Toko faha 4

1 Dra namaly i Elifaza gny Temanita dra nano ho: 2 " No misy olo magnandra mizaka aminniha, dra sy haharisy se anao? Fe ia gny afaky handrara gny vatany sy hizaka? 3 Ingo, maro reo fa napenariniha; fa napatazaky gny tagna malemy hanao. 4 Nita ze nilavo gny zakaniha; fa nifatrariniha gny malemy pokopoko. 5 Akory zao avy aminiha gny fahoria, dra ketraky hanao; mikasiky aniha zay, dra ory hanao. 6 Moa sy gny fahatahoraniha gny tokiniha, vo gny fahisian'gny lalaniha gny fagnatenaniha? 7 Mbo saigno se zao: ia gny fa ripaky sy nanan-signy? Na ombia gny olo-mary gny nipotehy? 8 Araky ze fa hitako, reo ze mamboly hahoria vo mamafy ola gny mizanza anizay. 9 Amin'gny alalan'gny fofon'ain'Agnahary gny haharipaky andreo; amin'gny fipoahan'gny hahoriany gny hahalevo andreo. 10 Gny fieron'gny liona, gny feon'gny liona masiaky, reo nifin'gny liona tanora---potiky reo. 11 Ripaky gny liona antisy nohon'gny sy fahapian''ireo haza, reo zanaky gny liona vavy dra miparitaky egny iaby egny. 12 Nisy raharaha nandesy mangingiky teto aminahy, dra nahare bisiky manhakasiky anizay gny sofiko. 13 DRa nisy eriserisy aby boaky tamin'gny fahita amin'gny hariva, nofa tafalasaky tamin'gny olo gny torimaso lalaiky. 14 Tagnaty hariva gny nahavian'gny tahosu vo horohoro taminahy, vo nangitakitaky gny tolako aby. 15 Dra nisy fagnahy nandalo teo agnoloan'gny tarehiko, vo nisanga gny volo tamin'gny vatako. 16 Nizano gny fagnahy, fe sy nety vafarisiko gny tarehiny. Tarehy raiky gny teo agnoloan'gny masoko; nisy fangikia, vo nahare feo zaho nanao ho: 17 " Afaky gny ho mary be noho Zagnahary ra gny olo mety maty? Afaky gny ho malio noho gny Mpamoro anazy ra gny olo raiky? 18 Ingo, no sy mametraky fitokisa amin'ireo panopony Zagnahary; no niapanga reo anzaliny nohon'gny fahamola Izy, 19 hatreza gny fahamarignan'ireo ze mitoboky agnaty fasange vita amin'gny tanimanga, zay ao amin'gny botany gny fotosy ioregnany, zay potiky mialohan'gny kalalao? 20 Potehy eo agnelagnelan'gny maraindray vo hariva ero; reoaky mandrakizay sy misy mahasikarisy aby ereo. 21 Sy voongosy tamin'ereo ra gny talin-dain'ereo? Maty ereo; maty sy misy fahendre ereo.