Toko faha 17

1 Raha nandalo gne tanà tao Amfipolia sy Apolonia indreo sady avy tao Tesalonika, izay misy gne Synagogan'gne Jiosy. 2 Fa i Paoly araky gne fomba faniny da nikoraha tamindreo teo sady niady hevitry tamindreo momba gne Soratra Masina nandritry gn' andro Sabata in-telo. 3 Nosokafany gne Baiboly sady nazavainy fa tavandrain'i Kristy gne nijaly sy nitsanga tamè maty. Da hoy izy hoe: "I Jesosy ambarako aminareo io gne Kristy." 4 Avy da resy lahatry gne sasany tamè Jiosy sady raoky nagnaraky an'i Paoly sy Silasy, raoky nagnaraky andreo koa gne mpivavaky Grika maro be teo, sady koa da mbola raoky niaraky amè viavy aby. 5 Fa gne Jiosy tsy mpino sady feno felogna teo da raoky nangala gn'olo ratsy say tagny ebezara niaraky tamè olo maro be sady nandrebireby teo amè Tana. Nanafiky gne tragnon'i Jasona indreo sady ta hitondra an'i Paoly sy Silasy hiala gne vahoaka. 6 Fa raha tsy hitany indreo da notarihindreo i Jasona sy gne rahalainy hafa koa ho eo akatrefan'gne manam-pahefà teo amè tanà sady nigorogoroky gne ranomasony, "Itoa olo nagnonga an'ity tany 'ty da samby avy etoa aby koa. 7 Itoa lehilahy napidirin'i Jasona ireto da olo manohitry gne didin'i Kaisara; mizaka indreo fa misy mpanjaka hafa koa agny da izany Jesosy zany agny." 8 Voaelingely gne vahoaka sy gne manam-pahefà teo amè tanà raha nahare izany raha izany. 9 Fa raha avy teo gne manam-pahefà da nampagnefa vola an'i Jasona sy gne ambiny sisa atao debaky sady navelandreo handeha indreo avy teo. 10 Nalefandreo rahalainy handeha agny Beria gn' hariva igny evao i Paoly sy Silasy. Raha avy tagny indreo da nitsòky tao amè Synagogan'gne Jiosy. 11 Io olo io da mihaja lavitry gne olo avy agny Tesalonika, satria nandray gne hafatry tamè fahavonognagny gne saigny indreo sady nandiniky gne Soratry Masina isanandro amizay mba ahita gne tena izy. 12 Noho izany sa da maro tamindreo gne nino, nino niaraky tamizany aby gne viavy sy lehilahy Grika miteza sady manakaja maro teo. 13 Gne Jiosy avy agny Tesalonika raha vatany nahare fa i Paoly da isan'gne nagnambara gne zakan'Andriamanitra tagny Beria, lasa nagnato tegny indreo sady nagnakorotagny gne vahoaky teo. 14 Tonga da nalefanireo rahalahiny i Paoly sy Silasy ary i Timoty zay nidoboky teo. 15 Gne nitariky an'i Paoly avy da nitondra anazy nandeha agny Atena. Raha navelandreo nidoboky teo i Paoly da nandray boky misy gne torolala mikasiky an'i Silasy sy Timoty mba handehanany malaky da malaky agny. 16 Raha nandigny andreo tagny Atena i Paoly, da vignitry tagny agnatiny raha nahita gne tanà hipoky gne sampy. 17 Taminiza sa da niady hevitra tao amin'ny synagoga niaraky tamè Jiosy sy gn'olo afa 'zay mino an'Andriamanitra izy, sady niaraky niady hevitry tamè olo magnano resaky varotry teo koa izy. 18 Gne filizôfa Epikoreana sy Stoika da hita fa nifanena taminazy tegny. Gne sasany mizaka hoe: "Ino gne tian'io be vava io zakay?" Gne olo afa nizaka hoe: "Mangaiky gn'olo hagnaraky gn'Andriamanitry hafahafa izy," satira nagnambara sady nitory an'i Jesosy sy gne fitsangana ho velo izy. 19 Nalaindreo i Paoly sady noentindreo tao amè Areopago, izaka hoe: "Azonay fantàry me izà fampenara vaovao noentinao zanagny? 20 Sady nahare iahay fa nitondra raha afahafa mbola tsy renay anao. Noho izà sa da, ta alala gne dikan'izany raha zanagny iahay toa." 21 (Fa gne Ateniana rehetra sy gne vahiny nipetraky tao da nandany gne fotoany tamè filazà na gne fitenoma gne raha vaovao misy.) 22 Vatany avy teo da nitsanga teo ategnategnan'gne Areopago i Paoly sady nizaka hoe: "Anareo lehilahy Ateniana hitako sady tsapako fa da tena relijiozy amè maro anareo. 23 Fa raha nandalo aho da nahita sady nandiniky gne fomba fanompoam-pivavahanareo; da nahita alitara misy an'ity soratra ity aho hoe: "HO AN' GN'ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA." Ino araky izà gne hivavahanareo ao amè tsy fahafantaranareo, izany gn'ambarako aminareo. 24 Gn'Andriamanitry nagnano 'zao tontolo 'zao sy gne raha aby eo aminazy satria anazy gne tany sy gne lagnitry, tsy midobòky amè tempoly namboary amè tagna. 25 Ndre izy tsy notopoy tamè tagnan'olo, mitovy amè nizaka raha avao izy satria gn'ainy da to gne magnome fiaina gn'olo sy gne fegnenan'olo sy gne raha agnaby. 26 Namboariny tamè olo raiky gne firenègny rehetra ho an'gne olo mba hiaigny eo ambonin'gne tany, sady nisiritry gne fe-potoandre, sady nametraky gne totry hipetrahandreo, gn'andro hiainandreo, 27 amizany sa da tokony hitady gne Andriamanitra indreo raha ôtry ka hahatratry anazy. Kanefa sa da mbola tsy lasa lavitry niala atsika Izy. 28 Itsika koa sa da mana gne maha izy etsika, mitovy tamè nozakainy tamè mpagnano tononkalo hoe: "Da mbola taranakiny evakoa itsika." 29 Noho izany sa, amè maha zanak'Andriamanitry atsika, tsy tokony hieritreritry raha afa fa gne hatsaray sy gne fombany da akô volamena na volafotsy na sary vonga 'zay namboary avy amè asa tagna sy gne nofinofin'olo. 30 Noho izà sa da, nadignon'Andriamanitry gne fotoan'gne habadoatsika, amizao andro zao da mibeko gn'olo agnaby mba hibebaky izy. 31 Izay gne marigny satria nametry andro izy hoe ovia avao gn'andro hitsaraha an'zao tontolo 'zao amè fahamarinagny amè alalan'gn'olo nofidiny. Nagnome porofo an'io lehilahy io Andriamanitry tamè olo tsiraikiraiky tamè alalan'gne fanangana azy tamè fahafatesa. 32 Vatany nahare gne fitsangana tamè maty gn'olo tao Atena, avy da nagneso sady nagnano rabio an'i Paoly gne sasany; gne sasany afa koa nizaka hoe: "Hiteno gne zakanao mikasiky anizany raha zanagny iahay." 33 Tafaran'izà, lasa niala andreo i Paoly. 34 Fa gn'olo sasany nagnaraky anazy sady da nino tokôtry, agnisan'izany i Dionysio Areopagita, viavy hangia hoe Damary, gne sasany hafa koa da mbola niaraky tamindreo.