1 Nisy lelah raiky avy te Ramataima agny Zefotita, tany vohotrin’ny Efraima; ngagnarany da i Elkana zanaky lahin'i Jeroama zanaky lahin'i Eliho zanaky lahin'i Toho zanaky lahin'i Zofa, izà Efraimita. [Fagnamariha: gne dikane teny vaovao sasany magnano hoe: "Ramataima Zofima" kanefa iza da azo tamigne: "Zofima" izay magnambara gne faritry aby izay nipetrahane taranake fokondreo lahatagny Zofa]. 2 Nampirafy roy izy, gne voalohany da i Hana, ary gnagnarane faharoa da i Penina. Nanagnanaky i Penina, fa i Hana kosa da tsy nana. 3 Iza lelah iza da isantao gne nandeha lahatame tanàndreo mba hanompo sy hagnano sorona ho an'i Yaveh tompone maro ao Silo. Tao gnanaky roy lahin'i Ely, Ofnia sy Finehasa, mpisoron'i Yaveh. 4 Rehefa avy gnanjar’andro hagnamboaran'i Elkana sorona isan-tao, da nagnome asasan’hena an'i Penina vadibeny izy, ary ho ane zanany lah sy ho ane zanany vavy aby. 5 Fa gnan'i Hana manoka da gnasasany roy evao gne nomeny enazy, satria tiany i Hana, ndre da efa namboarin'i Yaveh tsy miteraky izy. 6 Nila tsipotoky taminazy gne rafivaviny ba hahavignitry enazy, satria Yaveh gne tsy nampiteraky enazy. 7 Isan-tao, laha nandeha tandragnon’i Yaveh indreo mianakavy da nila tsipotiky taminazy gna rafivaviny. Vokatr’izay da notagny sy tsy nirita tame sakafo ndre ino ndre ino izy. 8 Gne vadiny, i Elkana, da nizaka taminazy matetiky hoe: "Hana, ino e raha mampitomagny enao io sa? Ino raha tsy mampihina anao? Ino e raha mampalahelo enao? Ratsy aminao nohone zaza lah folo sa oha ia? 9 Teo zay, da nandeha i Hana laha avy nihina sy nisotro tao Silo indreo. Ary i Ely mpisoro nidoboky tame sezany takeky gne vavahadine tempolin'i Yaveh. 10 Da nalahelo dado izy; nivavaka tam'i Yaveh izy ary notagny mafy. 11 Nagnano voady izy ary nagnano hoe: "Eh Yaveh tompone maro, laha tsapanao gne fahoriane mpanomponao da tsarovy nda iah, ary ka magnadigno gne mpanomponao, fa ba omeo zaza lelah ro gne mpanomponao, da omeko an'i Yaveh izy mandritry gnandrom-piainany aby, ary tsikasiane gn’hareza gne lohany." 12 Ary laha ambola nanohy gne fivavahany tagnatrehan'i Yaveh izy, da nozahan'i Ely gne vavany. 13 Niteny tao ampony i Hana. Nihetsiketsiky gne vavany, kanefa tsy re gne feony. Ka da nieritreritry i Ely fa mamo izy. 14 Da hoy i Ely taminazy se: "Hovia enao mamo? Melà ame divainao." 15 Da i Hana namely hoe: "Tsy fatako tompoko, viavy ory am-panah iah. Tsy nisotro na divay na zava-mahamamo iah, fa magnambara gnagnatine trokiko amason’i Yaveh iah. 16 Ka hevery ho viavy tsy mana-kegnatry gne mpanomponao; nizaka nohone habene fahoriako sy gne fagnaboka anah iah." 17 Ary da namaly i Ely ka nagnano hoe: "Mandihana am-piadana; gn’Andriamanitr'Israely anie gne hamaly gne fangataha izay nangatahanao taminazy." 18 Hoy iza viavy za se: "Lonoky hahazo sitraky agnatrehanao gne mpanomponao." Da nandeha tamigne nombany iza viavy za ary nihina; tsy nalahelo koa gne laharany. 19 Nandeha narandraibe be indreo ary nanompo tagnatrehan'i Yaveh, ary niverigny tamindreo tagny Rama indreo lefa avy teo. Nindray natory tam'i Hana vadiny i Elkana, ary Yaveh nahatsiaro enazy. 20 Refa avy gne fotoa, da bevoky i Hana ary da teraky zaza lelah. Nangaiky gnagnarany hoe: Samoela izy, nagnano hoe: "Satria avy tam'i Yaveh gne nangatahako enazy." 21 Elkana sy gne ankohonany aby da niakatry koa ba hagnome gne sorona isan-tao ho an'i Yaveh ba nanefa gne voadiny. 22 Nefa i Hana da tsy nandeha; efa nizaka tame vadiny izy hoe: "Tsandeha ia mandra-pihegny nono gne zazakidy; ary ho indesiko izy, ba hahafahany miboda eo agnatrehan'i Yaveh ary hitoetry agny mandrakizay." 23 Hoy i Elkana vadiny taminazy se: "Amboaro izay tsapanao fa tsara aminao. Miandrasa mandra-pampihegninao nono enazy; kanefa, Yaveh evao anie gne hagnamafy gne zakany." Da nijano iza viavy za ary niteza gne zanany lah mandrapihegnenany nono enazy. 24 Lefa nalany nono izy, da nindray nizaka taminazy, nindray tame zanak'omby kely raiky tokony ho telo tao, sakafo raiky efaha, ary tavoahangine divay raiky, ka nindesiny tandragnon'i Yaveh tao Silo izy. Ary da ambola kidy iza zaza za. 25 Novonoindreo gne zanak'omby, ary nindesindreo tagny am'i Ely iza zaza za. 26 Hoy izy se: "O, ro tompoko! Laha ambola velo agny enao, o tompoko, iah gne viavy izay nitsanga takekinao nivavaka tam'Yaveh. 27 Fa ity zaza ty gne nivavahako ary nomen'i Yaveh ena gne fangatahako izay nangatahako taminazy. 28 Efa nomeko en'Yaveh izy, laha ambola velo koa izy da homeko en'i Yaveh." Da nanompo en'iYaveh teo izy. [Gne dikane teny vaovao sasany misy magnano hoe: "Da nanompo en'i Yaveh teo indreo."]