Toko faha 3

1 Farany, rahalahy, mifalia amin'ny Tompo ao. Tsy manahira ahy gny manampoly manoratry an'ny raha reny ho anareo. 2 Mitandrema amy gny amboa. Mitandrema amy gny mpanao raty. Mitandrema amin'reo fagnapa ratsam-abata. 3 Fa tsika ro voafora. Tsika koa ro magnompo amin'ny Fagnahin-Dragnahary. Tsika koa ro mbo mipoera amin'ny Kristy Jesosy, no tsy mitoky amin'ny fo. 4 Na izay aza, zaho vatako, afaky mitoky amy gny nofo. Laha misy olo mihevitry fa i mana fahatokisa amin'y nofo, afaky manao mandilatrin'izay aho. 5 Noforay tamin'ny andro faha valo ao, teraky tamin'ny olon'ny Israely, tamin'ny fokon'ny Benjamina, Hebreo tamin'ny Hebreo aho; asan'ny lalana, ka Fariseo aho. 6 Tamin'ny fahazotoam-po, nania gny fiangona aho; Laha an'ny famarina amban'ny lala, laha tsy manan-tsiny aho. 7 Fa na ino na ino tombony ho ahy, laha nirambesiko ho fatiantoky ho ahy reny baka amin'ny Kristy. 8 Laha tena izy, nisaiko ho faty antoky iaby raha iaby baka amin'ny habevatan'ny fahaiza an'i Kristy Jesosy Tompoko. Baka aminy ro nanariako gny raha iaby. Nataoko ho fako iaby reny mba hazaoako an'i Kristy, 9 ka ho hita Aminy ao aho. Tsy mana gny maha marina ahy baka amin'ny lily aho. Fa mana ndraiky gny fahamarina baka tamin'ny finoa an'i Kristy aho, fahamarina baka amin-Dragnahary mifototry amy gny finoa. 10 Ka enaniky zao, te hahay Azy sy gny tanjakin'ny fitsangany tamy gny maty ndraiky gny fitambara amy gny fijaliany reny aho. Te hiova baka amin'ny anaran'i Kristy aho hitovy amy gny fahafatesany, 11 mba hatsapako gny fitsangana amy gny maty. 12 Tsy marina fa fa nandramby raha iaby reo sahady aho, na koa lafatry mare aho. fa miezaky aho hahazo gny nahazaoan'i Kristy Jesosy ahy. 13 Ry rahalahy, tsy mieritreritry aho fa fa nahazo an'izay. Fa misy raha raiky : Ambelako any gny raha fa lasa fa hiezaky ho an'ny ho avy aho. 14 Miezaky manatratry tanjona aho mba hahazo gny fagnomeza gny antso baka ambony amin-Draganahary amin'i Kristy Jesosy ao. 15 Tsika iaby ze matotry, ao tsika mba ieritreritry manahaky an'izay; ka laha misy dinikinareo hafa mahakasiky gny raha iaby, laha ho atoron-Dragnahary aminareo koa zay. 16 Kanefa, na ino na ino fa tratrintsika, ao le mba hitazo an'izay tsika. 17 Ao mba ho mpangala tahaky ahy, nareo rahalahy. Diniho mariniky reo mandeha manaraky gny ohatry hitanareo aminay ao. 18 Maro reo mandeha, reo fa nivolagniko anareo matetiky, ka enaniky zao, mivola aminareo aho am-pitania manahaky gny fahavalo gny hazofijalian'i Kristy. 19 Fanjavona ro fiafara ndreo. Ka kibony ro Ndragnahariny, gny fiheboan-dreo ro fahamegnarany. Mandiniky gny raha gny tany toy reo. 20 Fa andanitry any gny fanjakantsika, zay hiambenantsika mpagnavotry koa, tsy iha zay fa Tompo Jesosy Kristy. 21 I ro hagnova gny vatantsika malemy mba ho vata manahaky gny vatany be voninahitry, natao tamin'ny tanjakan'ny fahefa mba hanenke gny raha iaby amin'ny vatany.