Toko faha 3

1 Tame tao faha dimy ambin’ny folo najakan’i Tiberie Kaisara, tame naha governoran’i Jodia an’i Pontio Pilato, i Heroda gne mpanapaky tao Galilia, i Filipo rahalahany gne mpanjaka tame faritr’Itoria sy Trakonitisy, ary i Lysania gne mpanjakan’i Abilena, 2 nandritrine velatrindr’i Aniasy sy Kaifa da avy tam’i Jaona zanak’i Zakaria lelah tagny agnefitry gne zakan’Andriamanitry. 3 Nandeha tame faritry magnodidy enazy aby tany Jordana, nitory gne batisane fibebaha ho famela gne heloky. 4 Araky gne vasoratry ame bokine zakan’Isaia mpaminany hoe: «nisy feo raiky nangaiky mafy avy tagny agnefitry hoe: «amboaro vonogny gne lalan’ny Tompo, amboaro mahitsy gne lala andianany. 5 gne lakatany aby da ho totofa, ary gne vohotry abo da hareny, ary gne lala meliky da hahitsy, ary gne toera mikotoatoa da amboary lala, 6 ary gne nofo aby da hahita gne fanjakan’Andriamanitry»». 7 Ka nizaka tame vahoaky avy ho amboariny batisa i Jaona hoe: «enareo taranake menarà! ia gne napitandrigny enareo mba hiala ame gnavignira ho avy? 8 Noho izà da mamokara voa mendriky gne fibebaha, ary aza manomboky mizaka ao agnatinareo hoe: «iahay mana an’i Abrahama ho iabanay» ka miroho enareo ià fa Andriamanitry da afaky mananga zanaky ho an’i Abrahama avy amitoa vato toa. 9 Amizao fotoa zao gne famaky da mipetraky ame fotonkazo.ka gn’hazo aby tsy mamoa tsara da ho Tapaha sady haria ame gne afo». 10 Ary gne vahoaky da nagnotany enazy lava, nizaka hoe: «ino gnaninay? » 11 Namaly endreo Izy hoe: «laha misy olo mana akanjo lava roy, tokony mizara ame tsy mana izy, ary ndre gne mana raha hoany da tokony hagnano akoizà avakoa izy». 12 Gne mpandagno hetra da avy amboary batisa, sady nizaka taminazy hoe: «mpampianatry ô, ino gne tsy maintsy haninay? 13 Nizaka tamindreo Izy hoe: «ka mandagno vola mihoatrine napangalay enareo». 14 Nagnontany enazy evakoa gne miaramila hoe: «akory gne momba anay? Ino e tsy maintsy ataonay? Izy nizaka tamindreo hoe: «ka mangala vola amin’olo ankeriny, ary ka mavandy amin’olo.Mifalia ame karamanareo». 15 Ary laha nandigny gne fevisan’i Kristy gne vahoaky, da nagnontany tame fony gne mikasiky an’i Jaona gne tsikiraikiraiky, laha mety ho izy na tsy izy i Kristy. 16 Ary I Jaona namaly tame fizakandreo aby hoe: «raha gnaminaha, da magnano batisa anareo ame rano ià, fa misy olo raiky ho avy izay mahery mihoatry enah, ary ndre gne hanataky gne tadine kapany da tsy manandrify enah. Izy da hagnano batisa anareo am’gne fagna masina sy gne afo. 17 Efa an-tagnany gne fikororoa mba hagnadiova tsara gne ao am-pamoloa sy handagnona gne vary ho agny ame sompiny. Fa ho horoa ame gn’afo tsy mety vony gn’apombo». 18 Nindray tamigne fagnanara maro afa evakoa, i Jaona nitory vaovao tsara ho ane vahoaky. 19 I Heroda mpanapaky, raha nagnarigny noho ne fanambadia gne vadine rahalahany Herodiasy, sy nohone raha ratsy maro namboariny, 20 da akoatr’izà, da nidiany tandragno mizy i Jaona. 21 Ary rehefa vita batisa aby gn’olo, da nany batisa koa i Jesosy, ary laha mbola nivavaky Izy, da nisokatry gne lagnitry, 22 ary da nisy fagna masina nidy taminazy ako voromamanga, ary da nisy feo avy latandagnitry nagnano hoe: «Enao gne zanako, malalako. Faly Ià nohone gn’aminao». 23 Laha nanomboky gn’asa fanompoagny i Jesosy, da tamè faha telo-polo taony. Izy gne zaza lelahy zanak’i Josefa (araky gne fandiniha), zanak’i Hely, 24 zanak’i Matata, zanak’i Levy, zanak’i Melky, zanak’i Janay, zanak’i Josefa. 25 I Josefa da zanak’i Matitia, zanak’i Amosa, zanak’i Nahoma, zanak’i Elsy, zanak’i Nagay, zanak’i Mata, 26 zanak’i Matatia, zanak’i Semey, zanak’i Joseka, zanak’i Joda. 27 I Joda da zanak’i Joanana, zanak’i Rase, zanak’i Zerobabela, zanak’i Sealtiela, zanak’i Nery, 28 zanak’i Melky, zanak’i Ady, zanak’i Kosama, zanak’i Elmadama, zanak’i Era, 29 zanak’i Josoa, zanak’i Eliezara, zanak’i Joreima, zanak’i Matata, zanak’i Levy. 30 I Levy da zanak’i Simeona, zanak’i Joda, zanak’i Josefa, zanak’i Jonama, zanak’i Eliakima, 31 zanak’i Melea, zanak’i Mena, zanak’i Matata, zanak’i Natana, zanak’i Davida, 32 zanak’i Jese, zanak’i Obeda, zanak’i Boaza, zanak’i Salmona, zanak’i Nahasona. 33 I Nahasona da zanak’i Aminadaba, zanak’i Adimina, zanak’i Arny, zanak’i Hezrona, zanak’i Fazera, zanak’i Joda, 34 zanak’i Jakoba, zanak’i Isaka, zanak’i Abrahama, zanak’i Tera, zanak’i Nahora, 35 zanak’i Seroga, zanak’i Reo, zanak’i Palega, zanak’i Ebera, zanak’i Sela. 36 I Sela da zanak’i Kenana, zanak’i Arpaksada, zanak’i Sema, zanak’i Noa, zanak’i Lameka, 37 zanak’i Metosela, zanak’i Enoka, zanak’i Jareda, zanak’i Mahalalila, zanak’i Kenana, 38 zanak’i Enosa, zanak’i Seta, zanak’i Adama, zanak’Andriamanitry.