Toko 1

1 Paoly, apostoly raike an'i Kristy Jesôsy tamin'ny sitrapon'Andriamanitra, sy Timoty rahalantsena, ho an'ny fiangonanan'Andriamanitra ijay ao amin'ny Korinto, ary ho an'ireo mpino abiaby magnerana ny faritry Akaia. 2 Ho aminareo anie ny fahasoavana ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsena sy Tompo Jesosy Kristy. 3 Ho deraina anie ny Andriamanitra sy Iaban'ny Tompontsena Jesôsy Kristy. Ijy no Iaban'n'y famindram-po abiaby sy Andriamanitry ny fampionognana abiaby. 4 Andriamanitra die mampionogna antsena amin'ny fahoriantsena abiaby, ka mba ahafahantsena mampionogna ireo ijay ao agnaty fahoriana. Antsena die mampionogna ireo hafa hôtrin'ny fampionognana ijay nampiasan'Andriamanitra ampionognana antsena. 5 Fa hôtrin'ny ny hitomboan'ny fijalian'i Kristy nohon'ny aminay, no hitomboan'ny fampionognana anay koa amin'ny alalan'i Kristy. 6 Fa laha nampahoriana ahay, ijany die ho amin'ny fampiononagna sy famonjena anareo. Ary laha nampiononogna ahay, ijany die ho an'ny fampiononagna anareo. Ny fampionognanareo die mandaitre laha manam-paharetana hijara ireo fijaliana ijay mitovy amin'ny fijalianay koa. 7 Fa ny fahatokisanay momba anareo die ajo antoke, satria ahay die mahafantatre fa anareo koa die mijara ireo fijaliana, anareo koa die mijara fampiononagna. 8 Fa tsy tianay anareo tsy ahafantare, ry rahalahy, ny amin'ireo olagna nanjo anay tany Asia. Ijahay die novesarina tenterake mihoatran'ijay tokony ho jakanay, betsaka lôtre ka tsy nagnantegna ny hiaigna ela koa ahay. 9 Teo aminay tokôtre ny fagnamelohagna ho faty. Fa ijany no nahatonga anay tsy ho faty. Fa ijany no nahatonga anay tsy hametrake ny tokinay eo amin'ny tegnanay mandy, fa koja amin'Andriamanitra ijay mampitsangana ny maty. 10 Nagnavotra anay tamin'ny loja mahafate hôtrin'ijany Ijy, ary mbola hagnavotra indraike. Ijahay die nametrake ny tokinay tamin'Aje fa mbola hagnafake anay indraike Ijy 11 Ijy die hagnano ijane satria anareo koa die magnampy anay amin'ny alalan'ny vavakareo. Ary rahabe avy eo no hagnome fisôrana amin'ny agnaranay noho ny tombom-pahasoavana nomena anay tamin'ny alalan'ireo vavake ny maro 12 Ahay die mirehareha amin'ijao: Fijorôna vavolombelogna ny amin'ny feon'ny fieritreretanay. Fa tamin'ny fikasana madio sy fahatsoram-po ijay avy amin'Andriamanitra ijay nitondranay ny tegnanay ao amin'ijao tontolo ijao. Ahay die nahavita ijany abiaby ijane ary ny habejany niaraka taminareo_tsy tamin'ny fahandren'ijao tontolo ijao, fa tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra. 13 Ahay die tsy nanoratre raha tsy ho vôvaky na ho ajonareo. Iaho die magnatena fa, 14 satria anareo nahajo ny momba anay amin'ny ampahany, ahay die ho antony reharehanareo amin'ny andron'ny Tompontsena Jesôsy, hôtrin'ny anareo ho antony hireharehanay. 15 Satria natoky ny momba ijany iaho, die te ho agny aminareo aloha, mba hahafahanareo mahajo tombone amin'ny fitsidihana roe. 16 Niomagna ny hitsidika anareo laha tegne amin'ny lalako ho agne Makedonia aho. Ary avy eo die mbola nagniry hitsidike anareo indraike aho tamin'ny diako avy lahatagne Makedonia, ary ny mba hagnateranareo an'ahe tegne amin'ny lalako ho agne jodia avy eo. 17 Laha nieritreritre hôtran'ijany iaho, die nisalasala ve aho? Nangnomana ireo raha ireo araka ny nofo ve iaho, mba hijakako." Eke, eke" sy "Tsia, tsia amin'ny fotôgna raike mandy? 18 Fa satria Andriamanitra die mahatoky, antsena die tsy afake ny hijaka na "Eke" na "Tsia." 19 Fa ny Janak'Andriamanitra, Jesôsy Kristy, ijay nitorian'ny Sylvanosy, Timoty ary iaho taminareo, die tsy "Eke" na "Tsia." fa Ijy die nijaka fehijay hoe"Eke." 20 Satria ny fampagnantenan'Andriamanitra abiaby die" Eke" aby ao amin'Aje. Ka amin'ny alalagne koa antsena die hijaka hoe"Amena" ho an'ny voninahitr'Andriamanitra. 21 Ary Andriamanitra ijay magnamafy anay aminareo ao amin'ny Kristy, ary Ijy no nagniraka antsena. 22 Ijy die nagnisy tombo-kase tamintsena ho antok'ijay mbola homene antsena ao afara. 23 Fa nagnatso an'Andriamanitra iaho, hijoro vavolombelogna ho an'ahe ijay antone tsy niaviako tao Korinto mba hamindrako fo aminareo. 24 Ijany die tsy sagnatria noho ahay miejake ny mamehe ijay tokone ho finoanareo, Fa koja, ahay die miara-miasa aminareo amin'ny fifalianareo, satria anareo mijoro amin'ny finoanareo.