Tôko1

1 Ny boky nisoratako talôha, ry Teofilo, de magnambara ny jiaby zay natombok'i Jesosy sy nampinariny, 2 hatramin'ny andro nampiakaragna ananjy, avake de nagnàsa irè Apostoly zay nifidiny tamin'ny alalan'ny Fagnahy Masigna Izy. 3 Tafaran'ny nijaliany, de nampiseo ny taignany velogna taminjaré Izy niaraka tamin'iré porofo mandresy lahatra maro. Niseo tamin-jare Izy tagnatin'ny efapôlo andro, ary niraisaka mômban'ny fanjakan'Andriamanitra. 4 Kôfa nitrôtra tamin-jare Izy, de nagnàsa anjaré tsy hiala akô Jerosalema, fô nandigny ny fampagnatiniagnan'ny Ray, mômba zay, nivolagniny hoe: "Naregny taminahy anaré, 5 fô nagnano Batisa tamin'ny rano tikoàtra i Jaona, fô anaré de tôkony hatô Batisa amin'ny Fagnahy Masigna akô agnatin'ny andro vitsy.'' 6 Kôfa tafavory niaraka zaré de nagnontany Ananjy zaré hoe: "Tompo, zao mô ny fotoagna hangiraignanô ny fanjakan'Israely?'' 7 Aoziny taminjaré hoe: "Tsy anaré no ahay ny fotoagna na irè vanin'andro zay nitindren'ny Ray tamin'ny fahifagna manôkagna. 8 Fô kôfa tônga ndraiky ny Fagnahy Masigna de ahazo hery anaré, kay ho lasagna vavolombeloko airan'ny Jerosalema sy Jodia jiaby ary Samaria, hatrany amparan'ny tany.'' 9 Kôfa nivôlagna zegny i Jesosy Tompo, de niandrandra zaré, ary nakarigna Izy, ary ny rahogna nanakogna Ananjy tagnatraihanjaré. 10 Kô mbôla nimbanjigna ny lagnitra igny zaré tamin'ny nandianany, tampoka te, nisy rolahy nagnatô akanjo fotsy nitsangagna tankilanjaré. 11 Nivôlagna taminjaré hoe: "Ry lalahy avy agny Galilia, magnino aké anare no mitsangagna akéto mizaha ny lagnitra? Igny Jesosy nalaigna taminaré zay nampakarigna agny an-dagnitra igny, de mbôla hierigna kara ny nahitanaré ananjy niakatra agny an-dagnitra te igny. 12 Avake te zaré de niherigna tagny Jerosalema avy takô amin'ny tendrombohitr'Oliva, zay mariny Jerosalema, mitovy amin'ny diàn'ny andro Sabata raika. 13 Kôfa tônga zaré, de niakatra takô amin'ny efitra ambôny etazy, zay nitoeranjaré. Zaré de i Petera, Jaona, Jakoba, Andrea, Filipo, Tomasy, Bartolomeo, Matio, Jakoba zanak'i Alifeo ary Jodasy zanak'i Jakoba. 14 Nitambatra ho raika izy jiaby, ary nazoto nivavaka. Agnisan'izegny irè viavy, Maria maman'i Jesosy, sy irè ralahiny. 15 Tamin-jegny andro zegny i Petera de nitsangagna tantaignantaignan'iré ralahiny, amin'ôlogna 120 te, ary nivôlagna 16 hoe: ''Ry ralahy, taigna nilaigna ny fantatirahan'ny Sôratra Masigna, zay nambaran'ny Fagnahy Masigna mialôha tamin'ny vavan'i Davida mômba an'i Jodasy, zay nitôndra iré ôlo nanambotra an'i Jesosy.'' 17 Fô agnisan'ny raika amintsika izy ary nahazo ny anjarany tamin'zao fanompoagna zao.'' 18 (Avaizo i lalahy io de nividy atiàla tamin'ny vôla azony tamin'ny faratsiagna izy, ary lavo niankôhitra te izy, kay nisôkatra sy nipôhàka ny vatany, ary nivoakà dahôlo ny tsinainy. 19 Iré ôlo jiaby takô Jerosalema de naregny ny mômba zegny, ary nagnantso io atiàla io taminjare hoe: "Akeldama'', zagny: "Sahan-dRà.'') 20 Fô aifa voasôratra akô amin'ny Bokin'ny Salamo hoe: "Ambilay ho lao ny tsabony, ary aza availa na de ôlogna raika aza hipaitraka akô; 'Ambilay ho raisin'ny ôlon-kafa ny andraikitrananjy." 21 Noho zagny, de ilaigna, ny raika amin'iré lalahy niaraka tamintsika nandritran'ny fotoagna jiaby nidiran'i Jesosy Tompo sy ny nivoahany takéto amintsika, 22 hatramin'ny batisan'i Jaona ka hatramin'ny andro niakarany takéto amintsika, de tsy maintsy vavolombelogna miaraka amintsika amin'ny fitsanganany.'' 23 Ary namaitraka roa lahy zaré, de i Josefa nantsôvigna hoe Barsabasy, na atô hoe Josto, ary Matia. 24 Nivavaka zaré nivôlagna hoe: "Anô, ry Tompo, no mahay iré fon'ny ôlogna jiaby, kay volagno zay fidinô amin'izy roalahy 25 mbô halaka ny toairagna akato amin'zay fanompoagna zao sy ny maha Apostoly nohon'ny fandikan-dalàgna zay nataon'i Jodasy handaiha ho agny amin'ny toairagna manôkagna. 26 Zaré de niloka ho anjaré, ary nilatsaka tamin'i Matia ny filokagna, ary voaisa ho Apostoly raika ambin'ny fôlo izy."