Toko 1

1 Tamin'ny taona faharo nanjakan'i Dariosa mpanjaka, tamin'ny fahenin'ny volana, tamin'ny andro voalohan'ny volana, de avy tamin'ny alalan'ny tanan'i Hagay mpaminany teo amin'i Zerobabela governoran'i Joda, zanaka lahin'i Sealtiela, ary teo amin'i Josoa mpisoronabe zanaka lahin'i Jozadaka ny tarogn'i Yaveh, nanao hoe: 2 "Yaveh Tompon'ny maro milaza hoe: Zao ro nolazain'ireo vahoaka reo: "Tsa fotoagna ahatogavantsika na hanorenantsika trano ho an'i Yaveh zai."' 3 Sy ateo de avy tamin'ny alalan'ny tanan'i Hagay mpaminany ny tarogn'i Yaveh, nanao hoe: 4 "Fotoana honenanareo amin'ny trano vitanareo ve zao, lehe toa ka vana tsa rava zay trano zay? 5 Koa zao Yaveh Tompon'ny maro milaza izao:Diniho reo fombanareo! 6 Namafy voa betsaka agnareo, fa nijinja vokatra kely; nihinana agnareo nefa tsa afa-po; nisotro agnareo nefa tsa mamo. Nitafy akanjo agnareo fa tsa afaka nanafana ny tenanareo, ary ny mpikarama de handray vola ho atao ao anaty kitapo feno loaka fotsiny ihany! 7 Zao ro lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: "Diniho reo fombanareo! 8 Miakara any an-tendrombohitsa, mitondrĂ  hazo, ary aoreno ny tranoko; de hifaly ao amin'izay Aho, ary homem-boninahitsa Aho! -hoy i Yaveh." 9 "Mitadia ny betsaka agnareo, nefa indro! trano kely ro finerinareo, satria notsofiko izay! Nanina?" Nanambara i Yaveh Tompon'ny maro. "Satria ny tranoko de rodana, lehe toa ka miasa ho an'ny tranony avy ny tsiraidraika aminareo. 10 Noho izay ny kagnitsa de hiihazona agnareo, ary ny tany de hihazona reo vokany. 11 Nikakika hain-tany teo amin'ny tany sy teo amin'ireo tendrombohitsa, teo amin'ny vary sy teo amin'ny divay vaovao, teo amin'ny diloilo sy teo amin'ny vokatsy ny tany, teo amin'ny olona sy teo amin'ireo biby, ary teo amin'ireo asan'ny tananareo aby Aho!" 12 Ary Zerobabela zanaka lahin'i Sealtiela, sy i Josoa mpisoronabe zanaka lahin'i Jozadaka, miaraka amin'ireo ona sisa tavela, de nankato ny feon'i Yaveh Andriamagnindreo sy reo tarogn'i Yaveh Andriamagnindreo ro nandefa anazy ary reo vahoaka de natahotsa ny tavaan'i Yaveh. 13 Ary i Hagay, ilay mpitondra ny hafats'i Yaveh, de nitarogna ny hafats'i Yaveh tamin'ny vahoaka nanao hoe: "Miaraka aminareo Aho! -zay ro fanambaran'i Yaveh!" 14 Koa nanetsika ny fanahin'i Zerobabela zanaka lahin'i Sealtiela, governoran'i Joda, sy ny fanahin'i Josoa mpisoronabe zanaka lahin'i Jozadaka, ary ny fanahin'ireo vahoaka sisa tavela aby i Yaveh, mba handeha reo ka hiasa amin'ny tranon'i Yaveh Tompn'ny maro, Andriamagnindreo 15 tamin'ny andro fahefatsa amby roapolon'ny volana fahenina, tamin'ny faharoa taona nanjakan'i Dariosa mpanjaka.