Tôko1

1 Maro iré niaizaka nanôratra tantara mikasika iré raha-nitranga zai tanteraka takéto amintsika, 2 karaha izégny efa nanoloran-jaré ré ananjy tamintsika, zai efa vavolombelogna nagnatri-maso sy mpanompon'ny teny hatragny ambolôhany. 3 Ary aminahy hiany koà de karaha manjary - kôfa nagnadihady tsara ny fandehan'ny raha jiaby hatramin'ny vôlohany- ny hanôratra tatitra karaha ny filaharany ho anô, ry Teofilo mendrika indrindra. 4 Izégny de mbô ahaizanô ny marigna mômba iré raha nampianarigna anô. 5 Tamin'ny andron'i Heroda, mpanjakan'ny Jodia, de nisy araika tamin'ny mpisorogna antsôvigna hoe Zakaria, avy amin'ny antokon'i Abia. Ny vadiny de avy amin'ny Zanak'i Arona viavy, Elizabeta ny agnarany. 6 Samy marigna tagnatrehan'Andriamanitra zaré ré, ary nagneky iré didy jiaby sy iré fitsipikin'ny Tompo. 7 Fô tsy nanan-janaka kanefa zaré ré, satria mômba Elizabeta, ary samy efa tegna antitra ihany koa izy aroa tamin'izegny fotoagna izegny. 8 Ary zegny de makasika an'i Zakaria te ny fagnatrehan'Andriamanitra, nagnatantairaka iré asan'ny fisorognana araka ny fifandimbiasagna isan-tôkony. 9 Araka ny fômba fatôn-jaré ré ny amin'ny fisafidianagna mpisorogna zai tôkony hanompo, de voafidin'ny kodia hely hiditra hagnoro ny hemboka magnitra akô an-tempolin'ny Tompo izy. 10 Tamin'ny laira nandoragna ny hemboka magnitra de nivavaka tagny ivelany fôkon'ôlo jiaby. 11 Ary nisy anjelin'ny Tompo niseho taminanjy ké nitsangagna tankavanagna také amin'ny alitara nisy hemboka magnitra. 12 Kôfa nahita ananjy i Zakaria, de raiki-tahotra ary tegna feno tahotra izy. 13 Fô ahozy ny anjely taminanjy: "Aza matahotra ry Zakaria, efa regniko ny vavakanô. Ho bikibo zaza lalahy aminô Elizabeta vadinô. Jaona no hatônaré agnarany. 14 Hanam-pifaliagna sy haravoagna anô, ary maro koà no ho faly amin'ny faterahany. 15 Satrià ho maventy izy amason'ny Tompo. Tsy hisotro divay na ra fisotro mahery mihitsy izy, ary ho feno Fagnahy Masigna laitry avan-kibon'ny mamany izy. 16 Maro amin'ny fôkon'ôlon'Israely hitodika amin'ny Tompo Andriamanitran-jaré. 17 Handeha alôhan'ny tavan'ny Tompo amin'ny fagnahy sy ny herin'Elia izy. Zegny no atôny de ny mbô hitodian'ny fôn'ny baba amin'ny zanaka, mbô handiananjaré zay tsy magneky amin'ny lalan'ny fahindriagnan'ny marigna mbô hagnomanagna fôkon'ôlo efa vognona ho an'ny Tompo nomanigna ho ananjy." 18 Ary Zakaria novôlagna tamin'lay anjely hoe: "Akory ny hahaizako zegny? Fô za efa antin-dahy ary ny vadiko efa antitra." 19 Ary aozy ny anjely namaly sy nivôlagna taminanjy: "Za no Gabriela, ilay mitsangana eo agnatrehan'Andriamanitra. Ary nasaigna za mbô hivôlagna aminô, hitôndra itô vôvô tsara zao aminô. 20 Koa indro! Ho moà anô, kay tsy ahaifa hivôlagna, mandra-patongavan'ny andro hisehoan'iré raha iré. Satria tsy nino raha nivolagniko anô, zai tantairaka amin'ny fotoagna voafaritra." 21 Ary ny fokon'ôlo sasany nandigny an'i Zakaria. Variagna nohon'ny fidokahany elabe takô an-tempoly zaré ré. 22 Fô kôfa niboaka izy, de tsy afaka nikoragna taminjaré ré. Ary fantan-jaré fô nahita fahitagna izy takô an-tempoly. Nagnano béko moà tamin'iré izy ké nijanogna ho moà. 23 Ary kôfa tônga ny andro ahataperan'ny fanompoagnany, de lasagna tagny an-dragno izy. 24 Tafaran'ire andro ire, de bikibo Elizabeta ary nivony nandritra ny dimy volagna. Aozy hoe: 25 "Zô no naton'ny Tompo anahy kôfa nizaha anahy Izy mbô hagnala ny haignatranay amason'ologna." 26 Tamin'ny faenim-bôlagna, de nirain'Andriamanitra ny anjely Gabriela nandaiha tagny amin'ny tanàgna raika tao Galilia antsôvigna hoe Nazareta, 27 ho agny amina virijiny raika zay fôfom-badina lalahy antsôvigna hoe Josefa. Agnisan'ny taranak'i Davida izy, ary ny agnaran'ilay virijiny de Maria. 28 Nandaiha tô izy ary nivôlagna hoe: "Arabaigna, ry lay nasoavigna indrindra! Ny Tompo ho akô aminô". 29 Fô taigna very hevitra tamin'ny koragna izy nagnontany tegna hoe karazagna fiarabagna karaha ino zégny . 30 Nivôlagna anjely taminy: "Aza mataotra ,ry Maria, fô aifa nahita sitraka tamin'Andriamanitra anô. 31 Indro, ho bikibo anô kay hitairaka zazalalahy. Ary agnarany antsôvinô hoe 'Jesosy'. 32 Ho mahaventy Izy ké antsôvigna hoe Zanaky ny Avo indrindra. Ny Tompo Andriamanitra hagnamia Ananjy ny sezy fiandrianan'i Davida razambeny. 33 Ary hanjaka mandrakizay amin'ny taranak'i Jakoba izy, ary tsy hanampatapairagna ny fanjakany." 34 Hoy Maria tamin'ilay anjely: "Magnakôry atongavan'izegny, fô mbôla tsy niara-nandry tamin-dalahy za?" 35 Ny anjely namaly ananjy hoe: "Hilatsaka aminô ny Fagnahy Masigia, ary ny herin'ny Avo Indrindra no ho avy aminô. Kay lay masigna ho tairaka de antsôvigna hoe Zanak'Andriamanitra. 36 Indro, Elizabeta havanô de bikibo zazalalahy koà na de aifa antitra aza. Aifa fa enimbôlagna ny kibony zao, izy lay nantsôvigna hoe momba. 37 Satrià tsisy raha tsy azo tantiraignia amin'Andriamanitra ." 38 Hoy Maria: "Indro, zaho no mpanompovavin'ny Tompo. Ôka ho tantairaka aminahy zegny araka ny afatrao." Ary niala taminanjy ny anjely 39 Ary tamin-jagny andro zegny i Maria de niala kay nandaiha nalaky akagny amin'ny tany avo, agny amin'ny tanagnan'i Jodia. 40 Nandaikagny amin'ny tragnon'i Zakaria izy ary niarahaba an'i Elizabeta. 41 Izikôfa naharegny ny fiaraban'i Maria i Elizabeta, de ravoravo ny zaza tan-kibony, ary feno ny Fagnahy Masigna. 42 Nivôlagna mafy izy hoe: "Nasoavigna noho ny viavy jiaby za, ary nasoavigna ny natairaky ny kibonô. 43 Nagnakôry zegny no mitranga aminahy fô lay maman'ny Tompoko no tônga hagnatogna za? 44 Fô indro kôfa tônga tantadigniky ny fiarabagnanô de faly be ny zaza ankiboko. 45 Sambatra izy zay nino fô ho tantairaka ire raha zay nivolagnin'ny Tompo taminy." 46 Aozy i Maria: "Midaira ny Tompo ny fagnahiko, 47 ary ny fagnahiko nifaly tamin'Andriamanitra mpamonjy anahy. 48 Fa nizaha ny fahantragnan'ny mpagnampiny viavy Izy. Ary indro, manomboka zô ny taranaka jiaby hagnantso anahy hoe sambatra. 49 Satria nagnano raha maventy taminahy lay mahaifa ny raha jiaby, ary masigna ny agnarany. 50 Fô maharitra ho an'ny taranaka faramandimby zay matahotra ananjy ny famidram-pony. 51 Nitoroany ny heriny tamin'ny sandriny izy; ary napariakany re zai niraiharaiha tamin'ny eritreritry ny fon-jare. 52 Naongany tamin'ny seza fiandrianany ny zanakalahin'ny mpanjaka. Ary lay ambany nampakariny. 53 Nataony voky raha tsara ire tihinagna, fô ny manan-draha natony tsy managna namba hely. 54 Nagnamia fagnapiagna an'Israely mpanompony Izy, mbô hatsiarôvany haneho famindram-po 55 (araka ny nilazainy tamin'ny razantsika re) tamin'i Abrahama sy ny taranakananjy mandrakizay." 56 Nidôko nipètraka taka amin'i Elizabeta tôkony ho telo volagna i Maria ary avake niherigna nôdy tan dragnony. 57 Ary tônga ny fotoagna hitirahan'i Elizabeta ny zanany ary niteraka zaza lalahy izy. 58 Naregny famindram-po maventy natôn'ny Tompo tamin'ny mpiara-monigna ré sy ny havany ré, ary niara nifety taminjare zare. 59 Ary tamin'ny andro fahavalo de tônga hamositra zaza zare. Saiky antsôvigna zare hoe "Zakaria," karaha ny agnaran'i babany izy. 60 Fô ny mamany ndraiky namaly ary nivolagna hoe: "Ahey. Jaona no agnantsôvagna ananjy." 61 Ary aozy zare taminanjy: "Tsisy amin'ny havanô antsôvigna amin'agnaragna karahan-jany." 62 Nagnano beko moà tamin'i babany zare amin'ny raha tiagna hatao hagnarany. 63 Nangaho solaitra fanoratagna ny babany ary hanôratra hoe: "Jaona no agnarany." Ary magnana tamin-jaigny zare jiaby. 64 Ary niaraka tamin-jai de nisôkatra ny vavany ary nafahagna ny lailany. Nivôlagna izy ary nidaira an'Andriamanitra. 65 Tônga tamin-jare jiaby nagnodidigna te ny tahotra. Ary nisahely airan'ny tanàgnan'i Jodia ny raha jiaby niseho te. 66 Ary zare jiaby naregny ndrai nandatsaka tam pony, ary nivolagna hoe: "Ho lasagna ino marô tô zaza tô?" Fô momba ananjy ny tagnàn'ny Tompo. 67 Ary feno Fagnahy Masigna i Zakaria babany ary naminagny, kai nivolagna hoe: 68 "Deraigna anie ny Tompo, Andriamanitr'Isiraely, fô tônga nagnampy sy nagnatantairaka ny fagnafahagna ho an'ny vahoakany Izy. 69 Nakarigna ambôny ny tandrom-pagnavôtagna tan-dragnon'i Davida mpanompony Izy, 70 karaha zai nikoragniny tamin'ny vavan'ire mpaminagny masigna tamin'ny andro talôha tagny. 71 Hitôndra famonjiagna amin'ny fahavalontsika sy amin'ny tagnan'ire mankahalantsika jiaby ire Izy. 72 Zaigny no hatôny de mbô hampisehoany ny famindram-po amin'ire babantsika sy ampatsarôvagna ny fanekem-pihavanagnany Masigna, 73 de lay fiainagna nivolagnin'i Abrahama babantsika. 74 Nifanta ny hazaontsika, kôfa hafaka tan-tagnàn'ny fahavalontsika, manompo Ananjy tsy amin-tahotra, 75 am-pasahiagna sy am-pamarinagna agnatrehany amin'ny androntsika jiaby. 76 Ia, ary anô, ry zaza, de hantsôvigna hoe mpaminanin'ny avo indrindra, fô handaiha hialôha ny tavan'ny Tompo anô ary hagnaboatra ny lalany, 77 mbô hanomagnan'ny ôlo ny amin'ny fiaviany, mbô hagnomia fahalalam-pamonjiagna ho an'ny ôlony amin'ny alalan'ny famelagna ny helon- jareo. 78 Izégny no hiseho de noho ny famindram-po masign'ny Andriamanintsika, nohon'ny aminjagny no hiposahan'ny masoandro avy amin'ny avo mbô ho avy hagnampy antsika, 79 hagnazava an'ire zai mipaitraka agnaty ny haizigna sy ire agnatin'ny aloky ny fafataisagna. Hataony zegny mbô hitarihagna ny hongontsika amin'ny lalam-piadanagna." 80 Ary ny zaza de nitômbo kai nanjary nahery amin'ny fagnahy, ary tagny agnefitra izy mandra-pahatonga ny andro hisehoany ampahibe maso amin'Israely.