Toko faha 5

1 Gny fa vita gny asa aby ze nataon'i Solomona ho anigny tragnon'i Yaveh, dra napidirin'i Solomona reo raha ze fa natokan'i Davida, babany, ho ani'izay tazo zay, agnisan'izay gny volafosy, gny volamena, dra reo fanaky aby____napetrany tao amigny amigny fitehiriza tao atragnon'Agnahary reo. 2 DRa napivorin'i Solomona, tagny Jerosalema, reo loholon'Israely, reo pitariky gny foko aby, dra reo pitariky gny fianakavianigny vahoakin'Israely, ba hapiakasy gny fiaranigny fagneken'i Yaveh boak'ao amigny tanan'i Davida, zay i Ziona. 3 Nivory teo anoloanigny pazaka tamigny andro firavoravoa, ze tamigny vola fahafito gny olon'Israely aby. 4 Avy gny loholon'Israely aby, dra napiakasy gny farisy reo Levita. 5 Napekarin'ereo gny fiara, gny tragnolay fihogna, dra gny fanaky masin'aby ze tao an-day. Reo pisoro ze avy tamigny fokon'i Levy gny napiakasy reo raha reo. 6 Nindray avy teo anoloanigny fiara i Solomona pazaka vo gny fengonan'Israely aby, nanao soro agnondry vo agnomby ze sy vita isahy. 7 Reo pisoro dra napiakasy gny fiaranigny fagneken'i Yaveh ho ao amigny fitoerany, tao amigny efisy agnatinigny tragno, tao amigny toera masy faratapony, ambanin'ireo elasy gny kerobima. 8 Akory gny kerobima dra namelasy gny elas'ereo eo amigny fitoeranigny fiara, dra nagnory gny fiara vo reo bao ze hizaka anizay reo. 9 Reo bao dra lava kokoa dra hita boak'ao amigny fitoera masy anoloanigny efisy agnatiny reo fiafarany, saiky sy hita avy agny ivelany zay. Ao mandrak'androany reo. 10 Sy nisy na ino na ino tao amigny fiara afa-sy reo vato pisaky ro ze napetrak'i Mosesy tao tagny Horeba, tamin'i Yaveh nanao fagneke tamigny vahoakin'Israely, gny fa niboaky an'i Egypta ereo. 11 Dra niboaky tao amigny fitoera masy reo pisoro. Reo pisoro avy aby dra nanoka-tegna ho an'i Yaveh, sy nandaha-tegna araky gny fizaran'ereo. 12 Reo Levita ze pihira avo koa, izy aby, agnisan'izay i Asafa, Hemana, Jedotona, dra reo zanadahiny vo rahalahin'ereo, nekazo zamala fosy madiniky dra nitendry kipaso, harpa, vo lokanga, dra nizoro teo amigny farany asignananigny alitara. Nisy pisoro 120 nisioky tropetra niaraky tamin'ereo. 13 Dra napiara-peo reo pisioky tropetra vo reo pihira, nanao feo toka ba ho re ho fidera vo fisora an'i Yaveh. Nanandrasy gny feony tamigny tropetra vo kipaso dra raha magneno hafa ereo, dra nidera an'i Yaveh. Nihira ereo ho: "Fa soa izy, akory maharisy mandrakizay gny sy fivadiha-pagnekeny." Dra gny tragno, gny tranon'i Yaveh, dra feno raho. 14 Sy afaky nizoro ba hanopo reo pisoro nohonigny raho, akory nameno gny tragnony gny voninahis'i Yaveh.