Toko faha 4

1 Tenoy gny Zakan'i Yaveh, handrareo ry vahoakin'Israely. Manao fitoria amin'gny ponin'gny tany i Yaveh, akory sy misy fahamarigna na faneke mahatoky ao, sy misy fahalala an'Agnahary ao amin'gny taa. 2 Misy ozo, vandy, famonoa, halasy vo fizangazanga ao. Nipotehin'gny vahoaky gny fatosy aby, vo gny miapy magnaraky gny fandasahan-dio. 3 Dra mihamaiky gny tany, sady ketrky ze iaby mitoboky amin'izeho; reo bibi-dia agny an-saha vo gny voro egny amin'gny lagnisy, na gny fia agny agnaty ranomasy aza, dra ala. 4 Fa ka manenga ndre ia ndre ia hanao fitoria; ka manenga ndre ia ndre ia hiapanga gny hafa. Fa handrareo zeho, ry pisoro, ze apangaiko. 5 Ho tafitohy handrareo pisoro mandrisy gny andro; ho tafitohy mindray amindrareo avo koa reo paminany amin'gny hariva, dra ho potehiko gny renindrareo. 6 Ripaky gny oloko nohon'gny sy fahapian'gny fahalala. Akory fa nanda gny fahalala handrareo pisoro, Zaho avo koa dra handa andrareo amin'gny maha pisoro ho Anahy.Akory nihalignondrareo gny lalagnako, ndre dra Zagnahari ndrareo aza Zaho, dra hagnaligno reo zanandrareo avo koa Zaho. 7 Arakaraky gny hitomboan'gny pisoro, gny hanotan'ereo Aminahy. Natakalon'ereo hegnasy gny voninahis'ereo. 8 Mihina gny fahotan'gny vahoakiko ereo; mangetahetan'gny faharasiany bebe koko ereo. 9 Hitovy avo ho an'gny vahoaky vo ho an'ireo pisoro: hagnafay anazy aby nohon'gny fahiny Zaho; hamaly andreo noho gny asany Zaho. 10 Hihina ereo fa sy ho visy: hagnatateraky fizangazang ereo fa sy hitombo, akory nagnalavisy an'i Yaveh ereo. 11 a fizangazanga mamoa-fady, divay, vo divay vaovao ereo, ze nangalaky gny fahzavan-sain'ereo. 12 Magnotany reo sapiny hazo gny oloko, vo gny tapa-kazon'ereo nagnome faminania ho andreo. Fa namitaky andreo gny fagnahin'gny fizangazanga, dra nanday vata manahaky gny pizangazanga ereo no tokony nahatoky gny Zagnaharin'ereo. 13 Manao soro egny an-tapon-tendrombohisy ereo sady magnoro ditin-kazo magnisy egny amin'ireo havoa, ambanin'gny hazo oka, popola vo terebinta, akory soa gny alokaloky.Dra fahavetaveta ara-nofo reo zanandrareo apelandrareo, vo reo vinato vavindrareo mizangazanga. 14 Sy hagnafay reo zanandrarei apela Zaho nofa misafidy gny hanao fahavetaveta ara-nofo ereo, nagny vinato vavindrareo nofa mizangazanga ereo. Fa reo lelahy avo koa dra manolosy gny vatany ho an'ireo pizangazanga, dra manolosy soro ereo dra afaky manao asa maloto mindray amin'ireo pivaro-bata masy. Dra ho atoraky agny tiky vahoaky ze sy mahay tiky. 15 Fa hanao, ry Israely, ndre dra nanao fizangazanga aza, dra lonoky ra Joda sy hazary meloky. Ka mandeha agny Gilgala, hanao ry vahoaky; ka mandeha miakasy agny Betavena, sady ka mifata, manao ho: " No bo velo koa Yaveh." 16 Fa Israely dra nanday vata tamin'gny hery loha, manahaky gny agnombivavy mafy loha. Akory gny handesan'i Yaveh andreo egny amin'gny fihinanam-bilo manahaky gny zanak'agnondry agny amin'gny tanin'ahisy. 17 Napiray gny vatany tamin'ireo sapy i Efraima; engao ho raiky izy. 18 Ndre dra lany aza gny raha finomy maherin'ereo, dra manohy gny fizangazanga ereo; makafy fatrasy gny hegnas'ereo gny panapany. 19 Handrakosy andreo amin'gny elasiny gny sioky; dra ho megnasy ereo noho gny amin'gny soron'ereo.