Toko faha 2

1 Raha misy famperezana akao amin'i Kristy, raha misy fampiononana avy amin'ny fitiavany, raha misy firaisana ao amin'ny Fagna, raha misy famindram-po gedabe sy fentrana, 2 de ataovo feno ny fifaliko amin'ny firaisana ôtran'zany, amin'ny fanagnana fitiavana mitovy, amin'ny firaisana am-pagna, ary amin'ny fananganana tanjona mitovy. 3 Aza magnano n'ino n'ino amin'ny fitiavan-tegna na fanandratan-tegna fôgna. Fa amin'ny fanetren-tegna kosa de mevera ny hafa mandombolombo ny tegnanareo. 4 Tokony tsy itady ze masoa ny tegnanareo iany ny kô. 5 Mevera ôtran'ny firaisana ze takao amin'i Kristy Jesosy iany kô. 6 Efa nisy ôtran'ny endrik'Andriamanitra izy, fa tsy nievitra izany ho fitovina amin'Andriamanitra zany ho ra hifikirana Izy. 7 Ny mifanoitra amin'zany, nofoanany ny tegnany. Naka ny endriky ny mpanompo Izy. Ary nibôgna ôtran'ny olombelona Izy. Ary ita nitovy tamin'olombelona Izy. 8 Nagnetry tegna Izy ary tonga mpankatoa hatramin'ny fahafatesana,de le fahafatesan'ny hazofijaliana! 9 Non'zany de nasandratr'Andriamanitra agnambo de agnambo iany kô Izy. Nameny le Agnarana ze ambonin'ny agnarana rehetra Izy. 10 Nataony zany mba ho amin'ny Anaran'i Jesosy no andoalen'ny loalika rehetra, ny loalik'reo ze aigny an-dagnitra sy aketo an-tany ary aigny ambanin'ny tany. 11 Nataony zany agneken'ny lela daôly fa i Jesosy Kristy no Tompo, ho voninahitr'Andriamanitra Ray. 12 Non'zany, ry malalako, ôtran'ny ankatoavanareo hatraigny, tsy eo amin'ny fagnatrehako iany fa mihôtra lavitra aza fa amin'zao fotôna zao rafa tsy akeo za, de abôgna amin'ny taotra sy hovitra ny famonjena anareo. 13 Satria Andriamanitra no miasa akao aminareo mba ho vonon-kagnano no sady hiasa ho an'ny fifaliny anareo. 14 Ataovy tsy am-pitaraignana na fiadin-kevitra ny ra rehetra. 15 Magnaova salan'zany mba ho tonga zanak'Andriamanitra tsisy tsigny sady marina, tsisy kilema anareo. Miasà salan'zany mba hamirapiratanareo ôtran'ny fahazavana eo amin'zao tontolo zao, akeo ampovôn'ny taranaka meloka sady maditra. 16 Mifikira mafy amin'le Tenin'ny fiaignana mba hananako antony hireharehàna amin'ny andron'i Kristy. Fa amin'zany de ho fantatro fa tsy very maigna ny niazakazako ary tsy very maigba ny niasàko. 17 Fa na de aidigna ho fagnatitra akeo amin'ny soragna sy fanompoam-pinona aza za, de mifaly za, ary miara-mifaly aminareo daôly za. 18 Ary ôtran'zany kô no hifalenareo, ary miara-mifaly aminà anareo. 19 Fa magnantegna akao amin'i Tompo Jesosy za fa handefa an'i Timoty aigny aminareo faingana, mga hahery iany kô za rafa haiko ny ra momba anareo. 20 Fa tsy managna ôla hafa mitovy toe-tsaigna amin'azy za, ze tegna manahy ny aminareo. 21 Fa izy daôly de mikaraka ny tombon-tsony, fa tsy ny zavatr'i Jesosy Kristy 22 Fa fantatrareo ny famendreny, satria ôtran'ny zaza manompo ny rainy, no nanompony niaraka tamina takao amin'ny filazantsara. 23 Koa magnantegna ny handefa an'zy za raha vô hitako hoe magnano akôry ny fanden-draha aty aminà. 24 Fa matoky ny Tompo za fa ho avy aigny faingana kô ny tegnako. 25 Fa meritreritra za fa ilaina iany kô ny mampiverigna an'i Epafrodito ainy aminareo. Ralako izy sy mpiara-miasa no mpiara-miady, sady mpitondra ny hafatrareo izy no mpanompo amin'ze ilaiko. 26 Fa tra-pahorena mafy izy, ary manigna ny hiaraka taminareo daôly izy, satria reigninareo fa narary izy. 27 Fa tegna narary izy ka efa seiky maty. Fa mamindra fo tamin'azy Andriamanitra, ary tsy tamin'azy rerika, fa taminà kô, mba tsy hanagnako alahelo ambonin'ny alahelo. 28 Kô de amim-parisiana gedabe daôly no handefasako an'azy, ka rafa hahita an'azy ndre anareo de mba hifaly ka de ho afaka kokoa amin'ny fanahiko za. 29 Raiso akao amin'ny Tompo Epafrodito miaraka amin'ny fifalina rehetra. Hajao ny ôla ôtra an'azy. 30 Fa ho an'ny asan'i Kristy no nanakaikezany ny fafatesana. Fa nagnano vy very ny aignany izy hanompoana ana mba hagnatanterany ze tsy afaka nataonareo tamin'ny fanompona taminà.