Toko faha 7

1 Tafaran'ireo raha ireo Jesôsy die nenga tagny Galilia, fa tsy te ho agny Jodia anefa Ijy noho ireo Jiosy mikasa hamono Anajy. 2 Ary efa nariny ny andro fifalefalen'ny Jiosy ny Taberinakely. 3 Noho ijany ireo rahalahy, nijaka taminajy hoe: Melà amin'itoy toerana itoy ary mandihana agny Jodia, ba hahafahan'ireo mpianatrao mahita ireo asa amboarinao ihiany koa. 4 Tsy misy olo magnano raha mivony ijany laha ijy tegnany ary te-hofantatra ampahibemaso. Laha magnano ireo raha ireo anao, die miseho amin'ijao tontolo ijao." 5 Fa na ireo rahalahy aja tsy nino Anajy. 6 Noho ijany Jesôsy nijaka andreo hoe: "Bola tsy avy ny fotôgna, fa ny fotôgnanareo koja die vognona lalandava. 7 Tsy afaka hankahala anareo ijao tontolo ijao, fa Aho no halany satria magnambara fa ratsy ireo asany. 8 Anareo mekara agny amin'ny fifalefalena; fa Aho koja die tsy handeha amin'ijany satria tsy bola avy ny fotôgnako." 9 Tafaran'ny nijakany ireo raha ireo tamindreo, die nijanogna tao Galilia Ijy. 10 Fa laha efa niakatra tagny amin'ny fahafalefalena ireo rahalahiny, die niakatra tagny mandy koa Ijy aviteonigne, tsy nisehoseho fa nivony. 11 Nandremby Anajy tagny amin'ny fifalefalena ireo Jiosy ary nijaka hoe: "Aja Iny?" 17 Laha misy olo magniry hanao ny sitram-pony, die hahalala mahakasika an'io fampenarana io ijy, na lahatamin'Andriamanitra ijany, na Iaho no mijaka avy amin'ny tegnako. 18 Na ija na ija mijaka avy amin'ny tegnany die mandremby ny vononahitry ny tegnany manokagna, fa na ija na ija mandremby ny vononahitr'ijay nagniraka anajy, die io olo io no marina, ary tsy misy tsy fahamarinana ao aminajy. 19 Tsy namen'i Mosesy anareo ve ny lalàna? Ka anefa tsy misy aminareo mitandrigna ny lalàna. Nahôna anareo no mikasa ny hamono Anahy?" 20 Namaly ny vahôka hoe: "Anao die misy devoly. Ija koa no mikasa hamono Anahy?" 21 Jesôsy namaly ka nijaka andreo hoe: "Asa raike no namboariko, ary die jendagna nohon'ny amijany aby anareo. 22 Namen'i Mosesy ny famoràna anareo (Tsy hoe avy amin'i Mosesy ijany, fa lahatamin'ireo rajagna) ary amin'ny sabata die mamora olo anareo. 23 Laha amin'ny sabata no amorana ny olo ba tsy ho vôdika ny lalàn'i Mosesy, die nahôna anareo no vignitra Aminahy laha nagnasitragna tanteraka olo raika tamin'ny Sabata aho? 24 Aja mitsara amin'ny endrika ivelany, fa mitsarà am-pahamarinana." 25 Nisy saragne tamin-dreo avy lahatagny Jerosalema nijaka hoe: "Tsy toy ve ilay rombejindreo hivonina? 26 Jereo, mivoria miharihary Ijy, ary tsy misy mijaka na ino na ino Anajy ijy ireo. Die ho fantatry ny mpitondra tokôtra ve fa Ijy no Kristy? 27 Efa fantantsena hoe avy lahataja io lelahy io. Fa laha efa avy ilay Kristy, die tsy hisy hahalala hoe avy lahataja Ijy." 28 Aviteo nihieka mahare i Jesôsy tao an-Tempoly, nampianatra ary nijaka hoe: "Anareo die samy mahalala ny tegnako ary mahalala ny fievieko. Tsy avy nohon'ny tegnako manokagna Aho, fa ilay nagniraka Anahy die marina, ary tsy fantatrareo Ijy. 29 Fantatro Ijy satria Aho die avy Aminajy ary Ijy no nagniraka Anahy. 30 Niejaka ny hanambotra Anajy areo, fa tsy nisy nangijintagnana tAminajy satria tsy bola avy ny fotôgnany. 31 Kanefa rahabe tamin'ireo vahôka no nino Anajy, ary hoy areo hoe: "Laha efa avy ilay Kristy, moa hagnano famantarana rahabe mihôtra ny vitan'io lelahy io ve Ijy?" 32 Naharegny ny vahôka nivitsikitsika ireo raha mahakasika an'i Jesôsy ireo ny Fariseo, ary ny lohan'ny mpisorogna sy ireo Fariseo die nagniraka mpiandry raharaha hanambotra Anajy. 33 Hoy Jesôsy aviteo hoe: "Kely sisa ny fotôgna herahako aminareo, die henga ho agny amin'ilay nagniraka Anahy Aho. 34 Handremby Anahy anareo fa tsy hahita Anahy; ijay handihanako, tsy ho ajonareo andihanana." 35 Noho ijany ireo Jiosy die nifampivoria hoe: "Fa henga ho aja io lelahy io no tsy hovitantsena ny handremby Anajy? Handeha ho agny amin'ireo ijay niparitaka agny amin'ny Grika die hagnanatra ireo Grika ve? 36 Ary ino ny dikan'ny jaka nijakainy hoe: 'Handremby anahy anareo fa tsy hahita Anahy; ijay handihanako tsy ho ajonareo handihanana'?" 37 Ary tamin'ny farany, andro lehibe amin'ny fifalefalena, die nitsangagna Jesôsy ary nijaka hoe: ''Laha misy mangetaheta, abilay ijy hagnantogna Anahy ary hinogna. 38 Ijay mino Anahy, arakan' ny vôlajan' ny soratra Masina, die hikoregna lahatao amin'ny trokany ny rano velogna.'' 39 Fa ijao no lajainy momban'ny Fagnahy, ireo ijay nino Anajy no handray; ilay fagnahy die bola tsy namena satria tsy bola nahajo voninahitra Jesôsy. 40 Ny sasagny tamin'ireo vahôka, laha efa naharegny an'ireo jaka ireo, die nijaka hoe: "Itoy tokôtra ilay mpaminagny." 41 Ireo hafa nilaja hoe: "Itoy ilay Kristy." Fa nisaragny nijaka hoe: "Fa angaha Kristy avy agny Galilia? 42 Tsy vôlajan'ny soratra Masina ve fa Kristy die ho avy amin'ny taranak'i Davida ary avy ao Betlehema, ilay tanàna ijay nisy an'i Davida?'' 43 Ka nisy fijarana teo amin'ny vahôka noho Ijy. 44 Ny saragny tamindreo te-hanambotra Anajy, fa tsy nisy nagijintagnana taminajy. 45 Aviteo ireo mpandigny raharaha nimpody tagny amin'ireo lohan'ny mpisorogna sy ireo Fariseo, ijay nilaja tamin-dreo hoe: "Nahôna anareo no tsy nitondra Anajy?" 46 Namaly ireo mpiambigna raharaha hoe: "Tsy bola nisy nivoria tahaka ijany mihitsy." 47 Noho ijany ireo Fariseo namaly andreo hoe: "Vôfitaka hiany koa ve anareo? 48 Moa nisy tamin'ireo mpanapaka ba nino Anajy, na tamin'ireo Fariseo? 49 Fa ireo vahôka ireo die tsy mahalala ny lalàna, vôojogna areo." 50 Nikodomosy (raika amin'ireo Fariseo, ijay avy mialoha teo aminajy), nijaka hoe: 51 "Moa ve ny lalàntsena mitsara olo melohan'ny harignesana anajy ka halalana ijay namboariny?" 52 Namaly ijy ireo ary nijaka taminajy hoe: "Avy agny Galilia koa angaha anao? Mitadiava ary jahay fa tsy misy mpaminagny avy lahatagny Galilia." 53 (Fagnamarihana: ny dikan-teny taloha tsara indrindra die tsy ahitana ny Jaona 7:53-8:11) [Aviteo ny tsiraidraike nenga agny andragnony aby.