Toko 1

1 Paoly, nangihin'i Jesôsy Kristy mba ho Apostoly nohon'ny sitrapon'Andriamanitra, sy Sostena rahalahintsena, 2 ho an'ny fiangonan'Andriamanitra ao Korinto, ho an'ny jay nohamasinina tao amin'i Kristy Jesôsy, jay vôantso ho olo masina. Manoratra ho an'ny abiaby jay mangaike ny agnaran'i Jesôsy Kristy Tompontsena amin'ny toerana aby mandy koa ahay, die Tompon'dreo sy antsena. 3 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana laha tamin'Andriamanitra Iabantsena sy Jesôsy Kristy Tompo. 4 Iaho die nagnome fisôrana ho an'Andriamanitrako anareo fehijay nohon'ny fahasoavan'Andriamanitra jay nomen'i Jesôsy Kristy anareo. 5 Nataone nanankarena tamin'ny fomba aby anareo tamin'ny fijaka manontolo sy ny fahalalana aby, 6 raha vô porofo teo aminareo fa marina ny fagnambatana momban'i Kristy. 7 Noho ijany anareo die tsy ory fonomezam-pahasoavana eo am-pandigniasanareo mafy ny fagnambarana an'i Jesôsy Kristy Tompontsena. 8 Ijy mandy koa die hampahery anareo hatramin'ny farany, mba tsy hanan-tsiny anareo amin'ny andron'i Jesôsy Kristy Tompontsena. 9 Mahatoky Andriamanitra, jay nangaike anareo ho amin'ny firaisana amin'ny Janany lahy, Jesôsy Kristy Tompontsena. 10 Ankehitriny die mampirisike anareo iaho, ry rahalahy, amin'ny agnaran'i Jesôsy Kristy Tompontsena, mba hifanaraka anareo abiaby, die tsy hisy fisarahana eo aminareo. Mpampirisika iaho mba hikambana amin'ny saina mitovy sy tanjona mitovy anareo. 11 Fa efa natao mazava taminahy, ry rahalahy tamin'ny alalan'ny vahôkan'i Kloe fa'misy'fifampiandaniana eo aminareo. 12 Ny tiako jakaina die ijao: Ny tsiaraidraike amainareo samy manao hpe: ''Iahao miaraka amin'i Paoly," na "Iaho miaraka amin'i Apolosy," na "Iaho miaraka amin'i Kefasy," na ,"Iaho miarake amin'i Kristy.'' 13 Vôzarazara ve Kristy? Paoly ve no nomboana ho anareo? Tamin'ny agnaran'i Paoly ve no nagnanaovana batisa anareo? 14 Misaotra an'Andriamantra iaho fa tsy nisy nataoko batisa anareo, afa-tsy Krispo sy Gaio. 15 Ijany die mba tsy hafahan'ija na ija mijaka hoe tamin'ny agnarako no nagnanaovana batisa anareo. 16 (Iaho mandy koa die nanao batisa ny ankohonan'i Stefanasy. Ny ankôtra ijay, tsy fantatro raha nanao batisa olon-kafa iaho.) 17 Fa Kristy tsy naniraka anahy mba hampagnano batisa fahitory ny filajantsara. Ijy tsy nandefa anahy hitory amin'ny tenin'ny fahendren'ny olombelona, mba tsy ho fôgna ny herin'ny hazofijalian'i Kristy. 18 Fa ny hafatre momba ny hajo fijaliana die hamôlana amin'ny ijay ho faty. Fa eo amin'ny jay ho vonjen'Andriamanitra koja, die herin'Andriamanitra ijany. 19 Fa vôsoratre hoe: ''Ho potehiko ny fahendren'ny kanty. Ho foagnako ny fahalalan'ny mahay.'' 20 Aija ny olon-kanty? Aija ny manam-pahaizana? Aija ny mpiady hevitre an'ijao tontolo ijao? Moa tsy navadik'Andriamanitra ho fahadalana ve ny fahnedren'ijao tontolo ijao? 21 Satria tsy nahalala an'Andriamanitra ijao tontolo ijao tao amin'ny fahzndreny, die sitra''Andriamanitra ny hamonjy ny jay mino amin'ny alalan'ny hamôlan'ny fitoriana. 22 Fa ny Jiosy die mangataka famantarana mahajendagna die ny Grika mandrembe fahendrena. 23 Fa ahay mitory an'i Kristy voahombo, jay vato fanafintohinana ho an'ny Jiosy ny hamôlana ho an'ny Grika. 24 Fa ho an'ny jay nangihan'Andriamanitra, ny Jiosy sy ny Grika, die mitory an'Kristy hôtra ny hery sy fahendren'Andriamanitra ahay. 25 Fa ny fahamôlan'Andriamanitra die kanty noho ny olo, die ny fahalemen'nAndriamanitra die matanjaka noho ny olo. 26 Hevero ny fagnangehana anareo, ry ralahy. Tsy maro taminareo no kanty raha ny amin'ny maha olombelona. Tsy maro taminareo no nahery. Tsy maro taminareo no avo firazanana. 27 Fa Andriamanitra die nisafidy ny raha adalan'ijao tontolo ijao mba hampahamenatra ny kanty. Andriamanitra die nisafidy jay malemy eo amin'ijao tontolo ijao mba hampahamanatra ny matanjaka. 28 Andriamanitre die nosafidy jay ambany sy hamavoina eto amin'ijao tontolo ijao. na Ijy aja die nifidy ny raha jay noheverina ho tsinotsinona ny raha jay atao ho manda-batrake. 29 Nataony ijany mba tsy hisy hanana antony hireharehana eo anatrehany. 30 Nohon'ny nataon'Andriamanitra, ankehitriny anareo die ao amin'i Kristy Jesôsy, jay lasa fahendrena ho antsena laha tamin'Andriamanitra. Ijy die lasa fahamarinantsena, famasinantsena ary fahafahantsena. 31 Vokatr'ijany, araka ijay vôlazan'ny Soratra Masina hoe: ''Ôka jay mirehareha, hirehareha ao amin'ny Tompo.''