1
Aminao, ry Yaveh, ro hialofako; aza avelanao ho megnatsa mihitsy iaho.
2
Vonjeo iaho ary aoka hitoatsa tsa manan'ahiahy amin'ny fahamarinanao; atongilano aminahy ny sofinao ka avoty iaho.
3
Meteza ho vatolampy fialofana ho anahy mba hahafahako mandeha; efa nanome baiko ny hanavotana anahy Agnao' fa Agnao ro vatolampy sy batery fiarovana ho anahy.
4
Vonjeo iaho, Andriamagnitsa o, amin'ny tanan'ny ratsy fagnahy' amin'ny tanan'ny tsa marina sy lozabe.
5
fa Agnao ro fanantiniako, ry Tompo Yaveh. Efa nitoky taminao foana iaho hatramin'ny iaho vona kely.
6
Agnao ro nanankinana anahy hatrany am-bohoka; Agnao ro I ze nangalaka anahy hatagny an-kibon-dreniko; ho aminao foana ny derako.
7
Fitaratra ho an'ona be iaho; Agnao ro fialofako mafy.
8
Ho feno fiderana Agnao ny vavako, ny andro tontolo amin'ny voninahitsao.
9
Aza manary anahy amin'ny fotoan'ny fahanterana; aza mahafoy anahy lehe ketraka ny heriko.
10
Fa miresaka ny momba anahy reo fahavaloko; reo ze misoko ny aiko miara-miteti-dratsy.
11
hoy reo hoe: " Nahafoy anazy Andriamagnitsa; enjeho i ary alao' fa tsa misy ona hanavotra anazy."
12
Andriamagnitsa o, aza manalavitra anahy; ry Andriamagnitso, faingàna hanavotra anahy.
13
Aoka reo ho menatsa sy rava, reo ze feno fankahalana amin'ny fiainako; aoka reny ho rakotra latsa sy fahafam-baraka, reo ze mitady ny faharatrako.
14
Fa iaho koa dia hanantena mandrakariva Agnao ary hidera Agnao hatrany hatrany.
15
Hitarona momban'ny fahamarinanao sy ny famonjenao manontolo andro ny vavako, na de tsa takatso aza izany.
16
Ho avy aho amin'ireo asa maherin'ny Tompo Yaveh; hanonona ny fahamarinanao iaho, ny Agnao irery.
17
Andriamagnitsa o, efa nampianatsa anahy Agnao hatramin'ny fahatanorako; hatramin'izao aza de mitarogna reo asanao mahagaga iaho.
18
Eny tokoa fa na de antirsa sy fotsy volo aza iaho, Andriamagnitsa o, de aza mahafoy anahy, satria efa nampahafantatra ny herinao tamin'ny taranaka mandimby iaho, ny fahefanao tamin'izay ho avy aby.
19
Ny fahamarinanao koa' Andriamagnitsa o, de tena avo; Agnao ze nanao zava-dihibe' Andriamagnitsa o, ia ro tahaka Agnao?
20
Agnao ze manoro Agnay fahoriana mahery vaika maro ro hamelona Agnay sy hampiakatra agnay avy amin'ny lalin'ny tany ndraika.
21
Hampitombo ny voninahitsao anie Agnao; mitodiha ndraika ka herezo iaho.
22
Hanolotsa fisaorana ho Agnao koa iaho amin'ny lokanga noho ny fahamendreham-pitokianao' ry Andriamagnitso; ho Agnao ro hihirako fiderana amin'ny lokanga, ry Ilay Masin'Israely.
23
Hihoby ny somotso rehefa mihira fiderana Agnao iaho- na de fanahiko aza' ze efa novonjenao.
24
Hitarogna momba'ny fahamarinanao andro lava ny lelako; fa efa nomenarina reo ary very hevitsa, reo ze nitady ny faharatrako.