Toko 1

1 Tany am-boaloany ,zagnahary nahary gny lagnitsy sy gny tany. 2 tsy nisy posiny dra rava gny tany. Nanafotsy gny rano laliky gny fahamezigna.Dra niriorio teo agnabony rano gny fanahiny zagnahary 3 Ho zagnahary ho: ''Aoka hisy mazava,'' dra nisy gny mazava. 4 Hitan'agnahary gny fahazava, vo hitany fa soa izaho. Nampisaraky gny fahazava tamigny mezy izy. 5 Zagnahary nitoka gny mazava ho: ''andro,'' vo nitoka gny mezy ho: ''hariva.'' Dra nisy hariva vo maray izany, gny andro voalohany. 6 Hoy Zagnahary ho: ''Aoka hisy habakabaka eo agnelagnelan'ny rano, dra aoka izay hagnasaraky gny rano amigny rano.'' 7 Zagnahary nanao gny habakabaka vo nagnasaraky gny rano izay tao ambanin'ilay habakabaka tamin'ny rano izay teo amgnabon'ilay habakabaka. Dra nisy izay. 8 Dra habakabaky. Dra nisy hariva vo maraina izay, gny andro faharo. 9 Hoy Zagnahary ho: '' Aoka gny rano ambanin'ny lagnisy hiangona amigny toerana raiky, dra aoka hiseho gny tany maina.'' Dra natao izay. 10 Nitokavin'i Zagnahary ho: ''Tany'' gny tany maina, dra gny rano miangona nataony ho: '' ranomasina.'' Hitany fa soa izay. 11 Hoy Zagnahary ho: ''Aoka gny tany hisimoky zava- meso: Zava-maniry mamoa voa dra hazo hamokasy vokasy izay misy gny voa ao amigny, araky gny karazany avy.'' Dra nisy izay. 12 Namokasy zava-meso gny tany, gny zava-maniry mamoa voa araky gny karazany avy, dra gny hazo mamokasy voakazo izay ao amigny vihiny, araky gny karazany avy. Dra hitan'i Zagnahary fa soa izay. 13 Dra nisy hariva vo maraina izay, gny andro fahatelo. 14 Hoy Zagnahary ho: ''Aoka hisy gny mazava eo amigny lagnisy ba hagnasaraky gny andro amigny hariva dra aoka ireo ho tiy gny famatarana, ho an'ny vani-potoana, vo ho an'ireo andro dra ireo taona. 15 Aoka ireo ho mazava eo amigny lagnisy ba hagnome hazavana agny amigny tany.'' Dra nisy izay. 16 Zagnahary nanao reo hazava ro lahibe, gny hazava lalibe kokoa mbo hagnamariky gny andro, dra gny hazava masaiky kokoa mba hagnamariky gny hariva. Nanao gny kita avo koa Izy. 17 Nandefa zay regny amign'ny lagnisy Zagnahary mba hagnome hazava gny tany, 18 mba hanapaky gny andro vo gny hariva, dra mba hagnasaraky gny hazava amy mezy. 19 Dra nisy hariva vo gny maray , gny andro faha-efasy. 20 Ho Zagnahary ho:'' Ao ho feno raha-managn'ay maro an'isa gny rano, dra ao gny voro hitily agnabonin'ny tany egny amign'ny lagnisy. '' 21 Zagnahary namoro reo bibin-dranomasy selasela, dra reo kara-draha managn'ay aby, reo raha-managn'ay mihesiky vo ze mameno gny rano egny aby , dra reo karaza voro-managn'ay aby. hitan'Agnahary fa soa zay. 22 Niso-drano anazy reo Zagnahary, nanao ho:''Miteraha maro dra mihamaroa, ka mamenoa gny rano ao amign'ny ranomasy. Ao hihamaro egny agnabony tany reo voro.'' 23 Dra nisy hariva vo maraindray zay, gny andro fahadimy. 24 Ho Zagnahary ho: ''Ao gny tany hamokasy raha-manan'ay, araky gny karazany aby, reo biby fiteza, raah-mandaly, vo bibi-diagn'ny tany, araky gny zarazany aby.'' Dra nisy zay, 25 Nataon'Agnahary araky gny karazany aby reo bibi-diagn'ny tany,reo biby teza araky gny karazany aby, dra reo raha aby zay mikisaky amign'ny tany araky gny karazany avy. Hitany fa soa zay. 26 Ho Zagnahary ho; '' Andeha isika hamoro olo amign'ny endrisika tahaky asika. Ao izy reo hazaka eo amin'ereo hazan-dranomasy, eo amin'ereo voro gny lagnisy, eo amin'ereo biby teza, manera gny tany aby, dra eo amin'ereo raha mikisaky zay mandaly egny agnabogn'ny tany.'' 27 Zagnahary namoro gny olo araky gny endriny. tamign'ny endriny manoka gny namoroanany anazy. Lahy vo ampela gny namorognany anazy reo. 28 Niso-drano anazy reo Zagnahry ka nizaka taminazy reo ho: '' Miteraha maro, dra mihamaroa. Mamenoa gny tany, dra hazakao zay. Mana fazaka eo amin'ereo hazan-dranomasy, eo amin'ereo vorogn'ny lagnisy, dra eo amin'ereo raha-manan'ay aby zay mihesiky egny agnabogn'ny tany.'' 29 Ho Zagnahary ho:'' Indro, fa nomeko andrareo gny raha-meso aby mamoa tegnany zay eto agnabognin'ny tany aby,dra gny hazo aby zay mamokasy voa ao aminazy. Ho fiinanandrareo reo. 30 Ho agn'ny bibi-diagn'ny tany, ho an'ereo vorogn'ny lagnisy , vo ho an'ereo raha aby ze mikisaky amy tany dra ho an'ereo raha-manan'ay zay mana fofon'ay eto an-tany gny nagnomezako gny raha-meso aby ho fihina.'' Dra nisy zay. 31 Hitan'Agnahary reo raha-aby zay nataony. Indro, tena soa zay. Dra nisy hariva vo maray zay, gny andro faha-enina.