Toko faha 8

4 (Fagnamarihana: Jereo ny fagnamarihana momban'i Jaona 7:53-8: 11 etsy ambone) Avy teo hoy areo tamin'ajy hoe: "Ry mpampianatra ô, i viavy toy die tratra teo am-pijangajangana. 5 Ary ao amin'ny lalàna, Mosesy nibeko anay ba hitily vato ny olo tahaka an'ijay; ino no jakainao momba an'aje?" 6 Nijakain-dreo hamandrihana an'Ajy fotsiny anefa ijany ba ahafahan-dreo magnameloka an'Aje, fa Jesôsy koja niondrika ary nanoratra tamin'ny tany tamin'ny ratsan-tagnane. 7 (Fagnamarihana: Jereo ny fagnamarihana momban'i Jaona 7:53-8: 11 etsy ambone) Rehefa nametraka fagnotanena taminajy fehijay areo, die nitsangagna Ijy ka nijaka an-dreo hoe: "Ijay tsy nanota taminareo, aleo ijy hitily vato an'aje vôlohane." 8 Die niondrika koa Ijy, ary nanoratra tamin'ny tany tamin'ny ratsan-tagnane. 9 (Fagnamarihana: Jereo ny fagnamarihana momban'i Jaïna 7:53-8: 11 etsy ambone) Rehefa naharegny an'ijany areo, die nenga kirai-draike, nanomboka tamin'ny joky olo indrindra. Ary farany die Jesôsy irerika mandy sisa no tavela teo, niaraka tamin'ilay viavy ijay teo agnivone. 10 Nitsangagna Jesôsy ka nijaka tamin'aje hoe: "Raviave, fa nenga aja ny mpagnameloka anao?" 11 Hoy ijy hoe: " tsy misy, Tompoko." Ary hoy Jesôsy hoe: "Tsy magnameloka anao Aho. Mandihana ary aja manota koa." 12 Nijaka tamin-dreo indraike Jesôsy, magnano hoe: " Aho no fahajavan'ijao tontolo ijay; ijay magnarake an'Ahy die tsy handeha amin'ny hejigna fa hanagna ny fahajavan'ny fiaignana." 13 Hoy ny fariseo tamin'aje hoe: "Anao die magnambara ny tegnanao; tsy marina ny fagnambaranao." 14 Jesôsy namaly ka nagnano tamin-dreo hoe: "Na die magnambara ny tegnako aja Aho, die marina ny fagnambarako. Fantatro ny neveko sy ny lalagna andihanako, fa anareo koja tsy mahafantatrr ijay neveko na ijay andihanako. 15 Anareo die mitsara araky ny nofo; fa Aho tsy mitsara na ija na ija. 16 Na die mitsara aja Aho; die marina ny fitsarako satria tsy irery Aho, fa miaraka amin'ny Ray ijay nagniraka an'Ahe. 17 Eke, ary ao amin'ny lalàgnareo die vôsoratra fa marina ny fijorôn'ny olon-droy vavolombelogna. 18 Aho no magnambara ny tegnako, ary ny Ray ijay nagniraka an'Ahy mandy koa die magnambara an'Ahe." 19 Hoy areo tamin'ajy hoe: " Aja ny rainao?" Jesôsy namaly hoe: " Tsy fantatrareo na Aho na ny Raiko; raha nahafantatra an'Ahy anareo, die mahafantatra ny Raiko mandy koa." 20 Marivon'ny fandatsahan-drakitra ijy no nijaka anijay jaka ijay tamin'ijy nampianatra tamin'ny tempoly igne, ary tsy nisy nanambotra an'Ajy satria bola tsy avy ny lerane. 21 Ary hoy indrika ijy tamin-dreo hoe: " Andeha Aho; handremby an'Ahy anareo ary die ho maty amin'ny fahotanareo. Ijay andihanako, die tsy ho ajonareo handihanana." 22 Hoy ny Jiosy hoe: " Hamono fo ve ijy? ijany ve no antony nilajany hoe: 'Ijay andihanako, die tsy ajonareo handihanana'?" 23 Hoy Jesôsy tamin-dreo hoe: " Avia atoy ambany anareo; Aho koja avy ambony egne. Avy amijao tontolo ijao anareo; fa aho koja tsy avy amjao tontolo ijao. 24 Noho ijane, nambarako taminareo fa ho maty ao amin'ny fahotanareo anareo. Fa raha tsy mino anareo fa AHO NO IJY, die ho maty amin'ny fahotanareo anareo." 25 Noho ijany die hoy areo taminaje hoe: "Ija moa anao?" Hoy Jesôsy tamin-dreo hoe: "Araka ijay vôlajako taminareo hatramin'ny vôlohane. 26 Managna raha maro hijakaiko sy hitsarana momba anareo Aho. Kanefa, Ijy ijay nagniraka an'Ahe die marina; ary ijay javatre jay regniko taminaje, die hambarako am'ijao tontolo ijao." 27 Tsy ajon-dreo anefa fa Ijy die nivoria tamin-dreo momba ny Ray. 28 Hoy Jesôsy hoe: " Rehefa asandratrareo ny Janak'Olo, die ho fantatrareo fa aho no IZY, ary tsy magnano na ino na ino ho an'Ahy Aho. Araka ny nampenarin'ny Ray an'Ahe, no hilajako an'ireo javatra ireo. 29 Ijy ijay nagniraka an'Ahy die miaraka amin'Ahe, ary tsy namela an'Ahy ho irery ijy, noho Aho magnano ijay ankasitrahany mandrakariva." 30 Raha nilaja an'io javatra io Jesôsy, die be no nino an'Aje. 31 Jesôsy nijaka tamin'ny Jiosy jay nino an'Ajy hoe: " Raha mitoetra amin'ny jakako anareo, die ho tena mpianatro; 32 ary ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hagnafaka anareo." 33 Ary areo namaly an'Ajy hoe: " Taranak'i Abrahama ahay ary bola nandivojin'ija na ija hatramin'ijay; ka magnino no hijakanao hoe: 'Ho afaka anareo'?" 34 Jesôsy namaly an-dreo hoe: "Lajaiko aminareo, marina, die marina tokôtre, f'ireo ijay manota die andevon'ny ota. 35 Ny andevo die tsy mitoboke ao an-dragno mandrakijay; fa ny janaka no mitoboka mandrakijay. 36 Noho ijane, raha ny Janaka no magnafaka anareo, die ho afaka tokôtra anareo. 37 Fantatro fa taranak'i Abrahama anareo; mandremby ijay hahafaty an'Ahy satria tsy managna toerana ao aminareo ny jakako. 38 Milaja ijay hitako niaraka tamin'ny Raiko Aho, ary anareo koa mambôtra ijay regninareo tamin'ny rainareo." 39 Namaly areo ka nilaja taminajy hoe: " Abrahama no iabanay." Jesôsy nijaka an-dreo hoe: " Raha janak'i Abrahama anareo, die hambôtra ny asan'i Abrahama. 40 Kanefa, amijao fotôgna ijao anareo mandremby hamono an'Ahe, ijay lelahy nilaja taminareo ny marina ijay regniko tamin'Andriamanitre. Abrahama tsy nagnano an'ijane. 41 Anareo die magnano ny asan'ny iabanareo." Hoy areo taminajy hoe: " Tsy teraka tamin'ny fijangajangana ahay; raika mandy ny Rainay: die Andriamanitre." 45 Kanefa, satria milaja ny marina Aho, die tsy mino an'Ahy anareo. 46 Ija aminareo no magnameloka an'Ahy amin'ny fahotako? Raha milaja ny marina Aho, nahôna no tsy hinônareo? 47 Ijay avy amin'Andriamanitre; tsy maharegny an'ijany anareo satria tsy avy amin'Andriamanitre." 50 Tsy mandremby ny voninahitro aho; misy raika mandremby sy mitsara. 51 Jakaiko aminareo, marina, die marina tokôtre, fa raha misy mitandrigna ny jakako, die tsy hahita fahafatesana mandrakijay ijy." 52 Hoy ny jiosy tamin'aje hoe: "Aminjao fantatray fa managna demonia Anao. Efa maty Abrahama sy ny mpaminagny; Kanefa anao milaja hoe: 'Raha misy mitandrigna ny jakako, die tsy hahita fahafatesana mandrakijay ijy'. 53 Tsy angeja mihôtran'ny rainay Abrahama ijay efa maty Anao, sa ve angeja? Ny mpaminagny mandy koa die maty. Mambôtra ny tegnanao ho ija moa Anao?" 54 Jesôsyy namaly hoe: "Raha mankalaja ny tegnako Aho, die ho tsinotsinona ny voninahitro; Ny Raiko ijay atanareo ho Andriamanitra no mankalaja Anahe. 55 Tsy fantatrareo ijy, fa Aho mahafantatra an'Aje. Raha milaja Aho hoe: 'Tsy mahafantatra an'Ajy Aho,' die ho tahaka anareo, mpivande. Kanefa, fantatro ijy ka mitandrigna ny teniny Aho. 56 Ny rainareo die nifaly nahita ny androko; nahita an'jany ijy die fale." 57 Hoy ny Jiosy taminajy hoe: " Bola tsy misy dimampolo taogna aja Anao, ka die ho efa nahita an'i Abrahama ve?" 58 Ary hoy Jesôsy tamin-dreo hoe: " Lajaiko aminareo, marina, die marina tokôtra, talohan'ny nahaterahan'i Abrahama, die aho no ijy." 59 Avy teo die nangala vato hatily Anajy areo, fa Jesôsy koja nenga ka nivôka ny tempoly.