefa gny faharasianiha mitandava?