Toko faha 66

1 Zeho gny zakan'i Yaveh ho: 'Gny lagnisy gny seza fiandrianako, vo gny tany gny fitoeran-tomboko, eza se gny fasange ze haoriniha ho Anahy? Eza gny toera ze ahafahako miala rokaky? 2 Gny tagnako gny nanao reo raha aby reo; zeho gny nahavy regny raha regny hisy_zeho gny fagnambaran'i Yaveh. Zao gny olo ze ekeko, ze torotoro sady manengy am-panahy, vo ze mangitakitaky amin'gny zakako. 3 Ze mamono agnomby dra mamono olo avo koa; ze manao soro gny zanak'egnondry dra manapaky gny vozon'amboa; ze manolosy fagnatisy hoany dra manolosy ran-kisoa; z manolosy ditin-kazo magnisy ho fahasiarova dra misaosy gny faharasia. Nisafily reo lalany ereo, dra nangalaky fahafinareta tamin'ireo fahavetavetany. 4 Manahaky anizeho koa gny hisafidianako gny fatrokafa andreo avo; hoandesiko eo amin'ereo ze hatahorany, akory nofa nitoka Zaho, dra sy nisy ndre raiky aza dra niteno. Nanao ze rasy teo amasoko ereo, sady nisafily gny hanao ze raha napahory Anahy." 5 Mitenoa gny zakan'i Yaveh, hanao ze mangovidy amin'gny zanaky ho: "Reo rahalahiniha ze malay vo magniliky aniha nohon'gny agnarako nizaka ho: 'Aoky homem-boninahisy i Yaveh, dra ahita gny hafalianiha Izy,' fa ho megnasy ereo. 6 Gny feon'aly mitabataba dra boaky agny amin'gny tana, feo baoky ao amin'gny tepoly, gny feon'i Yaveh mamaly reo fahavalony. 7 Tamy bo miesi-zaza izy, dra teraky; mialohan'gny fahararia ho eo aminazy, dra niteraky zazalelahy izy. 8 Ia gny nahare raha manahaky anizeho? Ia gny fa nahita zaha manahaky anizeho? Sa ra ho teraky agnaty andro raiky gny tany? Afaky hiory agnatin'gny fotoa raiky gny firene? Tamy bo sy nihesi-zaza i Ziona, dra fa niteraky reo zanany. 9 Sa ra manday zaza amin'gny fahavonognan'gny fahateraha Zaho dra sy manenga gny zaza ho teraky?_nagnotany Yaveh. Na nanday zaza amin'gny fotoan'gny fiteraha dra hapihery anizeho?_magnotany Zagnahariniha." 10 Mifalia mindray amin'i Jerosalema dra mifalia ho anazy, Handrareo aby ze tia anazy; mifalia mindray aminazy, handrareo aby ze malahelo anazy! 11 Fa hiteza hanao dra ho afapo; hapiegneny eo amin'ireo nonony hanao; fa hino zeho amin'gny hafenoa vo fahafinaretan'gny voninahiny be hanao. 12 Zao gny zakan'i Yaveh: "Handeha hapiely gny fagnambina manera anazy manahaky gny renirano Zaho, vo gny haren'gny firene hanahaky gny loharano mitondraky. Hinono amin'gny ilany hanao, ho eo an-sandriny, dra ho ahindrahindra eo amin'ireo pokopokony. 13 Manahaky gny akaherezan'gny reny gny zanany, noho hakaherezako aniha, vo hakaherezy hanao ao Jerosalema." 14 Hahita anizeho hanao, dra hifaly gny foniha, vo gny tolaniha hisimoky manahaky gny ahi-maiso. Hapahafatarin'i Yaveh reo panopony gny tagnany. Fa hapiseho gny hahoriany hanohisy reo fahavalony Izy. 15 Fa ingo, avy mindray amin'gny afo, vo avy manahaky gny tafio-drivosy reo kalesiny so handay gny hafanan'gny hahoriany vo gny fizakany fatrasy miaraky amin'ireo lelan'afo. 16 Fa hanao gny fisara amin'gny olombelo amin'gny alalan'gny afo vo gny mesany Izy. Ho maro reo ze hovoavonon'i Yaveh. 17 Magnamasy gny vatany sady magnalio gny vatany ereo, dra afaky milisy ao an-saha, magnaraky gny raiky ze eo agnivony mihina nofon-kisoa vo reo raha vetaveta manahaky gny voalavo." Ho avy amin'gny fiafara ereo _zeho gny fagnambaran'i Yaveh." 18 Fa fatako reoasany vo reo eriseriny. Ho avy gny fotoa no fa hamory tro firene vo reo fizaka aby Zaho. Ho avy ereo dra hahita gny voninahisiko. 19 Hametraky famatara mahery eo amin'ereo Zaho. Boakeo dra handefa reo sisa sy maty baky amin'ereo agny amin'ireo firene Zaho: Agny Tarsisy, Pola, vo Lydia, pandefa zana-sipiky ze magnenza reo sipikiny, Amin'i Tobala, Javana, vo reo amoron-siraky alavisy ze sy nanehoan'ereo Anahy na nahitany gny voninahisiko.Hagnambara gny voninahisiko manera gny firene ereo. 20 Hapihey reo rahalahinao aby hiboaku reo firene aby ereo, manahaky gny fagnatisy ho an'i Yaveh. Ho avy amin'gny sovaly, vo agnatin'ireo kalesy, agnatin'ireo filanza, ambonin'ireo apondra, vo ambonin'ireo rameva, ho agny amin'i Jerosalema tendrombohisiko masy_ho Yaveh. Fa gny vahoakin'i Israely dra handay fagnatisy vary agnaty lasety malio ho ao am-pasangen'i Yaveh. 21 Ndre gny ilany amin'ereo aza dra hofiliko ho pisoro vo Levita _ho Yaveh. 22 Fa manahaky reo lagnisy vaovao vo tany vaovao ze hahiko dra hitoby eo agnatrehako_zeho gny fagnambaran'i Yaveh_dra hitoby eo reo taranakiniha, vo hitoby eo gny agnaraniha. 23 Fa amin'gny vola raiky ka hatramin'gny magnarany, dra gny Sabata raiky ka hatramin'gny magnaraky, ho avy hiankoho Aminahy reo olo aby_ho Yaveh. 24 Hiboaky ereo dra hahita reo fatin'olo ze nikomy hanohisy Anahy, fa gny kankana ze mihina andreo dra dy ho faty, vo gny afo ze handevy andreo dra sy ho voavono; dra ho dikidiky ho an'gny nofo aby zeho."