Toko faha 5

1 Lafa nahita gny vahoaky Jesosy, ka niakatry t'an-tendrombohitry. Lafa tafapetraky I, nagnanto Azy gny mpianany. 2 Nanokatry gny vavany I sady nampianatry andreo, manao hoe: 3 "Sambatry gny mahantra am-pagnahy, fa gnazy reo gny fanjakan'gny lagnitry. 4 Sambatry reo misaona, fa hampionina andreo. 5 Sambatry gny malemy fagnahy, fa reo ro handova gny tany. 6 Sambatry reo ze mosary sy mangetaheta gny fahamarigna, fa ho vokisa reo. 7 Sambatry reo mpamindra fo, fa hahazo famindram-po reo. 8 Sambatry reo madio am-po, fa hahita an-Dragnahary reo. 9 Sambatry reo mpampihava, fa reo ro kahia hoe gnanakin-Dragnahary. 10 Sambatry reo ze enjehy nohon'gny fahamarigna, fa gnazy reo gny fanjakan'gny lagnitry. 11 Sambatry nareo laha magniratsira anareo voho magnenjiky anareo gny olo, sady mivola gny karazam-bandy raty iaby hanohitry anareo nohon'gny amiko. 12 Misinisinia sy mifalia, fa bevata gny valisoanareo agny an-dagnitry. fa manahaky an'zay gny fomba nagnenjehan'gny olo reo mpaminany ze niay talohanareo. 13 Gnareo ro sira gny tany. Ka laha gny sira ro mandrary matsatso, amy gny fomba akory ro ampasira azy ndraiky? Tsy ho soa na amy gny ino na amy gny ino koa izay fa haria sy ho hitsahy gny tomboky gny olo sisa. 14 Gnareo ro fahazava gny izao raha iaby zao, Gny tana miory amy gny hanambony tsy ho havony koa. 15 Tsy misy olo mampirehitry jiro ka mametraky izay ambany haro,fa eo amy gny fipetrahan-jiro, sady manazava gny raha an-trano izay. 16 Aoka hazava alohan'olo manahaky izay fomba zay gny fahazavanareo mba ahita ndreo gny asa soa ataonareo sady ankalazany gny Babanareo zay an-danitry agny. 17 Ka mieritseritry hoa avy handrava gny lily na reo mpaminany Aho. Tsy avy hamotiky an-dreo Aho, fa hanatanteraky azy reo. 18 Fa volaniko amignareo amrina fa mandra-pahatoro gny lanitry voho gny tany, tsy ho rava amy gny lily na soratry sy tendrin-tsoratry raiky aza, mandra-pahatanteraky gny raha iaby. 19 Noho zay na ia na ia mandika gna gny kely mare amy reo lily reo sy mampiantry gny hafa anao manahaky izay ka hikehy hoe kelikely mare ao amy gny fanjaka gny lanitry. Fa gna ia gna ia manenky sy mampianatry azy reo ka ho kehy hoe bevata ao amy gny fanjaka gny lanitry. 20 Fa volaniko amignareo fa laha tsy mihoatry noho gny gnany mpanoratry lalana sy gny fariseo gny fahamarinanareo, ka tsy hilitry ao amy gny fanjaka gny lanitry mihitsy gnareo. 21 Fa renareo fa voasafa tamy fa ela hoe: 'Ka mamono olo,' sady 'Gna ia gna ia mamono olo ho helohy agmy amy gny fitsara.' 22 Fa volaniko aminareo fa izay meloky amy gny rahalahiny ro maeva gny ho helohy agny amy gny fitsara, sady gna ia gna ia mivola gny rahalahiny hoe: 'Iha ro olo-poa!' ka ho helohy agny amy gny filan-kevitry; sady gna ia gna ia mivola hoe: 'Adala Iha!' mendriky gny ho agny amy gny farihy mirehitry motro. 23 Noho zay laha manolotry gny fagnatitry nao eo amin'gny alitara iha ka tiaronao teo fa mana alahelo aminao gny rahalahinao, 24 engao alohan'gny alitara gny fagnatitry nao, ka mandehana tohizo gny lalanao. Milongo aloha amin'gny rahalahinao, sady mimpolia ka omeo gny fagnatitry nao. 25 Mihavagna malaky amin'gny mpiampanga anao laha mbo miara-dia aminy agny amin'gny fitsara iha, fandrao gny mpiampanga anao hanolotry anao amin'gny mpitsara, sady gny mpitsara mety hanolotry anao amin'gny manam-boninahitry, ka hatao ao an-tragno mahiky iha. 26 Volagniko marina aminareo, fa tsy ho afaky miboaky ao mihitsy iha paraky handoavanao gny vola farany kely mare amin'gny trosanao. 27 Fa renareo fa nivolagny hoe: 'Ka mijangajanga.' 28 Kanefa volagniko aminareo fa ze iaby mijery ampela ka magniry azy ro fa mijangajanga am-pony saheiny. 29 Laha mampasiaky anao gny masonao ankavagna, alao ka ario lavitry anao. Fa soa ho anao laha gny ampahany raiky amin'gny vatanao ro tokony ho simbay fa tsy teanao iaby ro atoraky agny amin'gny helo. 30 Laha mampasiaky anao gny tagnanao ankavagna, alao ka ario lavitry hiala anao. Fa soa hoanao laha gny ampahany raiky amin'gny vatanao ro tokony ho very fa tsy gny tegnanao iaby ro atoraky agny amin'gny helo. 31 Sady fa nivolagny avao koa hoe: 'Na ia na ia ze misaraky amin'gny valiny, engao i hagnome azy gny taratasy fisaraham-panambalea.' 32 Fa Zaho koa mivola aminareo fa ze iaby misaraky amin'gny valiny, afatsy nohon'gny fijangajanga, ka mampijangajanga azy. Na ia na ia manambaly azy afaran'gny fisarahany ro mijangajanga. 33 Sady, kasanareo fa voasafa tamin'gny ntaolo hoe: 'Ka minehaneha fiaigna diso, fa andeso eo agnatrehan'gny Tompo gny fiaignanao.' 34 Fa Zaho koa mivola aminareo, ka minehaneha amin'gny raha iaby, na amin'gny lagnitry aza, fa seza fiandrianan'Dragnahary zay; 35 na amin'gny tany, fa fitoeran-tombokiny zay; na koa amin'gny Jerosalema, fa tananan'gny mpanjaka bevata zay. 36 Ka minehaneha amin'gny lohananao, fa tsy afaky magnafotsy na magnamainty gny singam-bolo raiky iha. 37 Fa engao gny teninao ho 'Eny, eny,' na 'Tsia, tsia.' Zay mihoatry an'zay ro avy amin'gny raty. 38 Renareo fa voasafa hoe: 'Maso solon'gny maso, sady nify solon'gny nify.' 39 Fa Zaho koa mivola aminareo hoe: ka manohitry ze raty. Fa koa, ndre ia ndra ia mamely gny takolaky nao ankavagna ka atoro azy koa gny ilany. 40 Laha misy olo magniry gny hiaraky aminao ho agny amin'gny fitsara ka magnendakyy gny akanjonao, ka engao ho gnazy avao koa gny lambanao. 41 Ndre ia ndre ia manery anao andeha kilometatry raiky, mandehana miaraky amin'gny kilometatry roa. 42 Omeo ze mangataky aminao, sady ka manda ndre ia ndre ia magniry gny hindra aminao. 43 Fa renareo fa voasafa hoe: 'Tsy maintsy mitia gny mpiara-belo aminao iha sady magnaboka gny fahavalonao.' 44 Fa volagniko aminareo, tiavo gny fahavalonareo ka mivavaha ho an'ze magnenjiky anareo, [Fagnamariha: Ny dikan-teny taloha soa bevata dia manala ny hoe: ""'Misaora reo ze manozo anareo, manaova ny soa amy reo ze mankahala anareo.""'] 45 mba ho avy gnanaky gny Babanareo zay agny an-dagnitry nareo. Fa I ro mampiposaky gny masoandrony amin'gny raty voho gny soa, ka mampilatsaky gny ora amin'gny marina voho gny tsy marina. 46 Fa laha ze tea anareo ro tiavonareo, ino gny valisoa azonareo? Moa ndre ngy mpamory hetra aza tsy mba manao manahaky an'zay koa? 47 Laha gny rahalahinareo avao ro arabainareo, ino ro mba ataonareo mihoatry gny hafa? Moa ndre gny Jentilisa aza tsy mba manao manahaky an'zay koa? 48 Noho zay ro tsy maintsy tanteraky nareo, manahaky gny fahatanterahan'gny Babanareo an-dagnitry agny.