1 Nisy lihilahy raika hatagny Ramataima an'i Zefotita, tany havoan'ny Efraima; ny agnarany de elkana zanaka lahin'i Jeroama zanaka lahin'i Eliho zanaka lahin'i Toho zanaka lahin'i Zofa, ny Efraimita. 2 Nanagna vady roa i, ny voalohany de i Hana, de ny agnarany faharoa de i Penina. Nanan-janaka i Penina, fa i Hana tsamba nanagna. 3 Io lihilahy io de isan-taogna ro niala avy hatagny amin'ny tanànany mba hanompo sy hanao sorogna ho an'i Yaveh tompon'ny maro ao Silo.Tao ny zanaka roalahin'i Ely, Ofnia sy Finehasa, mpisorgn'i Yaveh. 4 Sy efa avy ny anjara andro hanaovan'i Elkana sorogna isan-taogna, de nagnome ampahana hena an'i Penina vadiny lalandava i, de ho an'ny zanany lahy sy ny zanany vavy aby. 5 Fa ho an'ny Hana de apahany roa hiany ro homena anazy, satria tàny i Hana, neko de efa nataon'i Yaveh momba aza i. 6 Nila ady tamin'azy ny rafivaviny sady mandrangitsa anazy, satria Yaveh nahamomba anazy. 7 Ko isa-taogna, sy efa niakatsa tagny an-dragnon'i Yaveh i miaraka amin'ny fianakaviany, de nila ady taminazy hiany ny rafivaviny. sy zay de nitomagny sy tsa nihinanana na ina i. 8 Fa i Elkana vadiny nitarogna taminazy mandrakariva hoe: "Hana, nahoana agnao ro mitomagny? Nahoana agnao ro tsa mihinak'anina? Nahoana ny fonao ro malahelo? tsa soa aminao mihoatsa ny zanaka lahy folo ve Aho? 9 Ndraik'andro, de nandeha i Hana sy efa avy nihinana sy nisotro tao Silo reo. De i Ely nitoatsa teo amin'ny Sezany teo agnilan'ny vavahadin'ny tempolin'i Yaveh. 10 Ory tanteraka i; nivavaka tamin'i yaveh i sady nitomagny mahery. 11 Nanao voady i sady nanao hoe: "Ry Yaveh tompon'ny maro, lehe hitanao ny fahorian'ny mpanomponao de tsarovo aho, de aza magnadigno ny panomponao, fa omeo zanaka lahy ny mpanomponao, de atolotsa an'i Yaveh i amin'ny androm-piaignany aby, sady tsa hisy hareza hikiasika ny lohany." 12 De lehe nanohy nivavaka teo agnatrehan'i Yaveh i, de nojireny Ely ny vavany. 13 Nitarogna tao am-pony i Hana. Nihetsiketsika ny vavany, kanefa tsa reny ny feony. Ko de nieritseritsa i Ely fa mamo i. 14 de zao ro nataon'i Ely taminazy: "Hafiriana agnao ro ho mamo? Mialà amin'ny divainao." 15 Hana namaly hoe: "Tsia tompoko, apela ory ampagnahy aho. Tsa nisotro aho na divay na raha-mahamamo, fa mamboraka ny ato agnatiko eto agnatrehan'i Yaveh aho. 16 Aza hiverina ho apela tsa misy hegnatsa ny mpanomponao; nitarogna tamin'ny heben'ny fahoriako sy ny fapijaliana nahy aho." 18 Zao ro nataon'ny apela: "Aoka hahita sitraka eo imasonao ny anomponao.'' De nandeha tamin'ny lalany rakialavavy ko nihinana; tsa nalahelo; tsa nalahelo koa ny endriny. 19 Nandeha vo mangiran-dratsy ereo ko nanompo teo agnatrehan'i Yaveh, de nipody tagny an-dragnony tagny Rama ndraika reo sy avy teo. Niara-natory tamin'i Hana vadin'i Elkana, de Yaveh nahatsiaro anazy. 20 Sy efa avy ny fotoagna, de nitoejaza i Hana de niteraka zaza lahy. Nangaika ny agnarany hoe: Samoela i, nanao hoe: "Satria avy hatamin'i Yaveh ro nangatahako anazy." 21 Elkana sy ny ankohognany aby de niakatsa ndraika mba hanolotsa ny sorogna isan-taogna ho an'i Yaveh ko nagnefa ny voadiny. 22 Fa i Hana tsamba nandeha; efa nitarogna tamin'ny vadiny i hoe: "tsa handeha aho mandra-pisara-nono ny zazakely; de ho feriko i, mba hahafahany miseho eo agnatrehan'i Yaveh de hitoatsa agny mandrakizay. " 23 Zao ro nataon'i Elkana vadiny taminazy hoe: "Ataovo ze hitanao fa soa aminao. Miandraza mandra-pisarahanao nono anazy; fa zao, Yaveh hiany ro hagnamafy ny tarony." De niegnina ny apela de nitaiza ny zanany lahy mandra-pagnasarahany nono anazy 24 Sy efa nisarahany nono i, de noferiny niaraka taminazy, niaraka tamin'ny zanak'ômby kely telo taogna raika, hanina raika efaha, de tavoahangin-divay raika, ko noferiny tao an-dragnon'i Yaveh tao Silo i. De vo kely zay zaza zay. 25 Novonoan- dreo ny zanak-ômby, de noferiny tamin'i Ely ny zaza. 26 Zao ro nataony hoe: "O, ry tompoko! Lehe vona velogna koa agnao, ry tompoko, iaho ro apela ze nitsangagna teo agnilanao nivavaka tamin'i Yaveh. 27 Fa ity zaza ty ro nangatahako tamin'i Yaveh de nameny anahy ny fangatahako taminazy. 28 Efa nameko an'i Yaveh i, lehe vona velogna koa i de hatolotsa an'i Yaveh. "De nanompo an'i Yaveh teo i.