Toko faha 16

1 Avy tagny Derbe sy tagny Lystra fagnindroiny i Paoly ka nisy mpianatra angiandreo hoe Timoty, zanaky igny viavy Jiosy igny, sady Grika evekoa i Abany. 2 Tsara laza tamè olo nipetraky teo Lystra sy Ikonioma izy. 3 Notiàhan'i Paoly izy ka noentiny hiaraky aminazy, kanefa sa da noforahany eky, noho gne olo nipetraky tao, eky satria fantany fa Grika i Abany zalà ty. 4 Raha lasa namakivaky gne tanà indreo da maro gne torohevitry nomeny ho an'gne mpino mba hangneky gne raha hapenary nosoratan'gne Apostôly sy gne loholo tagny Jerosalema. 5 Vokatry izany da lasa nantajaky tamè finoa gne fengona tagny sady nitombo gn'isan'gne mpino mivavaky isan'andro. 6 Da mbola lasa avao namakivaky gne faritry ny Frygia sy Galatia i Paoly sy gne namany, sady koa efa noraràn'gne Fagnahy Masy indreo mba tsy hitori-teny agny Asia. 7 Da mbola akô izany koa, raha hiditry gne faritry Mysia indreo handeha ho agny Bitynia d'efa io koa gne fagnahy Masy nanàka andreo. 8 Noho izany sa da lasa gne faritry Mysia avao gne nandalovan-dreo, avy eo lasa nidigny tagny amè tanàn'i Troasy indreo. 9 Raha aly gn'andro, io i Paoly fa nahita fahità: nisy lelahy raiky Makedoniana nitsanga sady nikoiky gne nizaka hoe: "Mandehana aty aminay Makedoniana sady vojeo iahay." 10 Raha avy nahita izany fahità zany izy da raoky nidigny handeha agny sady nahatsapa fa Andriamanitry gne nangaiky an'azy handeha agny mba hitory gne filazatsara am'gn'olo agny. 11 Nipitiky amè sambo ka avy tagny Troasy, avy teo nagnaraky gne lala mahitsy handeha agny Samotrakia iahay sady nandalo an'i Neapolia gne andro magnaraky. 12 Raha vita izany da nitsàky nandeha tagny Filipy iahay sady da mbola tanànan'gne Makedonia evakoa, agnisan'gne tanà mana gne lazany indrindra eo amè magnodidy gne faritry sy gne zana-tany Romana, da nijano teo aminio tanà io nandritry gne andro maro iahay. 13 Tamè andro Sabata, nadeha t'ambadiky gne vavahady akeky renirano iahay, izay toera noeritreretinay fa misy toera-pivavaha. Nidobòky iahay sady niresaky tamè viavy niaraky avy teo. 14 Nisy viavy raiky, i Lydia gne agnarany, mpivarotry lamba voloparasy avy agny amè tanànan'i Tyatira, da nanopo an'Andriamanitry datò izy sady niteno gne raha nambaranay. Da nanokatry gne fony datò hitandrigny gne zaka nambaran'i Paoly. 15 Raha vatany vita batisa izy sy gne havany, da naporisiky anay izy hizaka hoe: "Raha nitsara anà ho olo marigny ao am'Tompo anareo da mitsoha an-dragno." Sady nandresy lahatry enay izy. 16 Tamin'izay sa, raha nandeha tamè toera fivavaha iahay, io fa nisy zaza viavy raiky magnopy sikidy nifanena taminay. Nahazoany tombony maro ho an'gne tompony tamè alalan'gne sikidy izy. 17 Nagnaraky enay sy Paoly avy afara izy sady nikoiky mafy nagnano hoe: " Itoa lehilahy toa da mpanompon'Andriamanitry avo indrindra. Magnambara aminareo gne lalam-pamonjè indreo." 18 Nagnano an'izany nandritry gne andro maromaro izy. Fa i Paoly koa sa da nanomboky vignitry enazy ka nitodiky sady nizaka tamè fanahy hoe: Mibeko anao amè agnaran'i Jesosy Kristy iaho mba hiala ao aminazy." Tselatsela teo da itoa fa nizotso igny raha igny. 19 Raha vatany hitan'gne tompony fa lasa gne heriny nitondra tombony ho andreo, da nosamborindreo i Paoly sy Silasy sady notaritindreo ho agny ame bezara sady eo amè mana-pahefà. 20 Raha avy teo amè mpitsara indreo da nizaka hoe: " Itoa lehilahy itoa da mpangnakorota gne tanàtsika. Jiosy indreo. 21 Sady magnambara gne fomba izay tsy araky gne lalàna ho an'gne Romana magneky sy gne magnatanteraky anazy indreo." 22 Raha vita izany da nitsanga gne vahoaka nonohitry an'i Paoly sy Silasy; nitsanga gne mpitsara nangala gne lambandreo sady nodidiany indreo hifìky endreo amè kaboda. 23 Raha avy nofihiny mafy indreo da nalefa tagny amè tragno figadrà sady nodidiany mafy gne mpiamby mba hiamby endreo tsara amizay tsy ho boda. 24 Raha vatany naharè izany didy zany gne mpiamby, da nalefany agny amè tena mizy be agny indreo sady nofiheziny tamè hazo gne tombondreo. 25 Raha misasaky gn'aly da nivavaky i Paoly sy Silasy sady nihira gne atsa fideràna an'Andriamanitry, fa gne gadra afa tao koa sa da niteno gne hirandreo. 26 Tapotapoky teo da nisy horohorontany zakabe ka nihozongozo gne joroben'gne tragno figadrà; sady nisokatry gne varangara rehetra, sady koa tataky aby gne tady namiheza andreo tao. 27 Nahatsiaro gne mpiamby sady nahita gne varangara nangakàky; najotsony gne sabatriny ka saiky hamonoany gne ainy satria noeritreretiny fa nilefa gne gadra tao. 28 Fa i Paoly koa sa da nikoiky tamè feo mafy nizaka hoe: "Ka firay gne ainao, fa itoa aby evao iahay." 29 Napirehitry jiro gne mpiamby sady nitsòky tao agnati-tragno mizy, sady nangitakitaky gne nivadifò, sady da nandohaliky teo am'Paoly sy Silasy, 30 gne nitondra andreo nijotso sady nizaka hoe: "Tompoko, ino gne tsy maitsy ataoko mba ho vôvonjy iaho?" 31 Hoy indreo namaly hoe: "Minoa gne Tompo Jesosy, da ho vôvonjy anao sy gne havanao." 32 Nitori-teny taminazy sy gne olo niaraky taminazy tao andragnony indreo. 33 Avy teo da nandray endreo igny hariva igny evao gne mpiamby gne tragno figadrà sady nanasa gne ratry tamindreo, ary evy eo izy sy gne olo tao andragnony da namboary batisa aby teo no eo. 34 Noentiny niakatry tagny amè tragnony i Paoly sy Silasy sady norosoany sakafo ka niara-nifaly teo indreo sy gne olo tao amè tragno aby fa efa nino an'Andriamanitry izy. 35 Raha nandraigny gn'andro, nandefa hiraky tamè mpiamby gne mpitsara hoe: "Alefasonareo agny io olo io." 36 Nozakain'gne mpiamby tam'Paoly izany zaka zany ka hoy izy: "Nagnafatry enà gne mpitsara mba handefa anareo handeha: noho izany sa, amitsia koa mizotsoa anareo, sady mandehana am-pilamina sy am-piadana." 37 Da hoy i Paoly tamindreo hoe: "Nodabodabohindreo teo amasolon'olo maro be iahay, tsy mba notsaray eky ndre da mitondra gne zo-pirenè Romana zanagny aza iahay, sady nogadrahandreo. Amizao koa sa vao hoe alefa asokosoko iahay? Tsy tohoko izany! Apetray indreo gne ho avy etoa agnazotso sady hitariky enay hizotso." 38 Nipody nitatitry izany tagny amè mpitsara gne mpiamby, raha vatany naharè indreo fa Romana i Paoly sy Silasy, da nangorohoro mafy. 39 Da itoa avao sady niala tsigny tamindreo gne mpitsara sady nitondra andreo nijotso handeha, sady nangataky andreo mba hiala eo amè tanà. 40 Niala tao amè figadrà i Paoly sy Silasy sady niditry tagny andragnon'i Lydia. Raha nahita gne rahalahiny i Paoly sy Silasy da nampahery andreo sady lasa niala teo amè tanà.