Toko faha 17

1 Levo gny fagnahiko, vo tapisy gny androko; fa vono ho anahy gny lolo. 2 Azo atoky fa misy pandrabiraby eto aminahy; sy mainsy hagnety gny fihansin'ereo lalandava gny masoko. 3 Magnomeza atoky, aoky ho atoky hoa anahy hanao miaraky amin'gny vatanao; ia koa gny eto hagnapy anahy? 4 Fa Hanao, ry Zagnahary, nita gny fon'ereo sy ho amin'gny fahazavan-say; noho zay, sy hanondrosy andreo ho amboniko Hanao. 5 Izy zay miapanga reo namany tamin'gny valisoa; dra ho poaky gny mason'gny zanany. 6 Nefa nahiny ho zakalahibe gny vahoaky zaho; nandroran'ereo gny tarehiny. 7 Poaky nohon'gny alahelo koa gny masoko; gny rasam-batako aby dra mahia manahaky gny aloky. 8 Reo olo mahisy dra ho ankona amin'izay; gny olo sy mana-signy handrisiky gny vatany hanohisy reo olo pagnirasira. 9 Gny lelahy mary dra hifikisy amin'gny lalany; se mana tagna malio dra hitombo hery hatragny hatragny. 10 Nefa ho ndrareo aby, miavia etaho; sy hahita olo hendry eo amindrareo zaho. 11 Fa lasa gny androko; rava reo fikasako, dra manahaky anizay koa gny fagnirian'gny foko. 12 Reo olo reo, reo pagnarasirasy reo, dra mamaliky gny hariva ho andro; marin'gny mezy gny mazava. 13 Akory magnety gny fiegna-sy hita manahaky gny tragnoko zaho; akory napiely gny fandriako tao amin'gny ezy zaho; 14 akory nizaka tamin'gny lavaky zaho ho: ' Rako hanao' vo tamin'gny kanka ho: ' Reniko na anabaviko hanao', 15 dra eza se zay gny fagnatenako? no gny fagnatenako, ia gny hahita anizay? 16 Hizoso miaraky aminahy agny amin'ireo vavahadin'gny fiegna-sy hita se gny fagnatena no fa mizoso agny amin'gny botany sika?"