Toko 1

1 Tretrika ny ona ze tsa magnorika ny torohevitsy ny ratsy fagnahy,na mijoro miaraka amin'ny mpanota,na mitoatsa eo amin,ny mpagneso. 2 Fa ao amin'ny Yaveh ro sitrany,eko amin'ny lalany i ro misaitsaigna andro sy aligna. 3 Ho salany hazo nambolena tamin'ny riakin'ny rano ze mamokatsa reo voany amin'ny vanim-potoany,ze tsa malazo ravigna i,ze hataony de ambinina aby. 4 reo ratsy fagnahy de tsa zey,feny salan'ny akofa zey ferin'ny rivotsa. 5 Ko tsa hitsangagna ho ao amin'ny fitsarana reo ratsy fagnahy,na reo mpanota ho ao amin'ny vondron'ireo marina. 6 Fa Yaveh de magneky ny lalan'ireo marina, fa ny lalan'ireo ratsy fagnahy dee ho levogna.