Tôkô: 1

1 Paoly, apôstôly_tsy apôstôly avy tamin'ôlogno na nampianarin'ôlo, fa avy tamin'i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, zègny nanangana Ananjy tamin'ny maty_ 2 ndraiky ralahy jiaby miaraka aminah, hoanjaré fiangonagna Galatiana. 3 Fahasoavagna ho aminaré ndraiky fiadanagna avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesisy Kristy Tompo, 4 zègny nanôlotro ny tègnany ho an'ny fahotantsika mbô hagnafakantsika amin-jao andron'ny fa haratsiagna zao, araka ny sitrapon'Andriamanintsika sy Raintsika, 5 ho Ananjy raiky ny voninahitra mandrakizay dorià. Amen. 6 Variagna zaho naregny fô narianan-dré zègny èfa nagnatsôvagna anan-dré dia ny fahasoavan'i Kristy zègny. variagna koa zah fô nagnaraka filazantsara hafa an-dré. 7 Zègny tsy midika fô misy filazantsara hafa ankoatra zègny, fa misy ôlo maro mitôndra fikorontaganna aminan-dre tia hagnôva ny filazantsaran'i Kristy. 8 Fa na zahay na anjely avy agny an-dagnitra aza mitory filazantsara hafa aminan-dre na zègny nitorinay taminan-dre, dia aoka izy ho voaôzogno. 9 Araka zègny nivolagninay talôha, dia naiany zah mizaka ndraiky fô: "Kô misy ôlogno magnambara aminan-dre filazantsara hafa hankoatrany zègny regninare, dia aoka izy ho voaôzogno." 10 Mitady dèra amin'ôlogno mô za sa Andriamannitra? sa mitady zègny hampifaly ôlogno? Kô mbôla mitady dèra amin'ôlo zah dia tsy andevon'i Kristy. 11 Fa tiako fantanare, ry ralahiko, fa ny filazantsaran'ôlombelogno. 12 Tsy avy tamin'ôlo nahaizako an-jègny, sady tsy ôlo nampianatra zah. Fa fagnambaran'i Jesosy Kristy. 13 Fa anare naregny mômban'ny fiaignako talôha tamin'ny fômba fivavahagna Jiosy, ndraiky fômba nagninjèhako ny fiangonan'Andriamanitra tônga diso tafahoatra ndraiky èzaka nandravako an-jègny. 14 Nandroso tamin'ny fivavahan'ny Jiosy za mihoatra ny maro tamin-jaré mitovy tôgna taminahy, avy tamin-jaré iraika firenena tamiko. Kara ny zègny ny fômba nitazomako mafy iregny fômban-drazako. 15 Kanèfa Andriamanitra, nanôkana anah laitry tankibon-dreniko, kè nagnantso anah tamin'ny alalan'ny fahasoavany, 16 kôfa faly nampiseho ny zanany lahy taminahy, mbô hahafahako magnambara Ananjy agny amin'ny Jentilisa, dia tsy naka saigny tamin'ny nôfotro aman-drà zègny zah. 17 Tsy nandèha tagny Jerosalema tamin'ny Apôstôly talôko ré zah. Fa, nandèha tagny Arabia avitake nierigna tagny Damaskosy zah. 18 Kè telo taogno tafara dia nandèha tagny Jerosalema mbô hifankafantatra tamin'i Kefasy zah kè nijanogno niaraka taminanjy nandritran'ny dimy ambin'ny fôlo andro. 19 Fô tsy nisy hitako iré Apôstôly ankoatra an'i Jakoba, lay rahalahin'ny Tompo. 20 Kè amizègny soratako ho anaré, dia magnomia toky anare zah agnatrèhan'Andriamanitra, fô tsy mandainga zah. 21 Avitake zah dia nandèha tagny amin'ny faritr'i Syria sy Kilikia. 22 Tsy mbôla fantatra take tamin'ny fiangonan'i Jodia zègny amin'i Kristy zah. 23 Regninjare fôgna koragna fa: "lay lalahy nagnejika antsika talôha igny dia magnambara lay finoagna zègny ninjehiny sy nipotehiny talôha." 24 Avy tamin-jègny zaré dia nidèra an'Andriamanitra noho ny avy taminah.