1
Ho an'ny mpiventy hira; Shoshannim. Salamo nataon'i Davida. Vonjeo iaho Andrimagnitsa o; fa tadiavin'ny rano hidiran-doza ny fiaignako.
2
Milentika agnaty fotaka mandrevo aho, ze tsa misy toerana hijoroana; agnaty laligna aho , zey igiridignan'ny rano be
3
Rokaka amin'ny fitaraignako aho; maigna ny tendako; tsa maharitsa eo am-piandrasana an'Andriamagnitso ny masoko.
4
Be mihotsa ny volon-dohako ny tsa te anahy tsa amin'ny antony; manapaka anahy, manao anahy ho fahavalo amin'ny tsa rariny,de mahery;ze tsa nangalariko aby, de tsy mentsy hapodiko.
5
Andriamagnitsan o, fantatsao ny fahagigeko,de tsa misy asitrika anao ny heloko.
6
Aza avela ho megnatsa noho ny aminahy ze miandry Anao ry Tompo Yaveh tompon'ny maro;aza avela ho afa-baraka noho ny aminahy ze miandry Anao,ry Andriamagnitsy ny Israely.
7
Noho Agnao ro itondrako latsa; hegnatsa ro manarogna ny tegnako.
8
Nisolo ona hafa iaho amireo rahalahiko, vahiny ho an'ny zana-dreniko.
9
Fa ny fahazotoako amin'ny tragnonao ro nandrapaka anahy, de ny latsan'ny ze mitarogna mahery anahy ro efa natrotrakao taminahy.
13
Fa lehe iaho aloha, de Aminao aho ro hivavaka amin'ny andro ze hagnikenao; valeo amin'ny famendreham-pitokisana ny amin'ny famonjenao iaho.
14
Sitono hatao amin'ny fotaka aho de aza avela ho tototsa; mba alao lavitsa anahy ze tsa te anahy ko ho voavonjy hatamin'ny rano laligna.
15
Aza avela ho tototsy ny rano aho na hiteligna anahy ny laligna. Aza avela hagnidy ny vavany aminahy ny lavaka.
13
Fa lehe iaho aloha, de Aminao aho ro hivavaka amin'ny andro ze hagnikenao; valeo amin'ny famendreham-pitokisana ny amin'ny famonjenao iaho.
14
Sitono hatao amin'ny fotaka aho de aza avela ho tototsa; mba alao lavitsa anahy ze tsa te anahy ko ho voavonjy hatamin'ny rano laligna.
15
Aza avela ho tototsy ny rano aho na hiteligna anahy ny laligna. Aza avela hagnidy ny vavany aminahy ny lavaka.
16
Valio iaho, Yaveh o, fa soa ny famindram-ponao;satria be ny fiantranao taminahy, mitodiha aty aminahy .
17
Aza manitrika ny tavanao amin'ny mpanomponao, fa agnaty fahoriana iaho; valio malaky iaho.
18
Mirorogna de voneo iaho. Noho ny fahavaloko, avoto iaho.
19
Fantatsao ny fandatsàna anahy,ny hegnatso de ny fahafaha-barakako; manoloagna Anao aby reo mpandrafy.
20
Nandratsa ny foko reo latsa; feno fahavesarana iaho; mitadia ona hiantra iaho, feny tsa nisy; nitadia mpampahery iaho, feny tsa nahita.
21
Nagnome poizina anahy ho nohaniko reo; sy lakakaigna iaho de vinaigira ro nomendreo.
22
Mba ho fandrika ny latabatsa eo alohany; sy mieritseritsa reo de mitoatsa tsa managna ahiahy, de avilao zay ro ho fandrika.
23
Enganie ny masondreo ho mezigna de tsa hahita; de ahozongozogno mandrak'aligna ny lamosindreo.
24
Arorogno amin-dreo ny fahasiahanao, de amitraho ny fahasiahanao hahatratsa an-dreo.
25
Enganie mba ho foagna ny toetsan-dreo; aza avela hisy honigna amin'ny tragnony.
26
de mandoditsa ze nasianao reo. Nagnapodipody ny fitefotefon-dreo ze voaratsanao.
27
Ampangao reo ho nahavita heloka miampy heloka; aza avela ho avy amin'ny fandrisenao mariana reo.
28
Avilao reo ho voafafa amin'ny Bokin'ny fiaignana ery tsa ho voasoratsa miaraka amin'ny ona mariana.
29
Feny iaho mahantra sy malahelo; de avilao ny famonjenao, Andriamagnitso o, hametraka anahy amin'ny avo.
30
Hidera ny agnaran'Andriamagnitsa amin'ny hira iaho ary hanandratra Anazy amin'ny fisaorana.
31
Ankasitrahan'i Yaveh bebe kokoa mihoatsa ny omby sy ombilahy zay manan-tandroka sy kitro zany.
32
Efa nahita izany ny malemy fagnahy de faly; agnao zay mitady an'Andriamagnitsa, aoka ny fonao ho velogna.
33
Fa Yaveh mandeh ny ory ary tsa manao tsinontsinona ny gadrany.
34
Aoka ny lanitsa sy ny tany hidera Anazy, ny ranomasina sy ze rehetra mihetsiketsika ao.
35
Fa Andriamagnitsa hanavotra an'i Ziona ary hanangana ndray reo tanànan'i Joda; hipetraka ao ny ona ka hanao izany ho fananana.
36
Reo taranaky ny mpanompony handova izany; ary reo ze tea ny Agnarany de hipetraka ao.