Toko faha 4

1 Noho zany, ry ralà malalako ze mahamanigna anà, fifaliko sy satro-boninatro, am'zany de mijoro tsara akao amin'ny Tompo, ry namako malala. 2 Mengavy an'i Eodia za, ary mengavy an'i Syntyke, miraisa saigna akao amin'ny Tompo. 3 Ary, mangataka aminao iany kô ry namako mpiray zoga: ampeo reo vevavy reo. Satria zareo de niara-niasa taminà tamin'ny fagnaparitana ny filazantsara niaraka tamin'i Klementa sy reo sisa namana mpiara-miasa aminà daôly, ze fa akao amin'ny Bokin'ny fiaignana ny anara'njareo. 4 Mifalia atraigny akao amin'ny Tompo. Hoy iany za, mifalia. 5 Avelao ho fantatrin'ny ôla daôly ny fatsoram-ponareo. Efa ankeky ny Tompo. 6 Aza magna na amin'ino na amin'ino. Fa kosa amin'ny ra daôly amin'ny alalan'ny vavaka sy fangatana, miaraka amin'ny fisaorana, avelao ny fangatanareo ho fantatr'Andriamanitra. 7 Ary ny fiadanan'Andriamanitra, ze miôtra ny falalàna daôly, hiaro ny fonareo sy fisaignanareo daôly akao amin'i Kristy Jesosy. 8 Ary farany, ry ralà, na ino na ino marina, na ino na ino manan-kaja, na ino na ino ara-drariny, na ino na ino madio, na ino na ino mafinaritra, na ino na ino nitaravina fa tsara, raha misy na ino na ino tegna tsara, raha misy na ino na ino tokony ho deraina, de mevera an'iregny ra reigny. 9 'Reo ra ze nenaranareo sy niraisinareo sy regninareo ary itanareo taminà, ataovy regny ra regny, ary ny Andriamanitry ny fiadanana hiaraka aminareo. 10 Mifaly be akao amin'ny Tompo za satria navaozinareo iany amizao fotona zao ny fiheveranareo anà. Efa mihevitra ana tokô anareo takeo alô, fa tsisy fahafana ho an'nareo mba hagnampy. 11 Tsy milaza an'zany za satria akao agnatin'ny tsy fampena. Fa efa nianatra ny nifaly am'ze toe-java-miseho daôly za. 12 Fantatro ny hoe: mahantra ary fantatro kô ny hoe manam-be. Amin'ny fomba daôly sy amin'ny ra daôly de nianatra ny tsiambaratelon'ny finanam-be sy ny anoanana za,ary ny hoe manam-be sy ny hoe akao agnatin'ny tsy fampena. 13 Afaka magnano ny ra daôly za amin'ny alalan'ny le mampahery anà. 14 Kanefa, anareo nagnano ny tsara taminà tamin'ny fasahiranako. 15 Ary anareo filipiana mafantatra fa tamin'ny fendoan'ny filazantsara, rafa nandao an'i Makedonia za, de tsisy fengonana nanoana anà ra ny makasika ny fagnomezana sy ny fandraisana afa-tsy anareo rerika. 16 Na taminà takaigny Tesalonika aza, de nandefa fagnampena ho an'ze nilaiko miôtra ny indray mande anareo. 17 Tsy hoe nikarakara fagnomezana za. fa kosa, nikarakara vokatra ze nampiakatra ny voninatrareo za. 18 Nandray 'reo ra daôly za, ary manana betsaka be. fa feno za. voaraiko avy tamin'i Epafrodito 'reo ra avy taminareo. 'Reo de hanitra manim-pofona, ze fagnatitra azo ekena sy ankasitran'Andriamanitra. 19 Ary Andriamanitro hameno ze daôly ilainareo araka ny haren'ny voninahiny akao amin'i Kristy Jesosy. 20 Ary ho an'Andriamanitra sady Raintsika ane ny voninatra mandrakizay dory. Amena. 21 Maova veloma an'ny mpino daôly akao amin'i Kristy Jesosy. 'Reo ralà ze miaraka amina de magnano veloma an'nareo. 22 'Reo mpino daôly ze aketo magnano veloma an'nareo, ndrindra 'reo ze avekao amin'ny ankohonan'i Kaisara. 23 Ny fasoavan'ny Tompo Jesosy Kristy ane ho amin'ny fagnanareo. [Fagnamarina: Misy 'reo fandikana sasagny magnampy hoe: "Amena."]