Toko faha 4

1 Amin'izao fotoagny izao nizaka mazava tsara gne Fagnahy fa ame fotoagny agny afara agny da hiala ame finoagny gn'olo sasany sady mitandrema tsara gne amin'e fagnahy mpamitaky izy amin'e fampianaran'e demonia 2 ame fihatsaram-belatsihin'e mpavandy. Fa voamariky ame vy mamay gne feon'e fieritreretandreo. 3 Ho raràndreo gne manambandy izy ame mangalaky hanigny izay noforonin'Andriamanitry ho zaraigny miaraky ame fisaoragny eo amin'izay mino sy izay mahafantatry gne marigny. 4 Fa gne raha agnaby izay noforonin'Andriamanitry da tsara. Tsisy handagnagny gne raha noraisintsika tamin'e fisaoragny. 5 Fa nohamasinigny tame zakan'Andriamanitry izy ame vavaky izany 6 Raha apetrakinareo eo anatrehan'e rahalà io raha io, da ho mpanompo tsaran'i Jesosy Kristy anareo. Fa notaizagny tamin'e tenin'e finoagny sy tame fampianaragny tsara izay narahinareo anareo. 7 Fa lavo gne angano tanteraine ragnavavy. Fa koa, tariho hagnome voninahitry an'Andriamanitry gne tegnanareo. 8 Fa gne vatagny hofanina da kidy avao gn'azo ampiasagny an'azy, nefa fampiasa ame raha agnaby gne toetry araky an'Anandriamanitry. Mihazona gne fampagnantenagny amin'ity fiainagny amin'izao fotoagny izao ity izy ame fiainan-ko ho avy. 9 Ity hafatry ity da mendri-pitokisagny sady mendriky gne fahafenoan'e fagnekegny. Fa noho izany da hitologny sady hiasa mafy itsika. 10 Fa mahatoky ao amin'Anandriamanitry velogny itsika, izay Mpamonjy gn'olo agnaby, indrindra indreo izay mino. 11 Ambarao sady ampianaro io raha io. 12 Anio tsara tsy hisy olo hagnano tsinontsinogny gne fahatanoranao. Fa koa, anio ho ohatry ho andreo izay mino, ame fizaka, fitondran-tegna, fitiavagny, finoagny, sady fagnanaragny. 13 Mandra- pahaviko, tohizo gne famakiagny, gne fagnanaragny, izy ame fampianaragny. 14 Ka anigny tsinontsinogny gne fagnomezam-pasoavagny izay ao aminao, izay nomegny anao tame gn'alalan'e faminaniagny, niaraky tame fametrahan-tagn'e loholona. 15 Tandrovy iregny raha iregny. Meteza ho ao amindreo, mba hiharihary amin'olo agnaby gne fandrosoanao. 16 Tandremo tsara gne vatanao izy ame fampianaragny. Tohizo iregny raha iregny. Fa raha magnano akô izany, da ho vonjenao gne vatanao izy amindreo izay miteno anao.