Toko faha 3

1 Yaveh nizaka taminahy ho: "Mandehana ndraiky, mitiava apela raiky, ze nitiavin'gny valiny, fe pizangazanga. Tiavo manahaky gny itiavako, Yaveh, gny vahoakin'Israely izy, ndre dra mivaliky ho amin'gny zagnaharin-kafa vo mankafy mofo vita amin'gny voloboky aza ereo." 2 Dra niviko sekely volafosy dimy amy folo ho Anay vo vary horsea homera raiky sy tapany izy. 3 Ho Zaho taminazy ho: "Sy mainsy miaraky mipetraky Aminahy mandrisy gny andro maro hanao.Sy ho pizangazanga hanao na ho an'gny lelahy hafa. Manahaky anizeho avo, gny hiarahako aminiha." 4 Fa reo olon'Israely dra hiay andro maro sy misy pazaka, andrian-dahy, soro, andry vato, efoda na sapi-kazo. 5 Vo bokeo gny olon'Israely dra hihery sady hitalia an'i YAveh Zagnaharin'ereo vo Davida pazakan'ereo, vo amin'ireo andro farany, dra ho avy amin-kovisy eo agnatrehan'i Yaveh vo gny hasoany ereo.