Toko faha 5

1 Ka mivignitry gne rangaha. Fa koa, anaro akô i abanao izy. Anaro akô gne rahalà gne lelà tanora, 2 Anaro akô i endrinao gne ragnavavy, sady gne tanora viavy akô gne anakavy ao ame fahadiovagny agnaby. 3 Magnanja gne mpitondrategna, gne tena mpitondrategna . 4 Fa Raha manan-janaky na zafikely gne mpitondrategna raiky, da apetray indreo aloha hianatry hagnaboky fagnajagny ao ame tokantragnony. Apetray indreo hamaly babegny an'i abany amin'i endriny, satria ankasitrahan'Anandriamanitry izany. 5 Fa gne tena mpitondrategna da napetraky ho raiky. Mametraky gne fitokiagny amin'Anandriamanitry izy. Mitoetry hatrany amin'e fangatahagny izy ame vavaky isan'andro isan'andro. 6 Ndre izany azaky, gne viavy izay miaigny ho an'e fafinaretagny da maty, ndre da mbola velogny aza izy. 7 Torio izany raha izany mba tsy anagnandreo tsigny. 8 Fa raha misy olo tsy magnome ho an'e havany akaiky,idrindra ho andreo izay ao ame ankohonany, da nandà gne finoagny izy sady ratsy lavitry noho gne tsy mpino. 9 Apetray hosoratagny ho mpitondrategna gne viavy izay tsy latsaky gn'enimpolo taogny, viavy raiky izay vadin'e lelà raiky. 10 Tokony ho fantatry noho gne asa tsara izy, ndre nikarakara gne zaza, ndre avakao, nampiatragno gne mpivahiny, ndre nanasa gne tongotr'e mpino, ndre nagnameva gne mahatra, ndre nanolo-tegna tame asa tsara agnaby. 11 Fa ho andreo mpitondrategna mbola tanora koa, da ka magneky gne hanoratry andreo ao agnaty lisitry. Fa refa milavo-lefogny ame filan'e nofotry hanohitry an'i Kristy indreo, da ta-hanambandy. 12 Amin'izany indreo da hahazo sazy satria namadiky gne fanoloran-tegnany voalohany. 13 Ka lasa zatry malaigny koa indreo. Mandehandeha mitety tragno. Tsy hoe lasa malaigny fotsiny avao indreo, fa lasa mpifosa sy mpila ady avakoa. Mizaka raha izay tsy tokony ho zakaniny indreo. 14 Noho izany da tiako hanambandy gne viavy mbola tanora, hiteraky, hikarakara tokantragno, mba tsy ahafahany magnome iriky gne fahavalo havandy aminay ho nagnano ratsy. 15 Fa gne sasany efa nivily sahady hagnaraky an'e Satana. 16 raha misy viavy mino managny mpitondrategna, apetray izy hagnampy andreo, mba tsy hagnavesatry gne fiangonagny,mba hahafahany magnampy gne tena mpitondrategna marigny. 17 Apetray gne loholona izay manapaky tsara mba ho raisigny ho mendri-boninahitry idroy agny, indrindra indreo izay miasa miaraky ame zaka izy ame fampianaragny. 18 fa hoy gne Soratra Masina hoe: "Tsy tokony hagnisy fehiny gne vavan'omby anao raha mbola mively voa izy". Sady koa: "Gne mpiasa da mendriky gne karamany." 19 Ka mangala fahavandesagny manohitry gne loholona raiky raha tsisy vavolombelogny roy na telo. 20 Ahitsio eo anatrehan'olo agnaby gne mpanota mba hatahotry gne ambiny hafa. 21 Mandidy anao mafy iao eo anatrehan'Andriamanitry sy eo anatrehan'i Kristy Jesosy sady gne anjely voafidy, mba hihazonanao io didy agnaby io tsisy fitsaratsaragny sady mba tsy hagnamboaranao ndre ino ndre ino ame fandaniagny. 22 Ka maimaiky mametr-tagnagny ndre amin'ia ndre ia. Ka miaraky ao ame fahotan'olon-kafa. Tokony hitazogny gne vatanao hadio anao. 23 Tokony tsy hisotro rano etsanaky anao. Fa koa, tokony handray divay kidy anao ho an'e vavony izy ame aretinao mateti-pihavy. 24 Gne fahotan'olo sasany da fantatry mibaribary, sady indreo da mandeha alohandreo ao ame fitsaragny. Fa gn'ota sasany magnaraky avy aty afara. 25 Akô izany avakoa, misy asa tsara fantatry mibaribary,nefa gne sasany aza da tsy azo afiny.