1 Ka zao ro tantaran'ny gny havorohotan'i Arona voho Mosesy lafa nivola tamin'i Mosesy tagny am-bohitsy Sinay Yaveh. 2 Gny agnarany reo anakilahin'i Arona la i Nadaba talagnolo,voho Abiho,Eleazara,voho Itamara. 3 Reo ro agnarany reo anakilahin'i Arona,reo mpisoro ze voahosotsy voho voatoka hanompo ho npisoro. 4 Fa Nadaba voho Abiho koa la maty tangnatrehan'i Yaveh lafa nanolitsy Gnazy bolo tsy ietagny ami-gny liomonton'i Sinay rozy.Tsy nana-gnanaky i Nadaba voho i Abiho,ka la Eliezara voho Itamara avao ro nanompo ho mpisoro nisondry tamin'i Arona baba-drozy. 5 Nivola tamin'i Mosesy i Yaveh.Hoy Ie:" 6 Andeso gny fokon'i Levy ka atoro gnan'i Arona mpisoro rozy mba hagnampy gnazy. 9 Aoky hatolotrao gnan'i Arona voho reo anakilahiny reo Levita.Atolotsy iaby rozy mba hanampy gnazy hanompo gny vahoakin'i Israely. 10 Tsy maintsy tingininao ho mpisoro i Arona voho reo anakilahiny,fa ze olo hafa firenena avy magnariniky la tsy maintsy vonoa ho maty." 11 Nivola tamin'i Mosesy i Yaveh.Hoy Ie hoe:" 12 Ingo,fa nangalaky reo Levita bakamin'ireo vahoakin'i Israely Zaho.Zay ro natoako laha tokony nangalaky gny talagnolo kiraikiraiky ze nateraky tamin'ny vahoakin'i Ysraely.Gnahy reo Levita. 13 Gnahy gny talagnolo iaby.Tamin'ny gnandro nagnisiako gny talagnolo iaby tagny amin'ny tany Egypta,ro nanokanako ho Gnahy gny talagnolon'i Ysraely iaby,ndra gny vahoaky ndra gny biby fiompy.Gnahy regny.Zaho ro Yaveh. 14 Nivola tamin'i Mosesy tagny an-diomonton'i sinay i Yaveh.Hoy Ie hoe: 15 " Isaho isaky gny hasaveregnany gny havorohotan'i Levy,isaky gny hasaveregnan'ny razamben-drozy.Isaho gny johary iaby ze vola raiky voho miakatsy." 16 Nagnisa gnandrozy i Mosesy,magnaraky gny safan'i Yaveh,magnaraky gny nandidiany gnazy hatao. 17 Gny agnaran'ireo anakilahin'i Levy la Gersona,Kohata,voho Merary. 18 Gny hasaveregnam-be bakamin'ireo anakilahin'i Gersona la Libny voho Simey. 19 Gny hasaveregnam-be bakamin'ireo anakilahin'i Kohata la Amarama,Izara,Hebrona,voho Oziela. 20 Gny hasaveregnam-be bakamin'ny anakilahin'i Merary la Maly voho Mosy.Reo ro hasaveregnam-ben'ireo Levita,ze nilahatsy magnaraky gny hasaveregnany iaby. 21 Reo hasaveregnm-ben'ireo Libnita voho Simeita la bakamin'i Gersona.Reo iaby ro hasaveregnam-ben'ireo Gersonita. 22 Gny johary iaby mamototsy vola raiky voho miakatsy la nihisahy,ka niisaky 7500. 23 Gny hasaveragnam-ben'ireo Gersonita la hivory amin'ny sisiny andrefan'ny tabernakely. 24 Eliasafa anakilahin'i Laela ro tsy maintsy hitariky reo hasaveregnam-ben'ny havorohotan'ni Gersonita. 25 Gny hasaveregnan'i Gersona la tsy maintsy mikarakara gny tragno-lay fihaogna ka ao agnatin'izay gny tabernakely.Hikarakara gny tragno-lay rozy,gny sarony,voho reo lamba ampiasa ami-gny filira ao ami-gny tragno-lay fihaogna. 26 Tsy maintsy mikarakara gny lamban'ny gny kianja rozy,gny lamba eo ami-gny filiran'ny kianja-gny kianja zay magnodidy gny fitora masy voho gny alitara.Aoky hikarakara reo talin'ny gny tragno-lay fihaogna voho ze raha agnaminy eo iaby. 27 Bakamin'i Kohata reo hasaveregnam-be reto:hasaveregnan'ny Amaramita,gny hasaveregnan'ny Izarita,gny hasaveregnan'ny Hebronita,voho gny hasaveregnan'ny Ozielita. 28 Gnan'ireo Kohatita reo hasaveregnam-be ireo.8600 johary vola raiky voho miakatsy ro fa nihisahy mbahikarakara reo fanagnan'i Yaveh. 29 Reo hasaveregnan'ny taranak'i Kohata la tsy maintsy mivory antimon'ny tabernakely. 30 Elifaza anakilahin'i Oziela ro tsy maintsy hitariky gny hasaveregnam-ben'ireo Kohatita. 31 Rozy ro tsy maintsy mikarakara gny fiara,gny latabatsy,gny fasian-jiro,reo alitara,reo raha masy ze ampiasa ami-gny fanompoany,gny lamba,voho ze asa iaby mikasikizay. 32 Eleazara anakilahin'i Arona mpisoro ro tsy maintsy hitariky reo johary ze mitariky reo Levita.Tokony hagnara-maso reo johary ze mikarakara gny fitoera masy ie. 33 Hasaveregnam=be roe ro bakamin'i Merary:"gny hasaveregnan'ny Malita voho gny hasaveregnan'i Mosita.Reo hasaveregnam-be reo la bakamin'i Merary. 34 6200 johary vola raiky voho miakatsy ro fa nihisahy. 35 Zoriela anakilahin'i Abihaila ro tsy maintsy hitariky reo hasaveregnam-ben'i Merary.Tsy maintsy mivory avaratsy gny tabernakely rozy. 36 Gny havorohotan'i Merary la tokony hikarakara gny rafitsy gny tabernakely,reo barany,fitsanganany,gny faladiany,gny fitaova iaby,voho ze raha mahakasiky gnazy iaby,ao agnatin'izay 37 reo toha voho gny fitsanganan'ny kianja ze magnodidy gny tabernakely,miaraky ami-gny faladian'ireo,fihantognan-draha,voho gny taly. 38 Mosesy voho Arona voho reo anakilahin-drozy la tsy maintsy hivory antignanan'ny tabernakely,agnatrehan'ny tabernakely,agnatrehan'ny tragno-lay fihaogna,magnandrify gny fiboahan'ny masoandro.Rozy ro tompon'andraikitsyho gnan'ny gny fagnatanteraha reo adidy ami-gny fitoera masy voho reo adidy ami'ny vahoakin'Israely.Ndra ia ndra ia olo hafa firenena mamonjy gny toera masy la tsy mantsy ho maty. 39 Mosesy voho Arona nagnisa gny johary iaby tamin'ny hasaveregnam-ben'i Levy ze vola raiky voho miakatsy,magnaraky ze nandidian'i Yaveh.Niisaky 22000. 42 Mosesy nagnisa gny talagnolon'ny gny vahoakin'Israely iaby magnaraky ze fa nandidian'i Yaveh gnazy hatao. 43 Nagnisaky gny talagnolo iaby magnaraky gny agnara ie,vola raiky voho miakatsy.Nahavoaisaky 22273 johary ie. 44 Nivola tamin'i Mosesy ndraiky Yaveh.Hoy Ie hoe: 45 "Alao reo Levita ho solon'ny talagnolo amin'ny vahoakin'Israely,voho alao gny biby fiharin'ny Vahoaky.Gnazy reo Levita-Zaho ro Yaveh. 46 Mamoria sekely dimy ho gnan'ny fagnavota isa maray amy reo talagnolon'ny vahoakin'Israely ze mandilatsy gnisan'ireo Levita. 47 Ampiasao magnaraky gny hasoan'ny gny lanjanao gny sekelin'ny fitoera masy.Gera roapolo gny sekely. 48 Hameanao gnan'i Arona voho reo anakilahiny gny vilim-pagnavota ze naloanao." 49 Ka la namory gny vilin'ny fagnavota bakamin'ireo ze nandilatsy gnisa tamy reo navotan'ireo Levita i Mosesy. 50 Namory gny drala bakamin'ny talagnolon'ny vahoakin'Israely.Nahavory sekely 1365 ie,nilanja tamin'ny sekelin'ny fitoera masy. 51 Mosesy nagnome gny dralam-pagnavota ho gnan'i Arona voho reo anakilahiny.Mosesy nanao ze raha nisafagnin'i Yaveh gnazy hataony,magnaraky ze fa nandidian'i Yaveh gnazy.