Toko faha 2

1 tamin'ny volana fahafito tamin'ny andro fahiraika amby roapolon'ny volana, de avy tamin'ny alalan'i Hagay mpaminany ny tarogn'i Yaveh, nanao hoe: 2 "Mitarona amin'ny governor'i Joda, de i Zerobabela zanak'i Sealtiela, sy amin'ny mpisorona be de i Josoa zanak'i Jozadaka, ary ny amin'ny sisan'ny vahoaka. Lazao hoe: 8 Anahy ny volafotsy sy ny volamena!-izay ro fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro. 9 Ny voninahits'ity trano ity de ho lihibe amin'ny hoavy noho ny tany am-boalohany, hoy Yaveh Tompon'ny maro, ary rto amin'ity toerana ity ro hanomezako fiadanana!- izay ro fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro. 6 Fa izao ro lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Ao agnatin'ny fotoana fohy de hanozongozona ny lagnitsa sy ny tany, ny ranomasina sy ny tany maina Aho! 7 Hahozongozoko aby ny firenena, ary hitondra ireo zava-tsarobidy eo Aminahy aby ny firenena, ary hofenoiko voninahitsa ity trano ity, hoy Yaveh Tompon'ny maro. 8 Anahy ny volafotsy sy ny volamena!-izay ro fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro. 9 Ny voninahits'ity trano ity de ho lihibe amin'ny hoavy noho ny tany am-boalohany, hoy Yaveh Tompon'ny maro, ary rto amin'ity toerana ity ro hanomezako fiadanana!- izay ro fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro. 10 Tamin'ny andro fahefatsa amby roapolon'ny volana fahasivy, tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa, de avy tamin'i Hagay mpaminany ny tarogn'i Yaveh, nanao hoe: 11 "Izao ro lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Manontania reo mpisorona momba ny lalàna, ka lazao hoe: 12 'Lehe miny ona mitondra hena zay voatokana ho an'i Yaveh ao amin'ny valonan'akanjony, ary mikasika mofo maina, divay n adiloiloi ilay valonany, na zay karazan-tsakafo, de tsa lasa masina ve izay?"' Namaly reo mpisorona ka nanao hoe: ''Tsia." 13 De avy Hagay: "Lehe misy ona zay maloto amin'ny faty mikasika reo raha reo, tsa avy de maloto ve reo?" Namaly reo mpisorona ka nanao hoe: "Eny, lasa maloto reo." 14 De namaly Hagay ka nanao hoe: "De sahala zay koa ity vahoaka ity sy ity firenena ity eo anatrehako!- izay ny fanambaran'i Yaveh- ary sahala izay koa ny raha aby vitan'ny tanandreo: izay atilondreo Anahy de maloto. 15 Koa zao, hevero ao an-tsainareo ny lasa ka hatramin'izao andro izao mihitsy. Nialohan'ny nametrahana ny vato ambinin'ny vato tao an-tempolin'i Yaveh, 16 de nanao akory ary izay? Lehe avy teo amin'ny antontam-bary roapolo fatra agnareo, de folo ihany ro nisy, ary lehe avy teo amin'ny vatan-divay mba handraoka dimampolo fatra agnareo, de roapolo ihany ro nisy. 17 Namely agnareo sy ny asan'ny tananareo aby tamin'ny vary sy ny maty fotsy Aho, nefa vana tsa nipody taminahy ihany agnareo-izay ro fanambaran'i Yaveh. 18 Hevero manomboka izay andro izao, hatramin'ny andro fahefatsa amby roapolon'ny volana fahasivy, hatramin'ny andro izay nametrahana ny fototsy ny tempolin'i Yaveh. Hevero izay! 19 Vana misy voa ve ao an-drano fitehirizana? Tsa namokatsa ny divay, ny hazon'aviavy, ny ampongaben-danitsa, ary ny hazon'oliva! Fa manomboka izao de hitahy agnareo Aho!" 20 De avy fanindroany tamin'i Hagay tamin'ny andro fahefatsa amby roapolon'ny volana ny tarogn'i Yaveh ka nanao hoe: 21 "Mitarogna amin'ny governoran'i Joda, de i Zerobabela, ka lazao hoe: "Hanozongozona ny lagnitsa sy ny tany Aho. 22 Satria horavako ny seza fiandrianan'ireo fanjakana ary hopotehiko ny herin'ireo fanjakan'ny firenena! Horavako reo kalesy sy reo mpitaingina izay, ny tsiraidraika lavo nohon'ny sabatsy ny rahalahiny. 23 Amin'izay andro izay-izay ro fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro- de halaiko agnao, ry Zerobabela zanak'i Sealtiela, ho mpanompoko-izay ny fanambaran'i Yaveh. Hataoko sahala ny peratsa fanombohan-kase agnao, fa efa nifidy agnao Aho!- izay ro fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro!"''