Toko faha 28

1 Raha tody soa amatsara iahay, zay vao nahalala hoe Melita gn'agnaran'ity tany misy enay 'ty. 2 Gne topotany tao da tsy vitany hoe hatsora-po avao gne nomeny, fa mbola namelo afo indreo sady nampandroso enay noho iahay tratrin'gne rikandro nivatravatra sy gne hatseky. 3 Raha igny i Paoly nandagno hitay sady nametraky en'izany tam'gn'afo, da nisy menaraha nijotso tratrin'gne hafanà sady nifamolopolotry tamè tagnany. 4 Raha hitan'gne topotany nohantona tame tanany ilay biby, da nifapiresaky indreo hoe: "Mpamono olo nilefa avy t' andranomasy 'ty zalahy 'ty, ka tsy tokony ho velo koa raha gne hitsiny izy.'' 5 Nihitsikitsehany mafy hilatsaky agnaty afo igny bibilava igny 'zay tsy naparàtry enazy aby. 6 Nandigny indreo sao ho vohan'gne tazo izy na ho faty tapoky. Raha avy nagnety enazy nahadigny teo indreo sady nahita fa tsy nisy raha nahazo enazy, da niova hevitry indreo sady nizaka hoe andriamanitry izy. 7 Takeky teo nisy tany an'gne topon'ity tokonosy 'ty, i Poplio gne agnarany. Napandroso enay tan-dragno izy sady nagnome hany enay nandritry gne telo andro. 8 Voan'gne tazo i aban'i Poplio tam'io andro io sady nivalan-drà. Nandeha tagny amn'azy i Paoly ka nametra-tagna sady nivavaky enazy ka sitragny izy. 9 Tafaran'zay da raoky nagnato enazy agnaby gn'olo tsy salama magnodidy teo am'io tokonosy io ka sitragny soamatsara. 10 Nagnome voninahitry enay gne vahôka marobe teo. Raha nietsiketsiky hiondra amè sambo iahay da samy nagnome zay ilainay indreo teo. 11 Telo vola katroky taty afara iahay nandeha niondra tamè sambo nijano teo amè tokonosy nandritry gne ririny iahay, an'i Aleksandria io sambo io, sady misy soratry hoe "sarikamban'andriamanitry" eo amè lohany. 12 Raha avy tamè tanàn'i Syrakosa iahay, da nipetraky tao nandritry gne telo andro. 13 Niala teo iahay ka nandray sambo ho agny amè tanàn'i Regioma. Andro raiky taty afara, nisy tafiodrivotry avy taty atsimo ka lasa roy andro iahay vao avy amè tanàn'i Potioly. 14 Hitanay tao gne rahalahy sasany sady napandroso enay hijanogny tao nandritry gne fito andro indreo. Tam'gn'alalan'zany gne nahavy enay tao Roma. 15 Avy aby gne rahalahy vao nahare hoe avy iahay ka nitsena anay manomboky amè bezaran'i Apio ka hatragny ame tragnom-bahiny telo. Raha nahita gne rahalahiny aby i Paoly da nisaotry an'Andriamanitry sady nahazo hery. 16 Raha niditry tao Roma iahay, da nahazo alalagny i Paoly hiara hihina amè maramila niamby enazy. 17 Telo andro tafara da nangian'i Paoly niaraky agnaby gne lehilahy mpitariky tao amè Jiosy. Raha nindray avy tao indreo da nizaka izy hoe: "Am'nareo rahalaiko, ndre da tsy nagnano ratsy tam'gn'olo na tamè fomban'gne razatsika iaho da natolotry ho gadray tagny Jerosalema tapelatagnan'gne Romana. 18 Raha avy nagnodikodigny enà indreo, da nagniry gne agnafaky enà, satria tsy nisy tokony hamonoa ho faty enà. 19 Fa nandà gne sitapon-dreo gne Jiosy, da vôtery iaho napangaiky an'i Kaisara, ndre da tsy tokony hinday fitoria hanohitry gne fireneko iaho. 20 Noho gne toreoko, da nangataky gne ahita anareo sy hiresaky aminareo iaho. Izany sa da noho gne fahatokisan'Israely amè hifehy enà am'ty rojy vy 'ty. 21 Avy teo da nizaka tamn'azy indreo hoe: "Iahay toa da mbola tsy nahavôray taratasy mikasiky enao avy tagny Jodia, ndre rahalay avy tagny ka nitatitry na nagnoditry raha ratsy enao. 22 Kanefa sa tiànay ho rè gne eritreritrao mikasiky 'zany sekte-nao zanagny, satria lalanay fa efa ratsy laza egny amè magnodidy egny io. 23 Raha nagnome andro enazy indreo, da maro gn'olo nagnato enazy tagny amè tragno nivatagnany. Napafatariny endreo gne raha niainany sady nizoro vava velo ho an'gne fajakan'Andriamanitry izy. Niezaky izy gne nandresy lahatry endreo mikasiky an'i Jesosy, na tam'i Mosesy 'zany na tam'gne mpaminany, nindesin'gne andro hariva avao. 24 Gne sasany da resy lahatry tamè raha nozakainy sady kaperatry, fa nisy evakoa gne mbola nalai-kino. 25 Raha tsy nifagnaraky indreo, da nandeha tafaran'gne nizakan'i Paoly an'ty zaka ty hoe: "Efa nozakain'gne Fagnahy Masina gne razanareo tam'gn'alalan'Isaia mpaminany." 26 Da hoy izy hoe: "Amè feo gne handregnesanareo, kanefa ts'ahatakatry anareo; sady koa amè fahità gne ahitanareo, fa ts'ahita. 27 Lasa bodo gne fòn-dreo sady sarotry tamè sofindreo gne aharè, ka nagnakipy gne masony agnaby indreo. Fa raha tsy 'zay da mety ahita amè masony evao indreo, sady aharè amè sofiny, gne sady hatakatry amè fòny da hipody avy eo, sady hagnasitragny endreo iaho."' 28 Noho 'zany, tokony ho lalanareo fa 'zany famojen'andriamanitry 'zany da nalefa tam'gne Jentilisy, sady hiteno enazy indreo. 29 (Fagnamaria ery amè pajy farany ambany ery: Asa 28: 29- Gne taratasy sasany niopy taloha da mana gne andininy 29 hoe: "Raha nizaka an'io raha io izy, da nihongaky gne Jiosy nandeha. Nisy katreokatreoky tamindreo.") 30 Nipetraky nandritry gne roy tao i Paoly tao amè tragno 'zay nohofahy manoka, sady napandroso 'zay avy tamn'azy teo izy. 31 Nagnambara gne fajakan'Andriamanitry izy sady napianatry gne mikasiky en'i Jesosy Kristy tamè fasahia. Tsy nisy olo nanàka an'azy tam'zany.