Toko faha 94

1 Ry Yaveh, Andriamagnitsa mamaly faty, Andriamagnitsa mamaly faty, mamirapirata aminay. 2 Mitsangana, ry mpitsara ny tany , omeo ny mpirehareha ze mendrika andreo. 3 Hafiriana ny ratsy fagnahy, ry Yaveh, hafiriana ny ratsy fagnahy ro 4 hiravoravo? Mandraraka ny avognavony reo;ze manao ny ratsy mieboebo aby. 5 Tinorotoron-dreo ny ona ,ry Yaveh; ze firenenao de ampahoriandreo. 6 Mamono ny mpitondrategna sy na vahiny ze miaigna agny amin'ny firenen-dreo reo, eko mamono ny kamboty ray. 7 Hoy reo hoa :"Tsa hahita Yaveh,eko tsa hatsikaritsa an'izey ny Andriamagnits'i Jakoba." 8 Mahatakàra, agnareo ra ona tsa misaigna! Agnareo gegy, amiviana agnareo vo mba hianatsa? 9 I ro nanao ny sofigna, moa ve tsa handre I? I ro nanao ny maso, moa ve tsa mahita I? 10 I ro mifehy ny firenena, moa ve tsa mahitsy I? I ro magnome fahalalana ny ona. 11 Yaveh mahalala ny sain'ona, fa raha foagna reo. 12 Tretrika ze ampianarinao, ry Yaveh, ze ampianarinao hatamin'ny lalànao. 13 Nomenao fitsaharana i tamin'ny fotoam-pahoriana mandra-pihady lavaka ho an'ny ratsy fagnahy. 14 Fa Yaveh tsa hahafoa ny onany na namela ny lovany. 15 Fa ho marina ny fitsarany;eko ny mahitsy fo de hagnaraka anazy aby. 16 Ia ro hitsangagna hiaro anahy amireo mpanao ratsy? Ia ro hijoro ho anahy hanohitsa ny ratsy fagnahy? 17 Lehe tsa Yaveh ro nagnampy anahy, de saika trotraka tagny amin'ny toeran'ny fahanginana iaho. 18 Sy nitarogna iaho hoe: " Mangorohoro ny tongoko," de nanohagna anahy, ny famindram-ponao, ry Yaveh. 19 Sy be ny ahiahiko, de mampifaly anahy reo fampiononanao. 20 Afaka miaraka aminao ve ny seza fiandrianan'ny faharavana, ze mamorogna ny tsa rariny amin'ny alalan'ny lalana? 21 Niara-nitetikareo mba hifofoanany ain'ny marina eko magnameloka ho faty reo tsa manatsigny. 22 Fa Yaveh ro efa tilikamboko avo, eko vatolampy fialofako ny Andriamagnitso. 23 Hitondra ny helo-dreo eo aminazy I eko handringagna andreo amin'ny faharatsiany manokagna. Hamono andreo Yaveh Andriamagnitsika.