1 Nisy sakave nandritry gne telo tao tame gn’andron'i Davida, ary nitadia gne laharan'i Yaveh i Davida. Ka hoy i Yaveh se: "Ho aminareo io sakave io nohon’i Saoly sy gne fianangalaviany mpamono olo, satria namono gne Gibeonita izy." 2 Ary gne Gibeonita da tsy avy tame vahokin' Israely; fa avy ame sisane gn’Amorita indreo. Efa nisoma ratsy tsy hamono endreo gne vahokin'Israely, kanefa narisiky gne hamono endreo evakoa i Saoly ho ane vahokin'Israely sy Joda. 3 Noho iza i Davida Mpanjaka da nangaiky nindray gne Gibeonita ary niroho tamindreo hoe: "Ino e tokony hamboariko ho anareo? Akoingaia gne hahafahako magnano fagnavota, ba hagnomezanareo tso-drano gne vahokin'i Yaveh, gne mandova gne hatsaràny sy gne fampagnantegnany?" 4 Da namaly endreo i Gibeonita hoe: "Tsy koraha volafotsy na volamena eo aminay sy i Saoly na gne fianangalaviany iza. Akoiza koa gne tsy hamonoanay gn’olo ao Israely." Da namaly i Davida hoe: "Ino gne rohoninareo fa tokony hamboariko ho anareo?" 5 Namaly gne mpanjaka indreo hoe: "gne lelahy gne nimany hamono enay aby, gne nagnano tetiky hanohera anay, ba ho potiky iahay izao ary tsy hana toera ao ame sisintanin'Israely— 6 ao ba hisy lelah fito avy ame taranakiny home enay, ary hagnanto endreo eo agnatrehan'i Yaveh agny Gibean'i Saoly, gne raiky nofidin'i Yaveh iahay." Da hoy gne mpanjaka se: "Homeko enareo indreo." 7 Fa namindra fo tam’i Mefiboseta zanaky lahan'i Jonatana zanaky lahan’i Saoly gne mpanjaka, nohone fianianan'i Yaveh tamindreo, tam'i Davida sy Jonatana, zanaky lahan’i Saoly. 8 Kanefa nalaine mpanjaka gne zanaky roy lah an'i Rizpa zanaky vavin'i Aia, zanany avy am’i Saoly—Armony sy Mefiboseta gnagnarane roy lah; ary nalain'i Davida evakoa gne zanaky dimy lahy an'i Mikala zanaky vavin'i Saoly, izay avy am’i Adriela zanaky lahan’i Barzilay gne Meholatita. 9 Natolotriny tatagnane Gibeonita indreo. Nahantondreo tagny ame vohitry nagnoloa an'i Yaveh indreo, ary nindray maty izy fito. Tame fotoam-pararano gne namonoandreo, nandritry gn’andro valohany tame fentombohane fijinja gne vary hordea. 10 Avy eo i Rizpa, zanaky vavin'i Aia, nangala lamba fisaona ary namelatry en’iza ho ane tegnany tame vohitry akeky gne vata-mangatsiaka, hatrame fentombohane fijinja ka hatrame nahameriky gn’andro tamindreo avy latandagnitry. Tsy napetrakiny hagnakorontagna gne raza gne voron-dagnitry gnatoandro na gne bibidine gnariva. 11 Nokoragny tam’i Davida gne namboarin'i Rizpa, zanaky vavin'i Aia, gne vady andevon'i Saoly. 12 Noho iza da nandeha i Davida ary nangala gne tolan'i Saoly sy gne tolan'i Jonatana zanany lahy tame lelahan’i Jabesi-gileada, nangalatry gne tame kianjane daholobe tagny Beti-sana, tagny ame nagnantognane Filistina andreo, lefa avy namono an'i Saoly tao Gilboa indreo. 13 Nalain'i Davida hiala tao gne tolan'i Saoly sy gne tolan'i Jonatana zanany lah, ary nandagno gne tolane lelah fito nahanto evakoa indreo. 14 Nalevindreo tagny ame tanàn'i Benjamina tagny Zela gne tolan'i Saoly sy Jonatana zanany, tame fasan'i Kisy iabany. namboarindreo aby gne raha nodidiane mpanjaka. Tafaran'iza da novalian'Andriamanitry gne vavakindreo ho ane tany. 15 Avy eo gne Filistina da nandeha niady tam’israely indraiky. Noho iza da nidy nindray tame tafikiny i Davida ary niady nanohitry ane Filistina. 16 I Jisbibenoba, taranaky gne Refaita, nibata telonjato sekely gne lefony varahina, ary nana sabatry fitaovam-pedia vaovao, da nikasa hamono an'i Davida. 17 Kanefa i Abisay zanak'i Zeroia nagnavotry an'i Davida, nanafiky gne Filistina, ary namono enazy. Avy eo gne lelahan’i Davida nivoady taminazy, nagnano hoe: "Tsy tokony handeha hiady hindray aminay koa anao, ba tsy hamonoanao gne jiron'Israely." 18 Ary tafaran'io da nisy ady nindray tame Filistina indraiky tao Goba, lefa novonoin'i Sibeka gne Hosatita i Safa, gne raiky tame taranake Refaita. [Fagnamariha: laha tokony ho "Goba" ao ame Hebreo, da mivaky akoizao gne dikane teny sasany: "Geseta" na "Gesera."] 19 Da nisy ady indraiky tame Filistina tao Goba, namonoan'i Elanana zanaky lahan’i Jare gne Betlehemita an'i Goliata gne Gatita, akoigne vodi-tenone mpagnenone lefony 20 Ary tame gnady hafa tao Gata da nisy lelah vivety nana rantsan-tagna enina isaky gne tagnany ary rantsan-tomboky enina isaky gne tomboky, efatra amby ropolo gne isany. Avy ame taranaky Refaita evakoa izy. 21 Lefa naneso an'Israely izy, da novonoin'i Jonatana zanaky lahan’i Simea, rahalahan’i Davida. 22 Iza gne taranaky Refaita tao Gata, ary novonoine tanan'i Davida sy gne tanane miaramilany izy.