Tôko 1

1 Tamin'ny voalôhany ny Teny, ary ny Teny tamin'Andriamanitra, ary ny Teny de Andriamanitra. 2 Zégny de takô amin'Andriamanitra tamin'ny voalôhany. 3 Ny raha jiaby de avy Aminanjy aby, ary kô tsy noho Izy de tsisy na ino na ino. 4 Noho Izy no nisiam-piainagna, ary io fiainagna io no fahazavan'ny ôlogna jiaby. 5 Ny hazavagna de mamiratra agnatin'ny hizigna, ary ny hizigna tsy nandresy zégny. 6 Nisy lalahy raiky nirahin'Andriamanitra, Jaona no agnarany. 7 Tônga izy mbô ho vavôlombelogna hagnambara ny momban'ny fahazavagna, mbô hinoan'ny jiaby amin'ny alalany. 8 Tsy Jaona lay fahazavagna, fô tônga ndraika mbô hagnambara ny momba lay fahazavagna izy. 9 Ny fahazavagna marigna, zay magnamia hazavagna ny ôlo-jiaby, de tônga aketo amin'izô tontôlo zao. 10 Teto amin'izô tontôlo zao Izy, ary Izy nahariagna an'izô tontôlo zao, ary zao tontôlo zao tsy nahafantatra Ananjy. 11 Tônga tagny amin'ny ôlony Izy, ary ny ôlony de tsy nandray Ananjy. 12 Fô iré maro nandray Ananjy, zay nino ny agnarany, de namiàny fahefagna ho tônga zanak'Andriamanitra. 13 Iré de tsy nateraka tamin'ny rà, na ny sitrapon'ny nôfo, na ny sitrapon'ny ôlogna, fô ny an'Andriamanitra. 14 Ary ny Teny tônga nôfo ké nonigna tamintsika. Hitanay ny vôninahiny, vôninahitra kara lay raiky sy tôkagna zay tônga avy tamin'ny Baba, feno fahasoavagna sy fahamarinagna. 15 Jaona nagnambara ny momba Ananjy ké nihafatra mafy, magnano hoe: "Izy lay raika zay efa nivolagniko hoe: 'Izy zay tônga afarako de maventy be noho zaho, satrià talôhako Izy.'" 16 Fô avy amin'ny fahafenoany no nandraisantsika jiaby fahasoavagna hagnampy fahasoavagna. 17 Fô ny lalàgna de namiagna tamin'ny alalan'i Mosesy. Ny fahasoavagna sy fahamarignana de tônga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy. 18 Tsisy nahita an'Andriamanitra na oviagna na oviagna. Fô lay Andriamanitra raika sy tôkagna, izô aké an-tratran'ilay Baba, no nampahafantatra Ananjy. 19 Ary izô no fagnambaran'i Jaona kôfa nagnasa iré mpisorona sy Levita avy tagny Jerosalema hankeo aminanjy iré Jiosy mbô hagnontany ananjy hoe: "Zôvy mô anà?" 20 Nitsotra izy, ké tsy nandà, fô namaly hoe: "Tsy Kristy zaho." 21 Ké nagnontany ananjy zaré hoe: "Ino ariky anà izégny? Elia vô anà?" Nivôlagna izy hoe: "Tsy izy zaho." Ahozy zaré ré hoe: ''Anà mô lay mpaminany?'' Namaly izy hoe: "Aha." 22 Avy také zaré ré nivôlagna taminanjy hoe: "Izôvy anà, mbô afahanay magnamià valin-teny amin'ire zay nagnasa anay? Ino no volagninà momban'ny tegnanà?" 23 Ahozy izy hoe: "Zaho lay feo, magnantso mafy agny an'efitra hoe: 'Atôvy mahitsy ny lalan'ny Tompo,' araka ny voalazan'Isaia mpaminany." 24 Ary nisy iraky sanany avy aminjaré fariseo nalefa, 25 ary nagnontany ananjy zaré ké nivôlagna taminanjy hoe: "Nagnino ariky anà no magnano batisa kô tsy Kristy anà no sady tsy Elia no tsy lay mpaminagy?" 26 Ary Jaona namaly anjaré ré, magnano hoe: "Magnano batisa amin'ny rano zaho. Fô aké agnivonaré de misy ôlogna araiky mijôro zay tsy fantanaré. 27 Izy lay araiky zay tônga avy akô afarako, zay tsy tôkony ho zaho no hamaha ny tadi-kapany." 28 Iré raha iré de natô tagny Betania tagny andafin'i Jordana, zay nagnanovan'i Jaona batisa. 29 Amaraigna Jaona nahita an'i Jesosy nagnatogna ananjy ary nivôlagna hoe: "Zahà, indro ny zanak'ondrin'Andriamanitra zay magnala ny fahotan'izô tontôlo izô!" 30 Itô lay araiky zay nivolagniko hoe: 'Lay araiky zay tônga avy afarako de maventy be noho zaho, satrià talôhako Izy.' 31 Ary zaho tsy nahafantatra Ananjy, fô mbô ho voavôlagna amin"Israely izy no nihaviàko hagnano batisa amin'ny rano.'' 32 Jaona nagnambara, magnano hoe: "Nahita ny Fagnahy nirôrogna avy agny an-dagnitra kara ny voromailala zaho, ary nipetraka také ambôniny izégny. 33 Tsy mahafantatra Ananjy zaho, fô Izy zay nagnasa anahy hagnano batisa amin'ny rano nivôlagna taminahy hoe: "Aké ambonin'izay hitanà hirorôgnan'ny Fagnahy sy hitoerany aké aminanjy, izy lay araiky zay magnano batisa amin'ny Fanahy Masina.' 34 Sady nahita zaho no nagnambara fô izy lay Zanak'Andriamanitra.'' 35 Ny amaraigna, ndraiky, kôfa nijôro niaraka tamin'ny roy amin'iré mpianany Jaona, 36 de nahita an'i Jesosy nandaiha zaré ré, ké ahozy Jaona hoe: "Zahà, lay Zanak'ondrin'Andriamanitra!" 37 Naharegny ananjy nivôlagna izégny iré mpianany roy ké nagnaraka an'i Jesosy zaré ré. 38 Avy také Jesosy nitodika ké nahita anjaré ré nagnaraka Ananjy ké nivôlagna anjaré ré hoe: ''Ino no ilainaré?'' Namaly iré hoe: ''Raby (zay midika hoe mpampianatra), eza Anà no mitoetra?" 39 Namaly anjaré ré Izy hoe: "Magnatôgna ary zahà." Ké nagnatogna zaré ré ké nahita ny toeragna zay nipitrahany; nitoetra niaraka Taminanjy takô zaré ré tamin'io andro io, fô tôkony efa ho lera fahafôlo taminjagny. 40 Araiky tamin'iré mpianatra roy naharegny an'i Jaona nivôlagna ary nagnaraka an'i Jesosy avy aké i Andrea, rahalahin'i Simona Petera. 41 Nitady an'i Simona rahalahiny alôha izy ké nivôlagna taminanjy hoe: "Hitanay ny Mesia" (zay adika hoe Kristy) 42 Nitondra ananjy tagny amin'i Jesosy izy, ary nizaha ananjy Jesosy ké nivôlagna hoe: "Anà de Simona zanak'i Jaona, Anà de antsovigna hoe Kefasy" (zay midika hoe: Petera). 43 Ny amaraigny, kôfa te andeha ho agny Galilia Jesosy, de nahita an'i Filipo Izy ary nivôlagna taminanjy hoe: "Magnaraha Anahy." 44 Filipo de avy agny betsahida, tanàgnan'i Andrea sy Petera. 45 Nahita an'i Natanaela i Filipo ké nivôlagna taminanjy hoe: "Izy zay nosoratan'i Mosesy takô amin'ny lalàgna, sy iré mpaminany, hitanay Izy, de Jesosy zanak'i Josefa, avy agny Nazareta." 46 Natanaela nivôlagna taminanjy hoe: "Mô hisy raha tsara avy akô Nazareta?" Filipo nivôlagna taminanjy hoe: "Magnatôgna ké zahà." 47 Jesosy nahita an'i Natanaela nagnatogna ananjy ké nivôlagna iré mombamomba ananjy hoe: "Zahà, izégny no tegna israelita, zay tsisy fitaka aminanjy!" 48 Natanaela nivôlagna Taminanjy hoe: "Karakôry nafantaranà anahy?" Jesosy namaly ké nivôlagna taminanjy hoe: "Talôhan'ny nagnatsôvan'i Filipo anà, kôfa tambanin'ny kakazo aviavy anà, de hitako." 49 Natanaela namaly hoe: "Raby, Anà lay zanak'Andriamanitra! Anà no mpanjakan'Israely!" 50 Jesosy namaly ké nivôlagna taminanjy hoe: "Satrià Zaho nivôlagna taminà hoe: 'Nahita anà také ambanin'ny kakazo aviavy Zaho,' no hinoanà? Hahita raha tsara mihoatra noho izégny anà." 51 Avy aké Izy nivôlagna hoe: "Volagniko aminaré, marigna, de marigna tokoà, fô hahita ny lagnitra hisôkatra anaré, ary iré anjelin'Andriamanitra hiakatra sy hirôrogna aké ambonin'ny zanak'ôlogna."