Tôko 1

1 Paoly, apostoly raika an'i Kristy Jesosy tamin'ny sitrapôn'Andriamanitra, sy Timoty rahalahintsika, ho an'ny fiangonan'Andriamanitra zay akô Korinto, ary ho an'iré mpino jiaby magnerana ny faritry Akay. 2 Ho aminaré ane ny fahasoavagna ary ny fiadanagna avy amin'Andriamanitra Babantsika sy Tompo Jesosy Kristy. 3 Ho deraigna ane ny Andriamanitra sy Baban'ny Tompontsika Jesosy Kristy. Izy no Baban'ny famindram-pô jiaby sy Andriamanitry ny fampiononagna jiaby. 4 Andriamanitra de mampionogna antsika amiin'ny fahoriàntsika jiaby, ké mbô ahafahantsika mampionogna iré zay akô agnaty fahoriagna. Antsika de mampionogna iré hafa karaha ny fampiononagna zay nampiasain'Andriamanitra ampiononagna antsika. 5 Fô karaha ny hitomboan'ny fijaliàn'i Kristy nohon'ny aminay, no hitomboan'ny fampiononagna anay koà amin'ny alalan'i Krisy. 6 Fô kô nampahoriagna zahay, izégny de ho amin'ny fampiononagna sy famonjegna anaré. Ary kô nampionogna zahay, izégny de ho an'ny fampiononagna anaré. fampiononanaré de mandaitra kôfa manam-paharetagna hisara iré fijaliagna zay mitôvy amin'ny fijalianay koà. 7 Fô ny fahatokisanay mômba anarè de mahafantatra fô anaré koà de mizara iré fijaliagna, anaré koà de mizara fampiononagna. 8 Fô tsy tianay anaré tsy ahafantatra, ry rahalahy, ny amin'iré olagna manjo anay tagny Asia. Izahay de novezarana tanteraka mihoatran'izay tôkony ho zakanay, maro loàtra ké tsy nanantegna ny hiaigna ela intsony zahay. 9 Teo aminay tokoàtra ny fagnamelohana ho faty. Fô Izégny no nahatônga anay tsy hametraka ny aké amin'ny tegnanay foagna, fô ndraiky amin'Andriamanitra zay ampitsangana maty. 10 Nagnavotra anay tamin'ny lôza mahafaty karaha izégny Izy, ké mbô hagnavotra ndraiky. Zahahy de nametraka ny tokinay taminanjy fô mbola hagnafaka anay ndraiky Izy. 11 Izy de hagnano izegny satrià anaré koà de magnampy anay amin'ny alalan'ny vavakaré. Ké maro avy aké no hagnamia fisaoragna amin'ny agnarany noho ny tombom-pahasoavagna namiagna anay tamin'ny alalan'iré vavaka ny maro. 12 Zahay de miréharéha amin'izô: fijoroàgna vavolombelogno ny amin'ny feon'ny fieritreretanay. Fô tamin'ny fikasagna madio sy fahatsoram-pô zay avy amin'Andriamanitra zay nitondranay ny tegnanay akô amin'izô tontôlo izô. Zahay de nahavita izégny jiaby izégny ké ny ankamaroany niaraka taminjaré—tsy tamin'ny fahendren'izô tontôlo izô, fô tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra. 13 Zahay de tsy nanôratra raha tsy ho voàvakinaré na ho azonaré. Zaho de manantegna fô, 14 satrià ianaré nahazo ny momba anay amin'ny ampahany, zahay de ho anton'ny réharéhanaré amin'ny andron'ny Tompontsika Jesosy, karaha anaré ho antony hiréharéhanay. 15 Satrià natoky ny momba izégny zaho, de te ho agny aminaré alôngany, mbô hahafahanaré mahazo tômbony amin'ny fitsidihagna roà. 16 Niomagna ny hamangy anaré kôfa takagny amin'ny lalàgnanahy ho agny Makedonia zaho. Ké avy také de mbôla nagniry hamangy anaré ndraiky zaho tamin'ny diàko avy tagny Makedonia, ké ny mbô hagnatèranaré anahy tegny amin'ny lalagnanahy ho agny Jodia avy akè. 17 Kôfa niheritreritra karaha izégny zaho, nisalasala vô zaho? Nanomagna iré raha irékaraha ny nofo vô zaho, mbô hivolanako ''Ià, ià'' sy ''Tsià, tsià'' amin'ny fotoagna ariky foagna? 18 Fô satrià Andriamanitra de mahatôky, atsika de tsy afaka ny hivôlagna ''Ià'' na ''Tsià.'' 19 Fô ny Zanak'Andriamanitra, Jesosy Kristy, zay nitoriàn'i Sylvanosy, Timoty ary zaho taminaré, de tsy ''Ià'' na ''tsià.'' fô Izy de nivôlagna foagna hoe ''Ià.'' 20 Satrià ny fampanantenan'Andriamanitra jiaby de ''Ia'' avokoa akô aminy. Ké amin'ny alalany kôa atsika de hivôlagna hoe: ''Amena'' ho an'ny voninahitr'Adriamanitra. 21 Ary Andriamanitra zay magnamafy anay aminaré akô amin'i Kristy, ké Izy no nagniraka antsika. 22 Izy de nignisy tombo-kase tamintsika ké nagnamia ny Fanahy ho akô am-pôntsika ho antok'izay mbola ho amiany antsika akô afarany. 23 Fô nagnantso an'Andriamanitra zaho, hijoro vavolombelogno ho anahy zay antony tsy nahatôngavako takô Korinto mbô hamindrako fô aminaré. 24 Izegny de tsy sagnatria noho izegny miezaka ny mamehy zay tôkony ho finoanaré. Fô ndraika, zahay de miara-miasa aminaré amin'ny fifalianaré, satrià anaré mijôro akô amin'ny finoanaré.