Toko faha 68

1 Aoka hitsanga Andriamagnitsa; aoka reo fahavalony ro hiely; aoka koa reo tsa tea Anazy hilefa tsa ho eo anatrehany. 2 Toa ny setroka miely, ro hampielezany anazy andreo; toa ny savoka miempo anaty afo ro aoka hahalevona ny ratsy fagnahy eo amin'ny fanatrehan'Andriamagnitsa. 3 Fa aoka kosa ny ona marina ho faly; aoka reo hifaly eo anoloan'Andriamagnitsa; hiravoravo anie reo ka de ho faly 4 Mihirà ho an' Andriamagnitsa! mihirà fiderana ho an'ny Agnarany! derao reo mandeha mamakivaky reo tany lemaky ny lohasahan-driaka Jordana! 5 Aban'ny kamboty, mpitsara reo mananontena, ilay Andriamagnitsa any amin'ny fitoerana masina. 6 Andriamagnitsa mametraka ny irery ho amin,ny fianakaviana, feriny mivoaka amin-kalokalo ny gadra; fa ny mpikomy mipetraka any amin'ny tany karakaina. 7 Andriamagnitsa o, lehe nivoaka teo anatrehan'ny vahoakanao Agnao, rehefa nandeha namakivaky ny tany efitra Agnao, Sela 8 de nihovitra ny tany; ny lanitsa koa nitete orana tamin'ny fanatrehan'Andriamagnitsa, rehefa avy tany Sinay I, tamin'ny fanatrehan'Andriamagnitsa, ilay Andriamagnits'Israely. 9 Agnao, Andriamagnitsa o, ro nandefa oram-be; Agnao ro nampatanjaka ny lovanao lehe reraka izany. 10 Monina ao ny vahoakanao; Agnao, Andriamagnitsa, maname ny mahantra tamin'ny fahatsaranao. 11 Ny Tompo ro manome reo baiko, ary tafika lihibe reo zay nanambara izany. 12 Milefa reo mpanjakan'ny tafoka, nolefa reo, ary nizara fandrobana reo vehivavy niandry tantrano: voromailala voarakotra volafotsy sy elatsa volamena mavo. 13 Rehefa nitoatsa taminreo valan'ondry ny sasany taminareo ry vahoaka, de nanina ro manao izany Agnareo? 14 nampiely mpanjaka tany ilay Tsitoha, izany de tamin'ny nisian'ny oram-panala tany amin'ny tendrombohitaa Zalmona. 15 Tendrombohitsa mahery ro tany havoan'i Basana; tendrombohitsa avo ro tany havoan'ny Basana. 16 Nahoana Agnao ro mizaha am-pitsiriritana, agnao ry tany havoana, ao an-tendrombohitsa zay mirian'Andriamagnitsa hi toeram-ponenany? Hipetraka mandrakizay ao tokoa Yaveh. 17 Roa aligna reo kalesin'Andriamagnitsa, an'aligna ambonin'ny arivo; eo amindreo amin'ny fitoerana masina, toa ny tany Sinay ny Tompo. 18 Nihoatsa ny avo Agnao; noferinaoreo babo; nandray fanomezana avy tamindreo zay niady taminao aza, mba hitoetsa any, Agnao, ry Yaveh Andriamagnitsa. 21 Isaorana anie ny Tompo, izay mitondra ny entantsika isan'andro isan'andro, ilay Andriamagnitsa zay famonjena ho antsika. Sela 20 Ny Andriamagnitsika de Andriamagnitsa manavotra; ny Tompo Yaveh ro ilay mahay manavotra antsika amin'ny fahafatesana. 19 Fa Andriamagnitsa de hamely amin'ny lohandreo fahavalony,, amin'ny volon-dohandreo zay mandeha amin'ny fandikan-dalàna manohitra Anazy. 22 y ny Tompo hoe: "Ho feriko mipody avy hatagny Basana reo fahavaloko; ho feriko mipody hatagny amin'ny lalan'ny ranomasina reo 23 mba hahafahanao mamotika ny fahavalonao, mandroboka ny tongotsao amin'ny rà, sy mba hahafahan'ny lelanreo amboanao hamam-jara amireo fahavalonao." 24 Efa nahita ny filaharanao aho, Andriamagnitsa o, de ny filaharan'Andriamagnitso, mpanjakako, ao amin'ny fitoerana masina. 25 Reo mpikalo ro nandeha aloha' nanaraka afara reo mpitendry valiha, ary tampovoany reo zatovovavy tsa nanambady mpively amponga tapaka. 26 Isaory Andriamagnitsa ao amin'ny fiangonana, miderà an'i Yaveh, agnareo ry taranak'Israely tokoa. 27 Misy ny voalohany de i Benjamina, ilay foko bitika indrindra, manaraka reo mpitarik'i Joda sy reo mpanaraka andreo, reo mpitarik'i Zebolona sy reo mpitarik'i Naftaly. 28 Ny Andriamagnitsareo, ry Israely, defa nandidy ny tanjakao; asehoy agnay ny herinao, Andriamagnitsa o, toa ny nampisehoanao izany tamin'ny fotoana ela. 29 Asehoy agnay hatany an-tempoly ao Jerosalema' zay anateran'ireo mpanjaka fanomezana ho Agnao, ny herinao. 30 Mihikà amin'ny ady hanohitsa reo bibidia any agnaty volotara, hanohitsa reo ona, ze habetsahan'ny ombilahy sy zanak'omby ze. Ahetreo reo ary ampitondrao fanomezana; aparitaho reo ona zay tea manangana ady. 31 Andriana ro ho tonga hatany Egypta; i Etiopia haninjitra maika ny tanany ho any amin' Andriamagnitsa. 32 Mihirà ho an'Andriamagnitsa, agnareo fanjakan'ny tany; Sela Mihirà ho an'i Yaveh. 33 Ho Anazy zay miakatsa amin'ny lanitry ny lanitra, zay nisy hatramin'ny fotoana taloha; indro, I manandra-peo amin-kery. 34 Ekeo ho an'Andriamagnitsa ny hery; an'Israely ny fiandrianany' ary eny an-danitsa ny heriny. 35 Andriamagnitsa o, mahatahotsa Agnao amin'ny fitoerana masina; Ilay Andriamagnits,Israely-manome hery sy tamjaka ho an'ny vahoakany I. Isaorana anie Andriamagnitsa.