Toko faha 6

1 Misy rasy zay fa hitako teo ambany masoandro, dra mafy ho an'gny olo zay. 2 Mety hagnome fanagna, harena. vo voninahisy amin'gny olo raiky Zagnahary mbo sy ho ory ndre ino ndre ino amin'izay iriny ho an'gny vatany izy, fe Zagnahary sy hagnome fahefa anazy mbo hakafiza anizay. Fa kosa, misy olon-kafa mapiasa reo rahany. Raha fahatany zay, fapahoria rasy. 3 No misy lelahy mana zanaky an-zatony vo miay tao maro, mbo ho maro gny andron'ireo taony, fa no sy afa-po amin'gny soa gny fony vo sy alevy am-boninahisy izy, dra ho zaho ho gny zaza maty teo am-pahateraha dra soa loasy noho izy. 4 Ndre dra teraky amin'gny raha fahatany aza gny zaza manahaky anizay vo maty ao amin'gny ezy, ndra mitoesy ho fagnavonia gny agnarany. 5 Ndre dra mahita gny masoandro aza iho zaza iho ndre sy mahafatasy ndre ino ndre ino, dra mana fisahara mihoasy noho zay lelahy zay izy. 6 Ndre dra tokony kiay ro arivo tao aza gny olo nefa sy mianasy makafy reo raha soa, dra mandeha agny amin'gny toera mitovy gny olo hafa aby izy. 7 GNy asan'gny olo dra amin'gny vavany, nefa sy mbo afa-po amin'gny homany. 8 Eka vatany, ino gny tombon-soa anagnan'gny olon-kendry amin'gny mola? Inona gny tombon-soa anagnan'gny mahatra dra mahafatasy fomba fihesiky magnoloa gny olo hafa aza izy ? 9 Soa loasy gny afa-po amin'ize hitan'gny maso noho gny magniry ze taliavin'gny homana mandehandeha, zay ento vo andra hanohera sioky avo koa. 10 Ze iaby nisy dra fa nome gny agnarany, vo fa fatasy ho manahaky gny ino gny olombelo. Noho zay dra nazary sy misy dikany gny miafamaly amin'ize pisara maherin'gny iaby. 11 Arakaraky gny hamaro gny zaka voazaka, gny hitomboan'gny raha fahatany, koa ino gny tombon-soan'izay amin'gny olo? 12 FA ia gny mahafatasy ze soa hoa an'gny olo eo amin'gny fiaianany mandalo,andro voaisa ze hiaignany manahaky gny aloky? Ia gny afaky mizaka amin'gny olo gny amin'ize hoa avy egny ambany masoandro no fa avy mandalo izy?