Toko 1

1 Tafaran'ny nahafatesan'i Saoly, la nimpoly bakagny amin'ny fanafiha gnan'ireo Amalekita i Davida sady nijano tao Ziklaga nandritsa gny roe andro. 2 Tamin'ny andro fahatelo,la nisy johary raiky niaraky tamin'ny fisikinany tatatataky voho loto teo amin'ny lohany ro avy bakagny amin'ny tobin'i saoly. Lafa avy teo amin'i Davida ie la niankohoky tamin'ny tany sady nagnondriky gny vatany. 3 Hoy i Davida taminy hoe;'Bakaia iha?" Namaly ie hoe:" Nitsoaky bakagny amin'ny tobin'Israely aho." 4 Hoy Davida taminy hoe:' Lazao gnahy lahy gny fisehon'io raha io." Namaly ie hoe:"Nandositsy tamin'ny aly reo vahoaky.Maro ro lavo sady maro ro maty. Saoly voho Jonatana anaky lahiny avao koa la maty." 5 Hoy davida tamin'ilay tovolahy hoe;' Manao akory ro nahaizanao fa maty Saoly voho Jonatana anany?" 6 Namaly lay tovolahy hoe:' Kisendrasendra ro naha-teo amin'ny Tendrombohits'i Gilboa gnahy, sady ingo Saoly nitehy tamin'ny lefony, sady reo kalesy voho reo mpintainga gnazy la teo apanambora gnazy. 7 Nihodikodiky Saoly sady nahita gnahy ka nikaiky gnahy mare. La namaly aho hoe:'Intoy aho." 8 Hoy ie tamiko hoe;' Ia iha? Namaly gnazy aho hoe:"Amalekita aho." Hoy ie tamiko hoe:"Mitsanga lahy agnilako sady vanoy aho, fa fijalia bevata ro manjo gnahy, kanefa mbo ato amiko gny aina." 10 Nohon'io la namonjy teo aminy aho sady namono gnazy , fotony haiko fa tsy ho velo ie tafaran'ny nahalavo gnazy. Bakeo la nalako gny satro-boninahitsy zay teo amin'ny lohany voho gny fehin-tagna eo amin'ny sandriny, voho nandesiko eto aminao reo, ry tompoko." 11 Bakeo la nanataky reo fisikinany i Davida, sady nanao manahaky gnan'io reo olo iaby niaraky taminy. 12 Nisaona rozy, nitagny , sady nifaly hany ho gnan'i Saoly mandrapa-hariva, ho gnan'i Jonatana anaky lahiny, ho gnan'ireo vahoakan'i Yaveh, sady ho gnan'ny hasaveregnan'Israely fotony lavo tamin'ny sabatsy rozy. 13 Hoy Davida tamin'ilay tovolahy hoe:" Bakaia iha?" Namaly ie hoe:" Anaky gny vahiny raiky eo amin'ny tany aho, Amalekita raiky." 14 Hoy Davida taminy hoe;' Nagnino iha ro tsy natahotsy namono gny mpanjaka voahositr' i Yaveh tamin'ny tanagnanao?" 15 Nikaiky gny raiky tamin'ireo tovolahy i Davida ka nivola hoe:"Mandehana sady vono ie." Ka nandeha io johary io ka namely gnazy, ka maty lay Amalekita. 16 Bakeo la nivola tamin'ny fatin'ilay Amalekita i Davida hoe:" Eo amin'ny lohanao gny ranao fotony gny vavanao avao ro vavolombelonanohitsy gnaao sady nanao hoe:" Namono gny mpanjaka voahosits'i Yaveh aho." 17 Bakeo la nihira toy hira fisaogna momban'i Saoly voho Jonatana anaky lahiny i davida. 18 Nibaiko gny vahoaky ie mba hampianatsy io hiran'ny Tsipika io gnan'io anaky lahin'i Joda, zay voahosotsy ao amin'ny Bokin'i Jasara. 19 " Gny voninahitrao, ry Israely, la maty , voavono teo amin'ny toera abo! Endrey gny fahavalon'ilay mahery! 20 Ka vaolagny ao Gata io, ka ambara egny amin'ireo lalan'i Askelona, mba tsy ho afaky hazoto reo anaky ampelan'ny Filistina, mba tsy hankalaza reo anaky ampelan'ny tsy voafora. 21 Ry Tendrombohits'i Gilboa, tsy hisy ando voho ora anie ao aminao, na saha magnome voa ho fagnatitsy, fotony teo ny fiarovan'ilay mahery ro voaloto. Gny fiarovan'i Saoly la tsy voahosotsyamin'ny menaky sasy. 22 Bakamin'ny ran'ireo zay voavono, bakamin'ny fatin'ireo mahery, la tsy nimpoly gny tsipikan'i Jonatana, sady tsy niverim-poana gny sabats'i saoly. 23 Saoly voho Jonatana la tia voho mpamindra fo teo amin'ny fiaigna, sady tsy nosarahan-drozy tamin'ny fahafatesan-drozy. Malaika noho gny voromahery rozy, natanjaky noho gny liona. 24 Nareo ry anaky ampelan'Israely, mitagnia gnan'i Saoly, zay nampisiky Jaky voho firavaky gnanareo, sady nametraky firavaky volamena teo amin'ny akanjonareo. 25 Endrey gny fahavalon'ilay mahery teo agnivon'ny aly! Novonoa teo amin'ny toera abo i Jonatana. 26 Ory nohon'ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko. Tena malala tamiko iha. Mahatalanjona gny fitiavanao gnahy, mandilatsy noho gny fitiavan'ireo ampela. 27 Endrey gny fahavalon'ilay mahery, voho gny fahavalon'ireo fitaovam-pialian'ny aly!"