Toko faha 18

1 Loza ho an'gny tanin'gny fibisibisik'gny elasy, ze mindray amin'ireo onin'gny Etopia; 2 zay mandefa masoivoho amin'gny ranomasy, ao agnaty fanaky taratasy papirosy egny amin'gny rano. Mandehana, handrareo ry iraky malaky fandehana, agny amin'gny firene abo vo malama, agny amin'gny olo matahosy lavisy vo mariny, firene matazaky vo magnosihosy, ze nozarain'gny ony gny taniny. 3 Handrareo poninaby eto amin'izao totolo izao vo handrareo ze monina eto atany aby,no fa nienga eo atapon-tezovohisy gny fanaira, magnatia, vo no fa sofy gny asiva, mitenoa. 4 Zao gny zinakan'i Yaveh taminahy: " Handiniky moramora laha tamin'gny tragnoko egny Zaho, manahaky gny fipoakin'gny hafana egny amin'gny masoandro, manahaky gny zavon'gny raho amin'gny hafanan'gny fiziza. 5 Mialohan'gny fiziza,no fa tapisy gny famelany, vo gny vihinkazo dra mamoa ho voaloboky,handrasa reovogniny amin'gny fagnetezam-boaloboky izay, vo ho tapainy vo ho andesiny reo rasa voaely. 6 Hanga ho an'gny voron'gny tezovohisy vo reo biby egny ambon'gny tany koa ereo. Handany gny fahavarasy amin'ereo gny voro,vo reo biby managn'ay any dra handany gny ririny amin'ereo." 7 Amin'zeho fotoa zeho dra hisy fagnomezam-boninahisy an'i Yaveh Tompon'gny maro boak'amin'ereo vahoaky abo saby malama, boak'amin'ereo vahoaky natahosy alavisy vo mariny, firene matazaky vo voahisaky, ereo ze nosarahin'gny ony gny taniny,ao amin'gny toeran'gny agnaran'i Yaveh Tompon'gny maro, hatragny amin'gny tezovohisy Ziona.