Toko faha 4

1 Zao gny safako, laha mbo zaza gny mpandova, tsy misy hafa amigny andevo, ndre i aza tompo gny raha iaby. 2 Kanefa I mbo ambany fiambenan'ireo mpiamby voho gn'ireo mpagnajary gny saha saro-bidy, mandram-pihaviany daty napetrakiny rainy. 3 Mbo mahaky an'zay koa ntsika taminy mbo zazakely ka nandevozin'ny lalana fitsipi-pianaragn'izao tontolo izao. 4 Fa lafa niavy hafenoan'gny fotoa, ka nandefa gny gnanakiny Andriagnanahary, zay naterak'ampela, nateraky tambanin'ny lalana. 5 Nataon'ny izay mba hagnavota ireo ambanin'ny lalana, mba afahantsika mandramby gny fanangana ho agnaky. 6 Fa satria gnanaky nareo ka nirahin'Andrianagnahary ho ao agnaty fon-tsika gny fanahin'ny gnanakiny, zay voakaiky hoe: ''Aba, Ray.'' 7 Ka noho izay fa tsy andevo koa iha fa gnanaky ka gnanaky mpandova amin'ny alalany Andrianagnahary koa iha. 8 Fa taminy andro zay, fogny mbo tsy nahay an'Andrianagnahary nareo ka ho natao andevon'gnareo zay mana hery voajagnahary, ka tsy ho Andrianagnahary mihitsy zay. 9 Fa henaniky zao fa hainareo gny ANdrianagnahary na koa hoe Andrianagnahary mahay anareo. Ka manao akory koa mbo himpoliana nareo amigny abidim-piagnara zay malemy ro sady tsy misy dikany? Teanareo avao gny handevozy indraiky? 10 Mandiniky reo andro, vola, vanim-potoa voho tao ianareo! 11 Matahotry gny aminareo zaho tsony zava-poana gny asako taminareo. 12 Miangavy anareo zaho, ry rahalahy, manaova manahaky ahy satria zaho fa mitovy aminareo. Nareo tsy raha raty tamiko. Tsy nanao ratsy ahy nareo. 13 Kanefa , hainareo gny filazantsara tamin'ny voalohany. 14 Ndra nanday anareo tamign'ny fakam-panahy aza gny toe-batako ka tsn nanao tsinontsino na nanifiky ahy nareo. Fa nirambesinareo manahakan'ny hoe anjelin-Dragnahary koa zaho, manahikigny hoe i zaho mihintsy ro Kristy Jesosy. 15 Aia, zay gny fahasoavanareo henaniky zao? Mijoro vavolombelo aminareo zaho fa gny laha azonareo atao, gny nombotry gny masonareo ka nomenareo ahy. 16 Ka noho zay, fa fahavalonareo koa va zaho satria mivola aminareo gny marina? 17 Reo laha mazoto hitao anareo, fa tsy amigny soa. Te hagnily anareo amonto agny reo, mba hanananareo zotom-po andreo. 18 Soa avao gny mana zotom-po amign'ny tanjona soa, ndra tsy miaraky aminareo avao zaho. 19 Ry gnanako, mbo mijaly amign'ny fanaintainan'ny fiteraha ho anareo koa zaho mandra-piforognan'i Kristy ao aminareo. 20 Maniry zaho mba ho afaky miaraky aminareo henaniky zao sady hanova gny feoko satria sahiran-tsay noho aminareo. 21 Volagno amiko, nareo zay magniry gny ho ambanin'ny lily, moa ve tsy mijanjy gny lily va nareo? 22 Satria voasoratry fa i Abrahama, nanan-gnanaky soa lahy, gny raiky baka amigny ampela andevo, voho gny raiky koa baka amigny ampela afaky. 23 Fa gny raiky nateraky gn'ampela andevo arakigny gny nofo, fa gny raiky hafa nateraky gn'ampela tamigny safa fampanantena. 24 Ireo raha reo dia azo rambesy ho toy gny fanohana, satria ampela reo manambara fagnekena roe. Gny raiky amindreo baka amign'ny tendrombohitr'i Sinay ka niteraky zaza andevo i. I io ro Hagara. 25 Ka i Hagara magneho gny tendrom-bohitr'i Sinay agny Arabia, sady maneho agn'i Jerosalema amin'zao andro zao, satria nandevozy miaraky tamin'ireo gnanakiny I. 26 Fa i Jerosalema zay agnabo agny zay afaky zay ro renintsika. 27 Satria voasoratry hoe: ''Misignisignia iha sy momba zay tsy miteraky. Mikahikahia mare sady manaova koiky ampisignisignia, iha zay tsy mijaly amign'ny fiteraha. Satria gny gnanaky gny ampela zay nafoy dia maro noho gny anireo ampela manambaly. 28 Fa nareo, ry rahalahy, mitovy an'i Isaka, gnanaky gny famoanantena. 29 Tamin'zay andro zay gny olo zay teraky araka gny nofo ka nagnendriky zay teraky tamign'ny araka gny fagnahy. Manahakan'zay koa gny henaniky izao. 30 Kanefa ino ro volagnin'ny Soratry Masy? ''Alefaso agny gny andevo vavy sy gny gnanaky lahy. Fa gny zanaky lahin'ny andevo ampela tsy hizara lova miaraky amign'nygnanaky lahin'ny ampela afaky.'' 31 Noho izay, ry rahalahy, tsy gnanaky gny andevo ampela tsika, fa gnanaky ampela afaky.