1
Tretrika ny ona ze tsa magnorika ny torohevitsy ny ratsy fagnahy,na mijoro miaraka amin'ny mpanota,na mitoatsa eo amin,ny mpagneso.
2
Fa ao amin'ny Yaveh ro sitrany,eko amin'ny lalany i ro misaitsaigna andro sy aligna.
3
Ho salany hazo nambolena tamin'ny riakin'ny rano ze mamokatsa reo voany amin'ny vanim-potoany,ze tsa malazo ravigna i,ze hataony de ambinina aby.
4
reo ratsy fagnahy de tsa zey,feny salan'ny akofa zey ferin'ny rivotsa.
5
Ko tsa hitsangagna ho ao amin'ny fitsarana reo ratsy fagnahy,na reo mpanota ho ao amin'ny vondron'ireo marina.
6
Fa Yaveh de magneky ny lalan'ireo marina, fa ny lalan'ireo ratsy fagnahy dee ho levogna.