1 Nivola tamin'i Mosesy voho Arona i Yaveh.Hoy Ie hoe: 2 "Magnanova fagnisaha gnan'ireo joharin'i Kehata eo amy reo Levita,magnaraky gny fokon-drozy voho gny razamben'ny havorohotan-drozy. 3 Isaho reo johary iaby ze telopolo zisiky dimampolo tao.Reo johary reo la tsy maintsy magnatevin-dahara gny antoko mba hanompo ao amin'ny tragno-lay fihaogna. 4 Reo havorohotan'i Kehata la tsy maintsy mikarakara reo raha masy mare natoka ho Gnahy ao amin'ny tragno-lay fihaogna. 5 Lafa mioma hifalo toera gny toby,la tsy maintsy militsy ao amin'ny lay i Arona voho reo anakilahiny,mampijotso gny lama fanakogna ze magnasaraky gny toera masy mare voho gny toera masy voho misaro gny fiaran'ny vavolombelo miaraky aminjay. 6 Tsy maintsy magnaro gny fiara amin'ny holi-takasy rozy.Tsy maintsy mamelatsy lamba manga agnambon'izay rozy.Tsy maintsy apetany reo joko mba hilanjany gnazy. 7 Tsy maintsy mamelatsy lamba manga agnambon'ny latabatsy gny mofon'ny fagnatreha rozy.Rozy la tsy maintsy mamelatsy finga reo gny sotro,reo finga golobo,voho sihoa fandraraha agnambon'izay.Tsy maintsy misy mofovao agnambon'ny latabatsy eo. 8 Tsy maintsy sarognan-drozy amin'ny lamba jaky voho amin'ny hili-takasy reo.Tsy maintsy apetaki-drozy joko reo mba hilanja gny latabatsy. 9 Tsy maintsy mangalaky lamba manga rozy voho magnaro gny fasian-jiro,miaraky amin'ny jirin'izay,hety reo,fagnasia laveloky reo,voho reo fasian-tsoliky iaby ho gnan'ny jiro reo. 10 Tsy maintsy apetraki-drozy agnatin'ny faragnona vita amin'ny hili-takasy gny tahon-jirony voho reo fitaova iaby miaraky aminjay,voho tsy maintsy apetraki-drozy egnambon'ny rafitsy filanja gnazy. 11 Tsy maintsy mamelatsy lamba manga agnambon'ny alitaravolamena rozy.Tsy maintsy magnaro zay ami-gny fagnarona vita amin'ny holi-takasy rozy.Tsy maintsy amin'ny holi-takasy,voho bakeo mametaky reo joko filanja. 12 Tsy maintsy mangalaky reo fitaova hiasa iaby agny ami-gny toera masy rozy voho mamono zay agnatin'ny lamba manga.Tsy maintsy magnaro gnanizay ami-gny holi-takasy rozy voho mametraky reo fitaovam-piasa eo amin'ny rafitsy filanja. 13 Tsy maintsy mangalaky reo lavenoky amin'ny alitara rozy voho mamelatsy lamba voloparasy amin'ny alitara. 14 Tsy maintsy apetraki-drozy gny rafitsy filanja reo fitaovam-piasa iaby ze ampiasan-drozy amin'ny asan'ny alitara.Reo fitaova reo la gny fagnandesa bolo ,fitrebiky,lapely,finga famafaza,voho reo fitaovam-piasa hafa iaby ho gnan'ny alitara.Tsy maintsy magnaro gny alitara amin'ny holi-takasy rozy voho bakeo mametraky reo joko filanja. 21 Nivola tamin'i Mosesy ndraiky Yaveh.Hoy Ie hoe: 22 "Magnanova avao koa fagnisaha gny havorohotan'i Gersona reo,magnaraky gny hasaveregnan'ny razamben-drozy,magnarakygny fokon-drozy. 23 Isaho ze telopolo zisiky dimampolo tao.Isaho ze hagnatevin-dahara gny antoko iaby mba hanompo ao amin'ny trano lay fihaogna. 24 Zao ro asan'ireo fokon'i Gersonita,lafa manompo rozy voho manday enta. 25 Tsy maintsy manday reo lamba fagnarona gny tabernakely,gny tragno-lay,gny fagnarona gnazy,gny fagnarona viata bakamin'ny holi-takasy zay eo aminjay,voho reo lamba fagnarona gny filira ao ami-gny tragno-lay rozy. 26 Tsy maintsy manday reo lamba fagnarona gny fitsara rozy,gny lamba fagnakona gny vavahadin'ny fitsara, azy agnilan'ny tabernakely eo igny voho agnilan'ny alitara,gny talin'ireo,voho reo fitaova iaby ho gnan'ny fanompoan-drozy.Ze raha tokony ho vita amy reo raha reo iaby,la tsy maintsy ataon-drozy. 27 Arona voho gnanakilahiny la tsy mantsy magnatoro reo asan'ny havorohotan'ireo Gersonita iaby,am y ze raha andesin-drozy iaby,voho amin'ny fanompoan-drozy iaby.Tsy maintsy tondroanano amin'ny andraikitsiny iaby ie. 28 Zay ro fanompoan'ireo fokon'ireo havorohotan'i Gersonita ho gnan'ny tragno-lay fihaogna.Itamara anakilahin'i Arona mpisoro la tsy maintsy mitariky an-drozy amin'ny fanompoany. 29 Tsy maintsy magnisa reo havorohotan'i Merary magnaraky gny fokon-drozy nareo,voho mandahatsy gnazy magnaraky gny hasaveregnan'ny razamben-drozy, 30 mamototsy ami-gny telopolo tao ka zisiky dimampolo tao.Isaho iaby reo ze handeha hagnatevin-dahara gny antoko voho hanompo ao amin'ny tragno lay fihaogna. 31 Zao ro andraikitsin-drozy voho gny asan-drozy amin'ny fanompon-drozy iaby ho gnan'ny tragno lay fihaogna.Tsy maintsy mikarakara gny entan'ny tabernakely,gny hilin'izay,reo toha,voho reo faladia, 32 miaraky amy reo tohan'ny fitsara magnodidy gny tabernakely ,gny faladian'ireo,miaraky amy reo fitaovany iaby rozy.Sorato magnaraky gny agnarany reo fanaky ze tsy maintsy andesin-drozy. 33 Zao ro asan'ireo fokon'ny havorohotan'i Merary,ze ataon-drozy ho gnan'ny tragno lay fihaogna,eo ambany fitarihan'Itamara anakilahin'i Arona mpisoro." 34 Mosesy voho Arona reo mpitariky gny fivondroagna ro nagnisa reo havorohotan'i Kehatita magnaraky gny fokon'ny razamben-drozy. 35 Nihisahin-drozy mamototsy amin'ny telopolo tao ka zisiky dimampolo tao rozy.Nignisaky ze hagnatevin-dahara iaby gny antoko mba hanompo ao amin'ny tragno lay fihaogna rozy. 36 Olo 2750 ro voaisaky ndrozy magnaraky gny fokony. 37 Mosesy voho Arona la nagnisa olo iaby tamy reo foko reo voho reo hasaveregnan'ireo Kehatita ze manompo ao amin'ny tragno lay fihaogna.Tamy zay fotoa zay,la nagnaraky ze nandidian'i Yaveh hataon-drozy tamin'ny alalan'i Mosesy rozy. 38 Reo taranak'i Gersonita la nihisahy tao ami-gny fokon-drozy,magnaraky gny hasavergnan-drozy, 39 mamototsy amin'ny telopolo tao ka zisiky dimampolo tao,ze hilitsy ao amin'ny antoko iaby mba hanompo ao amin'ny tragno-lay fihaogna. 40 Gn'olo iaby,la nihisahy magnaraky gny fokon-drozy voho gny hasaveregn'ny razamben-drozy iaby,2630 isaky. 41 Mosesy voho Arona la nagnisaky reo fokon'ny havorohotan'i Gersona ze hanompo ao amin'ny tragno-lay fihaogna.Tamy zay fotoa zay,la nagnaraky ze nandidian'i Yaveh hataon-drozy amin'ny alalan'ni Mosesy rozy. 42 Reo havorohotan'i Merary la nihisahy tao amin'ny fokon-drozy magnaraky gny hasaveregnan'ny razamben-drozy, 43 mamototsy amin'ny telopolo tao ka zisiky dimampolo tao,ze iaby hilitsy ao amin'ny antoko mba hanompo ao amin'ny tragno-lay fihaogna. 44 Gn'olo iaby,la nihisahy magnaraky gny fokon-drozy voho gny hasaveregnan'ny razamben-drozy iaby,3200 isa. 45 Nagnisaky olo iaby reo Arona voho Mosesy,la reo havorohotan'i Merary.Tamy zay fotoa zay,la nagnaraky ze nandidian'i Yaveh hataon-drozy tamin'ny alalan'i Mosesy rozy. 46 Ka nagnisa Levita iaby reo magnaraky gny fokon-drozy tao amin'ny hasaveregnan'ny razambeny 47 namototsy amin'ny telopolo tao ka zisiky dimampolo tao i Mosesy,Arona,voho reo mpitariky gnan'Israely.Nihisahin-drozy ze hiasa ao amin'ny tabernakely iaby ,voho ze handay ka hikarakara reo fanaky ao amin'ny tragno lay fihaogna. 48 Olo 8580 ro voaisaki-drozy.